Fampandrenesana
● Zavatra hatolotra amin’ny Aogositra: Ireo bokikely 32 pejy rehetra afa-tsy ny bokikely “Sekoly”. Septambra: Ny boky Tsy mahay mandainga amin’ny sarany 450 FMG, na ny boky Fiadanana sy filaminana amin’ny sarany 300 FMG. Azo atao ny manolotra azy roa miaraka amin’ny sarany 750 FMG. Oktobra: Famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana na Réveillez-vous! na amin’izy roa miaraka.
● Izay rehetra mifandray amin’ny kongregasiona dia tokony hanao ny fanavaozany ny famandrihany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! amin’ny alalan’ny kongregasiona. Hitondra fanampiana ny fanaovana fangatahana zavatra vita an-tsoratra sy zavatra hafa amin’ny alalan’ny kongregasiona toy izay amin’ny fandefasan’ny isam-batan’olona izany any amin’ny Fikambanana.
● Haharay taratasy “Filazana ny isan’ny zavatra vita an-tsoratra” telo ny kongregasiona tsirairay avy, ary tokony hanisa marina ireo zavatra vita an-tsoratra ampiasaina eny amin’ny asa fanompoana. Fenoy tanteraka aza fady ireo taratasy ireo, ary alefaso atỳ aminay alohan’ny 6 Septambra 1991 ny voalohany (originale). Tazony ao amin’ny antontan-taratasinareo ny kopia (carbone) iray. Ny taratasy fahatelo dia alefanay mba hampiasainareo hanoratana ho fanandramana.
● Hisy fandaharana ho an’ny fivoriana momba ny asa isan-kerinandro amin’ny Septambra ao amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana. Azon’ireo kongregasiona atao ny manao fanitsiana araka ny ilàna azy mba hahafahana manatrika ny fivoriamben’ny distrika, ary avy eo hanao ny famerenana ireo hevi-dehibe tamin’izany mandritra ny 30 minitra amin’ny Fivoriana momba ny asa ny herinandro manaraka azy io. Azo atao ny manendry mialoha rahalahy mahafeno fepetra roa na telo izay hahay hifantoka amin’ireo hevitra fototra. Io famerenana voaomana tsara io dia hanampy ireo rahalahy hahatadidy ireo hevitra fototra ho an’ny fampiharan’ny tenany manokana izany ary ny fampiasana azy ireo eny amin’ny asa fanompoana. Tokony ho fohy sady tsy hilaza afa-tsy ny hevi-dehibe ireo valinteny avy amin’ny mpanatrika sy fitantarana zava-nitranga.
● Tahiry ao amin’ny Sampana: Hiaina mandrakizay; Ny Anaran’Andriamanitra; Ny Fahatanoranao...; Les Jeunes s’interrogent.
● Fanitsiana: Aza fady mba ampidiro ao amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana volana Jona 1991 ireto fanitsiana manaraka ireto:
Ao amin’ny lahatsoratra hoe “Aoka isika hanatanteraka ny fanompoantsika ilay Fanjakana eny amin’ny saha fitoriana”, eo amin’ny pejy faha-3, ny fehezanteny roa farany amin’ny fehintsoratra faha-2 hoe: “Ho tianao ve ny hanazava hevitra iray amin’ny mpivady momba ny fanandraman-javatra tsara? Mety ho hitanao ao anatin’ny fotoana fohy izay ilainao (...)” dia tokony hosoloana amin’ny fehezanteny hoe: “Ho tianao ve ny hanazava hevitra iray amin’ny alalan’ny fanandraman-javatra tsara vitsivitsy?
Mety hahita izay ilainao indrindra ianao (...)”.
Ao amin’ny “Vaovao teokratika” eo amin’ny pejy faha-3, ny fehezanteny voalohany hoe: “Narodan’i Brezila ny tampon’isan’ny mpitoriny maherin’ny 8 000 tamin’ny Jolay 1990, amin’ny tampon’isa vaovao 302 220 tamin’ny Janoary” dia tokony hosoloana amin’ny fehezanteny hoe: “Narodan’i Brezila ny tampon’isan’ny mpitoriny tamin’ny Jolay 1 990, ka nahatratra tampon’isan’ny mpitory vaovao 302 220 izy ireo tamin’ny Janoary teo, izany hoe nitombo 8 000 mahery ny isan’ny mpitory.”
Aza fady mba ampidiro ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 May 1991 izao fanitsiana izao: p. 22, § 12, andalana faha-7: “mety ny manaiky fankalazana” dia tokony hosoloana hoe: “mety ny manaiky fanomezam-boninahitra”.