Vaovao Teokratika
Ghana: Nesorina izao ny fameperana nihatra tamin’ny asantsika any amin’io tany io. Izany dia nitondra fifaliana lehibe ho an’ireo rahalahy, satria misokatra indray izao ireo Efitrano Fanjakanan’izy ireo sady nomena azy ireo ny lalana hangataka fanoratana anarana ara-dalàna eo ambany lalàna manan-kery eo an-toerana.
Libéria: Taorian’ny volana maro nihidiany noho ny ady an-trano nitranga tany Libéria, dia nosokafana indray ny biraon’ny sampana any. Nisy misionera efatra izao niverina any mba hiasa ao amin’ny sampana, ary faly ireo rahalahy afaka mifanerasera amin-kalalahana.
Etiopia: Nanome fanekena ofisialy ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny maha-fandaminana voasoratra ara-dalàna azy, ny fitondram-panjakana etiopiana. Faly ireo rahalahy noho io fanekena azy ara-dalàna io ary mandroso eo amin’ny asan’ilay Fanjakana. Mahazo zavatra vita an-tsoratra izy ireo, ary manao fivoriambe.