Ny fandaharana momba ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona
Fizarana faha-2: Ilaina ny manomana sy mandray anjara
1 Ny Tenin’i Jehovah dia manambara fa sambatra ny olona mahita fahendrena sy mahazo fahalalana, satria lehibe dia lehibe ny valisoa. (Ohab. 3:13, 14, 16-18). Sarobidy sady mamonjy aina ny fahendrena ara-panahy. Noho ny fananana azy io dia afaka mampiasa amin’ny fomba mandaitra ny fahalalana azony avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ny Kristiana iray eo amin’ny fanompoana amim-paharisihana, mba handaminana ireo zava-manahirana miseho isan’andro, ary mba hanaovana fanapahan-kevitra momba ireo zava-kendreny eo amin’ny fiainany.
2 Ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona dia natao mba hanampiana antsika hianatra sy hampihatra ny Tenin’Andriamanitra, ka amin’izany dia hitombo amin’ny fahendrena sy ny fahatakarana ara-panahy. Noho izany, ny fanatrehana tsy tapaka ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona àry dia tokony ho tapany iray ilaina mahaforona ny fandaharana ataon’ny tenantsika manokana mba hahazoana fahendrena. — Ohab. 4:7-9.
MANAOVA FANOMANANA LALINA
3 Tsy nikely aina fatratra mba hianatra ny fahamarinana sy hanaraka ny fandroson’ny fahazavana ny sasany tamin’ireo nifanerasera tamin’ny kongregasiona tamin’ny taonjato voalohany. Nitoetra ho zaza bodo raha ny amin’i Kristy izy ireo ka tsy zatra tamin’ny tenin’ny fahamarinana. (Heb. 5:11-13). Nampirisika azy ireo mba “handroso haingana ho amin’ny fahamatorana” ny apostoly Paoly. (Heb. 6:1, MN). Mazava ho azy fa mitaky mihoatra noho ny fihainoana tsy amim-pitandremana loatra izay resahin’ny hafa momba ny fahamarinana izany. Takina ny fisainana sy ny fikarohana mba hanairana “ny fahaizana misaina mazava”, ary tsy maintsy mikely aina fatratra isika. — 2 Pet. 3:1, 2, MN; Lioka 13:24, MN.
4 Ny fanomanana lalina ho amin’ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona dia mampitombo ny fahatakarantsika ary manorina fankasitrahana ilay zavatra ianarana. Mitaky mihoatra noho ny famakiana ireo fehintsoratra sy fanipihana haingana ireo valinteny fototra ho an’ireo fanontaniana anefa ny fanomanana mandaitra. Mila fotoana isika mba hahazoana ny tsiron’ilay zavatra ianarana amin’ny fisaintsainana momba ny dikany sy ny vidiny ho an’ny tenantsika manokana. Vakio ireo andinin-teny voalaza fa tsy voasoratra ary eritrereto ny fomba ifandraisany amin’ireo hevitra ao amin’ireo fehintsoratra. Jereo ireo teny tsy azonao amin’ny fomba feno.
5 Ho an’ny sasany amintsika, dia mety ho mafy ny fianarana manokana, ary tena maka fotoana tokoa; kanefa, endrey ny vokatsoa entiny! Notondroin’i Paoly ny vokatry ny fianarana atao fatratra toy izany tamin’ny filazana hoe: “Fa ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.” (Heb. 5:14). Ny fianarana manokana toy izany dia manampy antsika handroso ho amin’ny fahamatorana, hany ka afaka mamantatra ny lalana tsara tokony harahina isika rehefa tsy maintsy manao fanapahan-kevitra.
MANDRAISA ANJARA
6 Tokony hiezaka mafy isika mba handray anjara amin’ny fivoriana tsirairay avy. Nahoana? Tsy vitan’ny hoe fanehoana ny finoantsika fotsiny ny valinteny voaomana tsara omentsika fa mampirisika sy mampahery ny rahalahintsika koa. (Rom. 10:10; Heb. 10:23-25, MN). Manana anjara asa lehibe eo amin’ny fitomboantsika ara-panahy koa ny fandraisantsika anjara amin’ny fianarana ny bokin’ny Kongregasiona. Raha samy manome valinteny amim-pahalalahana avokoa ireo efa za-draharaha, ireo ankizy ary koa ireo olona vao liana, dia ho faly noho ny karazana valinteny maro samy hafa ilay fianarana ny boky. Mitondra fampianarana sy famelombelombana ho an’ny rehetra izany. — kmMG 4/86 p. 4.
7 Raha manomana ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona amim-pitandremana isika, manatrika izany tsy tapaka ary mandray anjara amim-pahalalahana, dia hahomby ny fikatsahantsika fahendrena ary ‘ho hitantsika ny fahalalana an’Andriamanitra’. — Ohab. 2:4, 5.