FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/91 p. 3
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Fomba Itoriana ny Vaovao Tsara
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Mahafaly ny Fiarahan’ny Fiangonana Mitory
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Aoka Hihamatanjaka ny Fiangonana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
km 5/91 p. 3

Valin’ny Fanontanianareo

● Nahoana no toroana hevitra ny mpitory mba hiasa miaraka amin’ny kongregasiona izay manana ny faritany manodidina ny fonenany?

Zava-dehibe ny fanaovan-javatra amin’ny fomba milamina sy teokratika. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana [fikorontanana, MN], fa tompon’ny fiadanana. (...) Aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana”. — 1 Kor. 14:33, 40.

Raha esorina ny antony sasany noho ny fahasahiranana ny amin’ny fitaterana, ny fandaharam-potoana amin’ny asa ivelan’ny fivavahana, na ny ilana fanampiana amin’ny fiandraiketana, dia tsara, amin’ny ankapobeny, ny miaraka amin’ny kongregasiona izay manana ny faritaniny eo amin’izay onenantsika. Mahatonga ny asa fitoriana ho mora azo atao kokoa izany, ary tsy mila ny mandeha lavitra isika mba hiarahana miasa amin’ny antokon’olona ivelan’ny toerana akaikin’ny fonenantsika. Mametraka antsika ho amin’ny toerana tsara kokoa izany mba hiarahana miasa amin’ny hafa ao amin’ny kongregasiona misy antsika, ary hitarihana ireo olona liana vao haingana ho amin’ireo fivoriana mora hatrehiny indrindra. Ary mihazona antsika ao amin’ny fifandraisana akaiky amin’ireo rahalahy sy anabavintsika eny amin’ny manodidina antsika, izay afaka manampy antsika amin’ny fotoan-tsarotra, izany.

Amin’ny fiasana amim-panetren-tena ao anatin’ny faritr’ireo fandaharana noraisina, dia hampiseho fa mametraka hatrany ny tombontsoan’ilay Fanjakana amin’ny toerana voalohany isika. (Lioka 16:10) Rehefa miforona ny kongregasiona vaovao iray, na amboarina indray ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona, dia mety ho tiantsika kokoa ny hijanona miaraka amin’ny namana sasany. Kanefa, amin’ny fanekena ny fandaharana vaovao, dia afaka ny hahazo namana vaovao isika, ka hihamalalaka amin’ny fikambanantsika teokratika. Ho mora kokoa ho an’ny loholona koa ny miandry ny andian’ondry sady manatsara ny toe-piainana ara-panahin’ny kongregasiona, rehefa monina ao anatin’ny faritanin’ny kongregasiona izay ikambanany ireo mpitory.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara