Derao amin’ny fomba feno araka izay azo atao ny anaran’Andriamanitra
1 Toy inona moa ny fifaliantsika noho ireo fitahiana maro avy amin’i Jehovah! Teto Madagasikara, nandritra iny taom-piasana iny, dia nisy tampon’isa vaovao teo amin’ny mpitory tsotra, mpitory maharitra ary fampianarana Baiboly. Nisy mpitory an’arivony maro nanatrika fivoriamben’ny distrika manokana tany amin’ny tany samihafa, ary isika rehetra dia samy nandray soa tamin’ny sakafo ara-panahy tondraka naroso tany amin’ireo fandaharana tsara dia tsaran’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany sy andro fivoriambe manokana natrehintsika. Nahazo fitahiana maro hafa koa isika.
2 Ahoana no hahafahantsika hampiseho ny fankasitrahantsika noho izay rehetra ataon’i Jehovah ho antsika? Afaka manao izany isika amin’ny fiderana ny anaran’Andriamanitra amin’ny fomba feno araka izay azontsika atao! — Sal. 145:21.
AZA MITSAHATRA MIDERA NY ANARAN’ANDRIAMANITRA
3 Ahoana no hahafahantsika hidera ny anaran’i Jehovah amin’ny fomba feno araka izay azo atao mandritra ny volana Aogositra? Hanohy hampisongadina ireo bokikely mitovy velarana amin’ny gazety isika. Amin’ny fiomanana amim-pitandremana sy amin’ny fitondrana karazana bokikely samy hafa miaraka amintsika eny amin’ny saha fanompoana, dia ho ampy fitaovana isika mba hiderana an’i Jehovah ary angamba mba hanampiana ny hafa hianatra ny fomba hahafahan’izy ireo koa hidera azy.
4 Ny foto-dresaka dia hoe: “Tontolo vaovao iray — Amin’ny alalan’iza?” Azontsika atao ny manomana fampidiran-dresaka mifanentana tsara mifototra amin’izay omena eo amin’ny pejy faha-9 ka hatramin’ny faha-15 ao amin’ny boky Comment raisonner. Misy tompon-trano vonona ny hiara-miresaka aminao momba izay lazain’ireo filoha eo amin’izao tontolo izao ny amin’ireo fanantenana misy amin’izao fotoana izao hanatsarana ity tontolo ity. Na dia velom-paniriana hahita toe-piainana feno fiadanana aza ny ankamaroan’ny olona, ny Jeremia 10:23 dia mampiseho fa tsy afaka mandamina ny zava-manahirana azy manokana ny olona. Manome toky ny mahafantatra fa hahomby ny fampanantenan’Andriamanitra hanao zavatra momba ireo toe-piainana misy eo amin’izao tontolo izao. Izany fampanantenana izany dia hita ao amin’ny 2 Petera 3:13. Raha hita ho tena liana marina ilay tompon-trano, dia atolory azy ny bokikely iray mifanentana tsara.
MANAOVA FIOMANANA TSARA
5 Zava-dehibe dia lehibe ny fiomanana raha tiantsika ny hahazo vokatra tsara rehefa mampianatra ny hafa isika. Nahoana ianao raha miara-miomana amin’ireo mpianakavinao hafa, amin’ilay nampianatra anao ny fahamarinana, na amin’ny iray ao amin’ny fianarana ny boky misy anao? Amin’ny fanaovana famerenana ny fampisehoanao, dia hatoky tena kokoa ianao ary hampiseho ny fieken’ny tenanao manokana rehefa miresaka amin’ireo olona ao amin’ny faritaninao.
6 Tokony hanome taratry ny fiheverantsika ny olona ny fampisehoantsika. Asongadino ny fampanantenana ao amin’ny Baiboly ny amin’ny tontolo vaovao iray mba hanomezana fanantenana an’ireo ketraka sy kivy. Rehefa manaiky ilay bokikely ilay tompon-trano, dia azonao atao ny manao fampisehoana ny amin’ny fandaharana fampianarana Baiboly ataontsika. Na azonao atao koa ny manapa-kevitra fa hety kokoa ny hanaovana izany amin’ny fiverenana mitsidika manaraka.
7 Eo am-panatonantsika ny faran’ity taom-piasana manan-tantara ity, toy inona moa ny fifaliana mandray fitahiana be dia be aoka izany avy amin’i Jehovah! Enga anie isika rehetra hanararaotra ity volana farany amin’ny taom-piasana 1991 ity mba hiderana ny anaran’i Jehovah amin’ny fomba feno araka izay azo atao eo am-piandrasana amim-panantenana ny hanompo an’i Jehovah mandrakizay ao amin’ny tontolony vaovao.