Afaho avy ao amin’ny haizina ho amin’ny mazava ny olona
1 Manarona ny tany ny haizina ara-panahy. (Isaia 60:2) Hatramin’ny nahalatsaka ny olombelona tao anatin’ny fahotana, i Satana, ‘ilay andriamanitr’ity fandehan-javatra ity’ dia mihazona ny olona ao anatin’ny haizina ara-panahy ary faharatsiam-pitondrantena no vokany. — 2 Kor. 4:4, MN.
2 Ankehitriny isika izay nohazavain’ny fahamarinana, moa ve isika mahatsapa fangorahana ny olona tahaka an’i Jesosy? (Matio 9:36) Raha eny, dia ho takatsika ny maha-zava-dehibe ny fanirahana nomeny ny apostoly Paoly mba ‘hampahiratra ny mason’ny olona hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava ary amin’ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra.’ — Asan’ny apostoly 26:16-18.
HAZAVAO IREO SAINA SY IREO FO
3 Hatramin’ny nanajamban’i Satana ny saina sy nanamafisany ny fon’ireo izay azony, inona no azontsika atao mba hanampiana azy ireo? Irintsika ny hanohina ny saina sy ny fon’izy ireny amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nivavaka mba hanazavana ny mason’ny sain’ireo Efesiana i Paoly. (Efes. 1:17, 18) Tsy misy na inona na inona mahery noho ny tenin’Andriamanitra mba hanohinana ny fo. (Heb. 4:12) Ny fahafantarana izany dia tokony hanosika antsika hampitombo ny fahaizantsika amin’ny fampiasana ny Baiboly rehefa miresaka amin’ny hafa.
4 Ny famaliantsika ireto fanontaniana manaraka ireto dia mety hanampy antsika hahomby kokoa amin’ny fanompoana. Miomana tsara ho amin’ny asa fanompoana ve isika? Moa ve isika manao fanazaran-tena mba ho zatra tsara amin’ny fampidiran-dresaka mba hanairana ny fahalianan’ireo tompon-trano? Moa ve isika manao fiezahana manokana mba hianatra ny foto-dresaka ary miezaka mampiasa izany? Moa ve isika miezaka amin’ny fahaiza-manjohy hevitra avy ao amin’ny Soratra masina eny amin’ny isan-trano? — Asa. 17:2.
FANAMPIANA IRAY NY TILIKAMBO FIAMBENANA
5 Nanampy olona an-tapitrisany maro hiala avy ao amin’ny haizina ho amin’ny mazava Ny Tilikambo Fiambenana. Asehony antsika ny hoe ahoana no hampiharana ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantenan’ny Baiboly, hahatakarana ny faminaniany momba ny androntsika, ary hahafantarana ny fivavahana marina sy ny diso mba handehanana amin’ny lalana ankasitrahan’i Jehovah.
6 Inona no fahamarinana ao amin’ny Baiboly tohanan’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Olona maro samihafa no ampiana hahazo famonjena noho ny fahalalana marina an’Andriamanitra sy ny Zanany. (Jaona 17:3; 1 Tim. 2:4, MN) Nanoratra toy izao ny mpamaky iray: ‘Toy inona ny fankasitrahako Ny Tilikambo Fiambenana. Ny lahatsoratra dia natao hanampy ny rehetra mba hahay hanavaka tsara ireo fotoana sy vanim-potoana izay diavintsika. Misaotra anareo indrindra noho ny fikarohana, ny fianarana ary ny asa goavana tamin’ny fanatontosana Ny Tilikambo Fiambenana, izay sakafo ara-panahy marina tokoa.’
MANEHOA FAHAIZA-MANAVAKA
7 Mandritra ity volana faharoa fanaovana famandrihana Ny Tilikambo Fiambenana ity, dia mila ny mitady ny fahafahana rehetra isika mba hanafahana ny olona avy ao amin’ny haizina ho amin’ny mazava. Ny fifanakalozan-kevitra ara-baiboly amin’ireo olona hitantsika eny amin’ny isan-trano no manampy antsika hanao izany. Rehefa mahita olona maneho fahalianana marina amin’ny hafatr’ilay Fanjakana isika, dia azontsika aseho ny soa azo amin’ny famakiana tsy tapaka Ny Tilikambo Fiambenana. Raha toa ilay tompon-trano ka efa mahafantatra tsara ilay gazety ary mankasitraka azy io, dia mety ny hanontanianao azy raha toa ka ho tiany ny hanao famandrihana. Mety hirinao ny hanombohan’ilay mpamandrika vaovao amin’ny famandrihana enim-bolana raha izany no toa mety amin’io fotoana io. Amin’ny fotoana hanohizanao ny fitsidihana mba hanolokoloana ny fahalianan’ilay olona, dia afaka mamantatra ianao na tokony hohavaozina ilay famandrihana na tsia.
8 Amin’ny fandehanantsika eny amin’ny isan-trano, amin’ny fanambarana eny amin’ny arabe, na amin’ny fitoriana tsy ara-potoana amin’ireo mpiara-miasa, mpiara-mianatra, ary amin’ireo havana, dia mandray anjara amin’ny fampielezana ny fahamarinana izay mety hanafaka ny olona isika. (Jaona 8:32) Ny Tilikambo Fiambenana dia fitaovana manokana iray izay afaka hanampy azy ireo hahita fahafahana sy hahatakatra ny amin’ny fanantenana fiainana mandrakizay, hanafaka azy ireo avy ao amin’ny haizina ho amin’ny mazava.