Valin’ireo fanontanianareo
◼ Ahoana no azon’ireo mpanatrika ny fanaovana batisa anehoana ny fifaliany?
Fotoam-pifaliana ny fanaovana batisa. Ravoravo isika mahita ireo vaovao miandany amin’i Jehovah, ka mampiseho ny finoany ampahibemaso. (Sal. 40:8). Nilaza i Jesosy fa izany dia antony miteraka fifaliana lehibe any an-danitra. (Lioka 15:10, MN). Ireo mpianakavy sy mpitory niara-nianatra tamin’ireo atao batisa dia mahatsiaro fifaliana manokana mahita ireo vaovao manao io dingana tsy maintsy atao io. Amin’ny fomba ahoana anefa no azo anehoana amin’ny fomba mety izany fifaliana izany?
Ny batisan’i Jesosy dia namela ny ohatra ho an’ny batisa kristiana amin’izao andro izao. Takany fa dingana feno fahamaotinana sy haja amam-boninahitra io hataony io. Nivavaka izy teo am-panaovana batisa azy. (Lioka 3:21, 22). Fantany fa ny batisa dia fotoana fanaovana fisaintsainana sy fieritreretana feno fahatoniana. Taorian’ny nandatsahana ny fanahy masina tamin’ny andro Pentekosta taona 33 am.fan.ir., dia nisy 3 000 teo ho eo natao batisa. Nanao ahoana ny fihetsik’ireo mpianatra nanatrika izany fisehoan-javatra izany? “Izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo [fiaraha-nisakafo, MN] ary ny fivavahana.” Nisaintsaina momba ny zavatra ara-panahy ireo mpianatra ary nifaneho fahaiza-mampiantrano vahiny.
Anisan’ny toetra mampiavaka ireo fivoriambe kristiana amin’ny andro ankehitriny ny batisa. Azo antoka fa tena mety tokoa ny hanehoantsika ny fifaliantsika amin’ny alalan’ny fitehafana sy fiarahabana rehefa mahita olona miandany amin’i Jehovah isika. Etsy an-danin’izany kosa dia tsy hety ny fampisehoana fihobiana, fisiahana, fanofahofana tanana ambonin’ny loha na fiantsoantsoana anarana amin’ny fomba tsy voafehy. Mampiseho tsy fahampiana fahatakarana ny maha-maotina sy masina io fanehoam-pinoana io ny fitondrantena toy izany. Ary tsy ho fotoana hety ho an’ny fampideraderana fanolorana voninkazo na fanomezana hafa ho an’ireo atao batisa mivoaka avy ao anaty rano koa izany. Manamarika ny fiandohan’ny hazakazaka kristiana ho amin’ny fahazoana famonjena ny batisa. Afaka mifaly isika ary hampahery ireo izay atao batisa amin’ny fanampiana azy ireo hankasitraka ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah izay atolotry ny batisa azy ireo.
Ny toerana fanaovana batisa dia tsy hety ho an’ny fanaovana vosobosotra, filalaovana, filomanosana na fitondrantena hafa izay hanala ny maha-maotina ilay fotoana. Tokony haseho amin’ny fomba mendri-kaja ny fifaliantsika. Hampitombo ny fifalian’ny rehetra manatrika ny filaminana sy fahamaotinana asehontsika.