FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/91 p. 2-3
  • Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Lohatenikely
  • HERINANDRO MANOMBOKA NY 1 APRILY
  • HERINANDRO MANOMBOKA NY 8 APRILY
  • HERINANDRO MANOMBOKA NY 15 APRILY
  • HERINANDRO MANOMBOKA NY 22 APRILY
  • HERINANDRO MANOMBOKA NY 29 APRILY
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
km 4/91 p. 2-3

Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra

HERINANDRO MANOMBOKA NY 1 APRILY

Hira 66

10 min.: Filazana eo an-toerana sy Fampandrenesana avy ao amin’ny Fanompoantsika ilay Fanjakana. Lazao amin’ny ambangovangony ny zava-niseho tamin’ny Fahatsiarovana, ny isan’ireo vaovao nanatrika sy izay azo atao amin’io herinandro io mba hampirisihana hanatrika ny lahateny manokana mitondra ny lohateny hoe “Ny fanatrehan’ny Mesia sy ny Fanapahany”, hatao amin’ny 7 Aprily izao. Ampahatsiahivo ireo fandaharana ho amin’ny asa fitoriana ao anatin’ny herinandro. Iaraho mijery fohy miaraka amin’ny kongregasiona indray ireo toromarika momba ny fikarakarana tsara ireo famandrihana (S(d)-11).

15 min.: “Amin’ny fanatanterahana ny fanompoantsika ilay Fanjakana ao anatin’ny kongregasiona”. Haseho toy ny lahateny ary harahina fampisehoana voaomana tsara hataon’ny mpitarika ny fianarana ny boky izay manazava amin’ny mpivady iray ny fomba azo ampiasana ny Index hahitana fanazavana ny amin’ny hoe nahoana ary amin’ny fotoana toy inona no manao saron-doha ny anabavy.

20 min: Foto-dresaka vaovao. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Jereo koa ireo hevitra isan-karazany azo resahina avy ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Ampirisiho ireo rahalahy mba haneho fiheverana tsara an’ireo olona tena naneho fahalianana tamin’ireo gazety ka mety hanao famandrihana. Manasà mpitory voaomana tsara hanao izao fampisehoana manaraka izao: “Manao ahoana tompoko ô. ——— no anarako. Manao fitsidihana fohy anao aho satria maniry hilaza fanontaniana iray aminao. Heverinao ve fa mety hisy fiadanana maharitra amin’izao androntsika izao? [Avelao hamaly ilay olona.] Raha jerentsika izay niseho tamin’ny lasa dia tsy misy antony betsaka hananana fanantenana. Mariho anefa izay voalazan’ny faminaniana momba izao androntsika izao ao amin’ny Lioka 21. [Vakio ny andininy faha-10, 11, 26.] Nanjaka tokoa ireo toe-piainana ireo hatramin’ny Ady lehibe voalohany. Tsy hoe tsy manana fanantenana anefa isika. Ireo toe-piainana mahavelom-panahiana ny taranak’olombelona ireo indrindra no porofo fa tsy ho ela dia hanadio ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra ka hitondra fiadanana maharitra. Izany no nambaran’i Jesosy eo amin’ny tohin’ny teniny, andininy faha-28 sy 31. [Vakio ireo andininy.] Noho izany dia mampiharihary ireo toe-piainana mampahory sy mahaketraka fa akaiky ny hisian’ny fiovana mahatalanjona. Moa ve tsy vaovao tsara izany? [Avelao hamaly ilay olona.] Ity lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ity [Fidio izay fehintsoratra na sary mety] dia mampiseho ny sasany amin’ireo fiovana hitranga tsy ho ela sy ny fomba hahazoanao sy ny fianakavianao ny fiainana mba hifaliana amin’izany. Raha maniry hamaky izany fanazavana izany ianao, dia ho faly aho hametraka aminao ireto gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Reveillez-Vous! ireto”. Miankina amin’ny fahalianana haseho dia afaka mamantatra ilay mpitory raha mety ny manolotra famandrihana. Amin’ny ankapobeny dia tsara kokoa ny manao izany amin’ny fitsidihana manaraka, rehefa nofantarina raha namaky ireo gazety napetraka taminy teo aloha ilay tompon-trano. Azon’ilay mpitory lazaina koa ny isan’ny fiteny ivoahan’ireo gazety sy ny fitaran’ny asantsika maneran-tany. Ny fiezahantsika an-tsitrapo dia mampandroso ny fampianarana Baiboly. Arakaraka ny hamelan’ny tarehin-javatra ary koa raha mety, dia hazavao fohy amin’ilay tompon-trano ny fomba anatanterahana ny asa maneran-tany ka anohanana izany amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo. Farano amin’ny fampirisihana ny rehetra mba hampiasa ny foto-dresaka vaovao ity fizarana ity.

Hira 86 sy vavaka famaranana.

HERINANDRO MANOMBOKA NY 8 APRILY

Hira 51

5 min.: Filazana eo an-toerana sy Vaovao Teokratika.

15 min.: “Fomba fampiseho ny vaovao tsara — Mitondra vokany tsara kokoa ny fihainoana.” Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Rehefa mandinika ny fehintsoratra faha-4, dia manaova fampisehoana ny amin’ny tsy nahombiazan’ny mpitory iray, noho ny tsy nahaizany nanararaotra ny fahafahana tsara nananany hanaovana resadresaka mahafinaritra, tamin’ny tsy fahamailahany hanamarika ny fanazavana nomen’ilay olona niresahany ny amin’ny raharaha mahakasika azy manokana. Anontanio ny mpanatrika ny fomba tokony ho nitondrana izany. Aorian’izay, dia asaivo averin’ilay mpitory teo ihany ny fampisehoana, fa amin’ity indray mitoraka ity kosa, dia asehoy ny fomba mety hanaovana izany araka ny mety, amin’ny fanaovana resadresaka tsara amin’ilay olona.

25 min.: “Aoka isika hijinja arakaraka ny fiezahantsika manokana”. Lahateny sy dinidinika miorina amin’ny lahatsoratra fanampiny. Hataon’ny loholona iray. Manaova fampiharana an’ilay lahatsoratra eo an-toerana. Azo vakina araka ny hamelan’ny fotoana ireo fehintsoratra sy andininy voatonona.

Hira 51 (vaovao) sy vavaka famaranana.

HERINANDRO MANOMBOKA NY 15 APRILY

Hira 49

10 min.: Filazana eo an-toerana sy rapaoron’ny toe-bola. Ampidiro ao ny filazana fankasitrahana avy amin’ny Fikambanana noho ny fanohanana ara-bola ny asa maneran-tany. Derao ireo rahalahy noho ny fanohanany amim-pahalalahan-tanana amin’izay ilain’ny kongregasiona eo an-toerana.

15 min.: “Ampirisiho ny hafa mba hamaky Ny Tilikambo Fiambenana”. Lahateny hatao amin-kafanam-po harahina fanambarana fohy voaomana roa na telo avy amin’ny mpitory izay milaza ny antony ankasitrahany Ny Tilikambo Fiambenana sy ny fomba nandraisany soa tamin’ny famakiana azy tsy tapaka.

20min.: “Aoka hatomboka sy hofaranana ara-potoana ireo fivoriana”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Vakio ny fehintsoratra rehetra.

Hira 29 sy vavaka famaranana.

HERINANDRO MANOMBOKA NY 22 APRILY

Hira 99

10 min.: Filazana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ireo fandaharana ho amin’ny fanadiovana ny Efitrano Fanjakana. Ampio ireo rahalahy hankasitraka ny ilàna fiaraha-miasa mba hitanana ny toerana fanompoana an’i Jehovah ho madio. — Raha mila fanazavana fanampiny dia jereo ny lahatsoratra hoe “Manaja ny Efitrano Fanjakana misy anao ve ianao?” eo amin’ny pejy voalohany amin’ny Fanompoantsika ilay Fanjakana tamin’ny Septambra 1989.

15 min.: “Ampiasao amin’ny fomba tsara ireo zavatra vita an-tsoratra”. Hatao amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Manaova fampisehoana roa ny amin’ny fomba hamantarana raha liana amim-pahatsorana ilay tompon-trano alohan’ny hanolorana zavatra vita an-tsoratra eo am-baravarana.

10 min.: Ny asan’ireo mpandray olona. Adinadino ny rahalahy izay miandraikitra ny fandraisana olona. Resaho ny amin’ny andraikiny sy ny fomba azon’ny kongregasiona iaraha-miasa aminy. (Jereo ny boky Voalamina mba hanatanteraka tsara ny fanompoantsika, pejy faha-63 sy 64, ary Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana, tamin’ny Febroary 1990, pejy faha-4.) Lazao fa mety hampahatsiahy an’ireo ray aman-dreny indraindray ireny mpandray olona ireny, ny amin’ny ilàna hanaraha-maso ny fitabatabana ataon’ny zanany. Mijery izay tsy hampananosarotra sy ny filaminana ao amin’ny fivoriantsika koa ireo mpikarakara ny fandraisana olona, manisa an’ireo mpanatrika ary manampy ireo be taona sy kilemaina mba hahita toerana, sy ny sisa.

10 min.: Amin’ny fampiasana trakitra eo amin’ny fanompoana. Asehoy ny rahalahy ireo trakitra samy hafa misy sy ny fomba samy hafa azo ampiasana azy. Ampandraiso anjara ny mpanatrika amin’ny fanomezana fanazavana ny amin’ny fomba nampiasany ny trakitra ary angamba amin’ny fitantarana ny fanandraman-javatra sasany hitany. Noresahintsika ny fomba azo ampiasana ny trakitra mba hanombohana fampianarana ny Baiboly, tamin’ny Janoary. Tantarao ny fanandraman-javatra azo vokatr’izany. Jereo koa ny Index eo ambanin’ny lohateny hoe “Trakitra” mba hahitana fanandraman-javatra hafa tamin’ny fampiasana azy ireny.

Hira 48 sy vavaka famaranana.

HERINANDRO MANOMBOKA NY 29 APRILY

Hira 73

5 min.: Filazana eo an-toerana.

15 min.: Ampiasao amin’ny fomba voalanjalanja ny fotoana fialanao voly. Adinadino ny tanora maromaro ny amin’ny fialam-boliny. Ampiasao ireo hevitra avy ao amin’ny toko faha-35 ka hatramin’ny faha-37 amin’ilay boky hoe Les Jeunes s’interrogent. Afaka manontany toy izao ilay rahalahy manao ny fanadinadinana: Nahoana no tokony hifantina izay vakinao ianao? Ahoana no azonao ifidianana tsara ireo zavatra vakinao? Inona avy ireo vokany mety hanimba amin’ny fijerena televiziona, ary ahoana no azo ifehezana izany? Nahoana ianao no tsy mamoy na inona na inona amin’ny tsy fakana tahaka ireo tanora eo amin’izao tontolo izao? Nahoana no mampidi-doza ny fanahafana azy ireny? Inona avy ireo fomba sasantsasany hitanao mba hananana amin’ny fialam-boly mahasoa? Nahoana isika no tokony hahay handanjalanja amin’io lafiny io?

15 min: Mitoria isan-trano. Lahateny mafana sy mampahery miorina amin’ny Voalamina mba hanatanteraka ny fanompoantsika, pejy faha-84 ka hatramin’ny faha-87. Manaova fampiharana eo an-toerana, amin’ny fanintonana ny saina ho amin’ireo fandaharana noraisin’ny kongregasiona hanaovan’ny antokon’olona fanambarana isan-trano. Hamafiso ny mahazava-dehibe ny fampiofanana ireo mpitory vaovao mba hahazoany vokatra eny amin’ny fanompoana isan-trano.

10 min.: Diniho izay ilain’ny kongregasiona na lahateny hoe “Enfin le Gouvernement parfait!” ao amin’ny Reveillez-Vous! tamin’ny 22 desambra 1990, pejy faha-20 ka hatramin’ny faha-24.

Hira 34 sy vavaka famaranana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara