Ireo fivoriana momba ny asa amin’ny Novambra
Herinandron’ny 4 Novambra
Hira 100, Hira 9
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana. Asongadino ireo lahatsoratra ao amin’ireo gazety farany izay azo ampiasaina eo amin’ny asa fizarana gazety amin’izao asabotsy izao.
20 min: “Ampiasao amim-pahakingana ny Tenin’ny fahamarinana”. Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Asongadino ny ilàna hampiasana ny Baiboly eo amin’ny asa isan-trano. Rehefa avy mandinika ny fehintsoratra faha-5, dia asehoy amin’ny alalan’ny fampisehoana ilay fanoloran-kevitra omena.
15 min: “Ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao — Lalina sady azo antoka”. Famelabelarana ilay lahatsoratra hita ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jona 1991.
Herinandron’ny 11 Novambra
Hira 42 (vaovao), Hira 23
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampirisiho ny fanaovana ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy amin’ny volana Desambra.
25 min: “Fomba fampiseho ny Vaovao tsara — Amin’ny fanolorana fampianarana Baiboly any an-tokantrano”. Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Asao ny mpitory za-draharaha iray hampiseho ny fomba ahafahana manomboka fampianarana Baiboly amin’ny olona iray nampiseho fahalianana tamin’ilay boky natolotra. Ampirisiho ireo rahalahy hanolokolo izay fahalianana rehetra hitany, na nisy zavatra voapetraka na tsia.
10 min: Diniho ny foto-dresaka ary manaova fampisehoana iray ny amin’ny fampiasana ny zavatra atolotra amin’ny volana.
Herinandron’ny 18 Novambra
Hira 104, Hira 19
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana, filazana momba ny toe-bola ary famakiana ny fisaoran’ny Fikambanana noho ny fanomezana natao. Anaovy teny fiderana ireo rahalahy noho ny fandraisany anjara tamin’izany fanomezana izany.
20 min: “Ny fandaharana amin’ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona — Fizarana faha-5”. Famelabelarana ilay lahatsoratra tarihin’ny mpiandraikitra ny asa. Anontanio raha misy nandray soa avy amin’io fandaharana io, na manadinadìna iray na roa izay nahazo fanampiana avy amin’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny asa.
15 min: Ireo zavatra ilaina eo an-toerana na “Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana”. Lahateny. Makà fanandraman-javatra hita ao amin’io lahatsoratra avy amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana io izay mampiseho ny vokatra mahery entin’ny Baiboly eo amin’ny fiainan’ny olona. Azo atao ny mampiditra ny fitantarana ao amin’ny nomerao tamin’ny 1 Jolay 1991.
Herinandron’ny 25 Novambra
Hira 46 (vaovao), Hira 118
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao teokratika. Ampirisiho ny rehetra handray anjara amin’ny asa fanompoana amin’ny alahady 1 Desambra. Ampahatsiahivo ireo rahalahy mba haka boky Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany ilainy amin’ny asa fanompoana.
20 min: “Aoka ianao hanao ny asa fanompoana amin’ny fanahinao rehetra — Fizarana faha-5”. Fandinihana ilay lahatsoratra famaranana ilay fitohitohizan-dahatsoratra atao amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Ampirisiho amin-kafanam-po ny rehetra mba hanaraka ireo fanoloran-kevitra nomena. Raha mamela hanao izany ny fotoana, dia asio fanadinadinana mpitory tsotra na mpitory maharitra be zotom-po izay afaka hitantara ireo soa azon’ny tenany manokana amin’ny fandraisana anjara feno amin’ny fanompoana.
15 min: Fanolorana ilay boky vaovao, Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany. Manaova fampisehoana voaomana tsara momba izao manaraka izao: Rehefa avy nampahafantatra ny tenany ilay mpitory dia afaka milaza hoe: “Raha manontany isika hoe iza no lehilahy niavaka indrindra teto an-tany, dia hahazo karazana valinteny isan-karazany. Amin’ireo olona rehetra teo amin’ny tantara nantsoina hoe lehibe, dia tsy nisy na dia iray aza nanova ny fiainan’ny olona maro be aoka izany ary tamin’ny fomba nahery aoka izany toa an’i Jesosy Kristy. Ny ohatra navelany dia ohatra izay tsara ny hanahafantsika azy. Jereo izay nolazain’i Petera mpianany momba azy. [Vakio 1 Petera 2:21.] Ny tenan’i Jesosy mihitsy dia nilaza mazava tsara ny antony maha-zava-dehibe ny hankatoavantsika azy. Amin’ny alalan’i Jesosy ihany no anolorana ny fanompoam-pivavahana marina amin’ny Ray, araka ny nolazainy ao amin’ny Jaona 14:6. [Vakio.] Firy ny zavatra fantatsika momba an’i Jesosy olombelona? Inona no nampianariny? Nanao ahoana ny fomba fiainany sy ny fitondrany ny hafa? Ity boky hoe Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany ity dia hamaly ireo fanontaniana ireo sy ny maro hafa koa.” Asehoy ireo zavatra misongadina ao amin’ilay boky. Raha mampiseho fahalianana amim-pahatsorana ilay olona, dia azonao atao ny milaza hoe: “Tiako ny hanolotra anao ity boky ity izay fantatro fa ho tianao. Raha maniry ny hamaky azy ianao, dia azonao atao ny hahazo azy ity.” Rehefa mampiseho ilay boky amin’ilay tompon-trano ianao, dia mampisehoa iray na roa amin’ireo fakàn-teny hita ao amin’ny fampidiran-dresaka, toy ny an’i H. G. Wells sy ny an’i Napoléon. Asehoy ireo sary miloko tsara tarehy maro be, toy ireo ao amin’ny toko faha-26 sy faha-44. Mety hanohina ny fon’ilay tompon-trano koa ny fahalalana fa efa navoaka tamin’ny fiteny maro ny boky Lehilahy niavaka indrindra.