Fomba fampiseho ny Vaovao Tsara — Eny amin’ny faritany voasa matetika
1 Manolotra zava-tsarotra manokana tsy maintsy resena ny fitoriana amin’ny faritany voasa matetika. Ahoana no hihazonanao ilay hafatra ho vaovao sy manintona? Fanombohan-dresaka inona no tokony hatao amin’ireo izay toa nanapa-kevitra fa tena tsy liana mihitsy ny tenany? Inona no azo lazaina amin’ireo izay milaza fa mitsidika azy matetika loatra isika?
AOKA IANAO HANANA FIHEVERANA MANORINA
2 Mifanohitra amin’izay mety hoheverin’ny sasany, ny faritany voasa matetika sy amin’ny fomba feno mazàna dia mitondra vokatra tsara kokoa noho ireo izay tsy dia tsidihintsika matetika loatra. Koa ny iray amin’ireo zava-tsarotra tsy maintsy resena àry dia izay fihevitra tsy manorina rehetra momba ny fitsidihana tsy tapaka varavarana mitovy ihany. Mila ny homena ny fahafahana rehetra mba handre ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona. Fahadisoana avy amintsika ny manatsoaka hevitra fa notsarain’i Jehovah ho tsy mendrika ireo izay tsy namaly tamim-pankasitrahana na dia nitsidika azy ireo imbetsaka aza isika.
3 Ny fampisehoana fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa dia zava-dehibe indrindra eny amin’ny faritany voasa matetika. Ny fananantsika hafatra voafaritra tsara izay mifandray amin’izay mahakasika ireo olona eo amin’ny manodidina azy eo an-toerana dia azo inoana fa hiteraka fihetsika manorina eo amin’ny olona sasany izay tsy hihaino raha tsy izany. Moa ve ianao manaraka tsara ireo zava-niseho faramparany, ary moa ve ianao niomana mba hampiseho hoe amin’ny ahoana ny hafatra ao amin’ny Baiboly no afaka manampy ny olona amin’ireo zava-manahirana atrehiny?
OVAOVAO NY FANOMBOHAN-DRESAKA
4 Ovaovao ny fanombohan-dresakao eny amin’ny faritany voasa matetika. Amin’ny fotoana iray ianao dia afaka mampiasa taratasy mivalona iray eo amin’ny fampidiran-dresakao. Amin’ny fotoana hafa, dia azo raisina ho môdely ny iray amin’ireo fampidiran-dresaka maherin’ny 40 atolotra eo amin’ny pejy faha-9 ka hatramin’ny faha-15 ao amin’ny boky Comment raisonner, mba hiresahana ny amin’ny fiahian’ny olona eo an-toerana. Mety haniry hanisy fitenenana ny amin’ny fitsidihanao farany teo amin’ny manodidina mihitsy aza ianao, ka hampihena amin’izany ny mety hampiasana azy io ho fototry ny fanoherana. Raha nandray an-tsoratra ny teny nisy heviny nataon’ilay tompon-trano nandritra ny fitsidihanao farany ianao, dia azonao ampiasaina izany ho toy ny fitarihana ho amin’ny fifampiresahana manaitra fahalianana fanampiny.
5 Hevero araka ny fomba fihevitr’i Jehovah azy ireo ny olona, ary aza mitsahatra mampiseho fiheverana an’ireo izay nety ho nilaza tamintsika fa tena tsy liana mihitsy ny tenany. I Jehovah dia niangavy ny vahoakany fahizay imbetsaka na dia teo aza ny tsy firaikan’izy ireo teo anoloan’ireo mpitondra hafany. (2 Tant. 36:15; Jer. 7:13). Olona maro izay nihevitra taloha fa tsy liana ny tenany, no rahalahintsika sy anabavintsika amin’izao andro izao. Nisy mpanohitra mpankahala indrindra aza nanjary nanaiky ny fahamarinana. Velom-pankasitrahana ireo olona ireo ankehitriny satria nisy olona nanohy nitsidika azy ireo tamim-paharetana tamin’ny alalan’ny vaovao tsara.
MANÀNA FANDRAISANA AN-TSORATRA TSARA
6 Zava-dehibe indrindra ny hananana Fandraisana an-tsoratra isan-trano tsara. Ny fiverenana mba hitsidika ireo izay tsy tratra tao an-trano dia hanome antoka ny fiasana ny faritany amin’ny fomba feno sady amin’izay dia ho lava kokoa ny fotoana lasa alohan’ny hitsidihana indray ireo izay tratra tao an-trano. Nisy nahita koa fa mety ny mifanakalo Fandraisana an-tsoratra isan-trano misy ireo tsy tratra ao an-trano rehefa mitory ao anatin’ny herinandro izy ireo amin’ny an’ireo izay miasa ny faritany amin’ny faran’ny herinandro. Izany dia manovaova amin’ny fomba mandaitra ny fotoana itsidihana ireo olona ary mampitombo ny fahafahana hahita ireo izay tsy ao foana amin’ny fotoana sasany amin’ny andro sy amin’ny andro sasany amin’ny herinandro. Misy fanoloran-kevitra fanampiny hita ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Oktobra 1988, p. 15-20.
7 Fantatr’i Jehovah hoe rahoviana no ho ampy ny ezaka natao mba hanatratrarana ireo rehetra hihaino. Eo ambany fitarihan’i Kristy, dia hanohy hankatò azy isika, matoky fa ho vita amin’ny fotoana nomena ilay asa. — Ezek. 9:11.