FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/91 p. 4
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • Mitondra Soa ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Toromarika ho An’ny Mpiandraikitra ny Sekoly
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Sekoly Mampiofana Antsika Hanao ny Zava-dehibe Indrindra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Sekoly Iray Mahomby Izay Misy Maneran-tany
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
km 6/91 p. 4

Valin’ny Fanontanianareo

● Isaky ny hafiriana ireo mpianatra no tokony homena anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika?

Iray amin’ireo zava-kendren’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika lehibe indrindra dia ny hampandroso ireo mpandahateny ampahibemaso. Ho an’izay antony izay, ny fandaharan’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika dia nomanina ho an’ny ankamaroan’ireo lahateny natokana ho an’ireo rahalahy.

Na dia izany aza, ny iray hafa koa amin’ny zava-kendrena lehibe amin’ny Sekoly dia ny hanomana ireo vahoakan’i Jehovah rehetra ho tonga mpitory mahavokatra sy ho mpampianatra eo amin’ny fanompoana kristiana. Noho io antony io, dia mety ho an’ireo anabavy ny misoratra anarana koa.

Mba handraisan-tsoa feno amin’ny Sekoly, ireo nisoratra anarana dia tokony hahazo tsy tapaka ny taratasy fanomezana anjara. Ampahatsiahivina fa ny mpianatra tsirairay dia handray anjara, fara fahakeliny indray mandeha isaky ny telo volana. Raha mamela ny toe-javatra eo an-toerana, dia azo atao ny manome fanendrena fanampiny an’ireo rahalahy. Tsy ilaina ho an’ireo loholona izay manome toromarika tsy tapaka momba ny lahateny, sy fanazavana ny hevi-dehibe ao amin’ny Baiboly ny hotendrena ho mpianatra hanao lahateny koa.

Nandritra ny efa ho antsasaky ny taonjato, ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika dia nanampy olona an-tapitrisany maro hanao fandrosoana ara-panahy sy hianatra ny hoe ahoana no hilazan’izy ireo hevitra amin’ny fomba tsaratsara kokoa rehefa manambara ny hafatra momba ilay Fanjakana.

Ampirisihina ny rehetra mba hampiasa amin’ny fomba feno io fandaharana mahatalanjona avy amin’i Jehovah Andriamanitra io. Ny zava-kendrentsika dia tokony ho ny hanolotra ny tenantsika mba hankasitrahan’Andriamanitra, ho mpiasa “tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.” — 2 Tim. 2:15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara