Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Febroary: Fitambarana boky roa amin’ny sarany 600 FMG, voaforon’ny roa amin’ireto boky manaraka ireto: Tsy mahay mandainga, Fiadanana sy filaminana ary Fahamarinana. Rehefa tapitra ireo ao amin’ny tahirin’ny kongregasiona, dia afaka mampiasa ny boky Vaovao tsara sy Ho tonga anie ny Fanjakanao! amin’ny sarany 600 FMG ny fitambaran’ny boky roa, isika. Martsa: Ny boky Les jeunes s’interrogent amin’ny sarany 1200 FMG, na ny boky Ny fahatanoranao amin’ny sarany 800 FMG. Aprily sy may: Famandrihana amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana.
◼ Tokony hanafatra ireo boky Les jeunes s’interrogent sy Ny fahatanoranao dieny izao ho amin’ny fanolorana manokana amin’ny volana Martsa, ireo kongregasiona.
◼ Tokony handinika ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona rehetra ny mpitantsoratra sy ny mpiandraikitra ny asa. Raha misy amin’izy ireo tsy mahafeno ny ora takina, dia tokony hanao fandaharana ireo loholona mba hanomezana fanampiana azy. Ho fanoloran-kevitra, dia diniho ireo taratasin’ny Fikambanana (S-201) tamin’ny 1 Oktobra 1991 sy tamin’ny 1 Oktobra 1990. Ary jereo koa ireo fehintsoratra faha-12 ka hatramin’ny faha-20 amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana tamin’ny Oktobra 1986.
◼ Ny fankalazana ny Fahatsiarovana dia hatao ny zoma 17 Aprily 1992. Na dia azo atomboka aloha kokoa aza ny lahateny, dia tadidio aza fady fa tsy tokony hatomboka raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro ny fampandalovana ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana. Fantaro avy amin’ireo miandraikitra izany eo an-toerana ny fotoana ilentehan’ny masoandro eo amin’ny misy anareo. Tsy tokony hisy fivoriana hafa afa-tsy ny fivoriana ho amin’ny asa fanompoana hotarihina amin’io andro io.
◼ Ny lahateny ampahibemaso manokana amin’ny 1992 dia hialoha ny Fahatsiarovana ary hatao ny alahady 5 Aprily 1992. Ny lohatenin’izany dia hoe “Ny anjara asan’ny fivavahana eo amin’ireo raharahan’izao tontolo izao”. Ireo kongregasiona mahazo ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, manana andro fivoriambe manokana na fivoriamben’ny fizaran-tany amin’io andro io dia hanao fandaharana mba hanaovana io lahateny ampahibemaso manokana io ny alahady manaraka, izany hoe ny 12 Aprily 1992. Azon’ireo kongregasiona tsy manao ny Fivoriany ampahibemaso ny alahady atao ny mandamina ny hanaovana io lahateny ampahibemaso manokana io mandritra ny fe-potoanan’ny 6 ka hatramin’ny 11 Aprily.
◼ Tokony hanao ny fandaharany dieny izao ireo mpitory maniry hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy amin’ny volana Martsa sy Aprily ka hanome ny taratasy fangatahany mialoha. Izany dia hanampy ireo loholona hanao ireo fandaharana ho amin’ny asa fanompoana ilaina sy hahazo zavatra vita an-tsoratra ampy eo an-toerana.
◼ Tahiry ao amin’ny sampana:
Malagasy: Mifohaza! No. 4/92; Ilay lehilahy niavaka indrindra (3 000 FMG ho an’ny mpitory tsotra, 2 000 FMG ho an’ny mpitory maharitra); “Volumes reliés” Ny Tilikambo Fiambenana taona 1985 ka hatramin’ny 1990 (4 800 FMG ho an’ny rehetra). Frantsay: “Volumes reliés”: La Tour de Garde taona 1969 ka hatramin’ny 1974, 1983 ka hatramin’ny 1985, 1989 ary 1990; Réveillez-vous! taona 1982 ka hatramin’ny 1985, 1989 ary 1990 (4 800 FMG ho an’ny rehetra); Index 1986-1989 (1 600 FMG ho an’ny mpitory tsotra, 800 FMG ho an’ny mpitory maharitra); Le chemin du Paradis: Comment le trouver? (Taratasy mivalona natao indrindra ho an’ireo miozilimanina, 10 FMG ho an’ny rehetra); Nos problèmes, Qui nous aidera à les résoudre? (Bokikely natao indrindra ho an’ny karana, 240 FMG ho an’ny mpitory tsotra, 120 FMG ho an’ny mpitory maharitra); “Classeurs” hihazonana gazety La Tour de Garde, Réveillez-vous! (3 150 FMG ho an’ny rehetra); Anglisy: Interlinear Translation. Fanamarihana: ireo “Volumes reliés” sy “Classeurs” ary ny “Index” dia zavatra hafarana manokana ka tsy maintsy aloha avy hatrany ny vidiny.
◼ Afaka manafatra gazety fanampiny, amin’ny Mifohaza! No. 1/90 (Fisondrotan’ny vidim-piainana), No. 4/90 (Fahafatesana amidy), No. 2/91 (Firahalahiana), No. 3/91 (Alkaola eo am-pamiliana) ary No. 4/91 (Hôpitaly), ireo kongregasiona.
◼ Noho ny fahatongavan’ireo gazety miloko, dia hanao ezaka manokana isika mba hametraka ireo gazety tranainy (izay maherin’ny efa-bolana). Asaina ny mpitory rehetra mba haka ireny gazety tranainy ireny amin’ny sarany mahazatra (150 FMG mpitory tsotra, 75 FMG mpitory maharitra), ka isaky ny mahapetraka gazety vaovao miloko iray ny mpitory tsirairay dia hanome maimaimpoana an’ilay olona gazety tranainy iray miaraka aminy. Takatsika rehetra fa ny antony hanaovantsika izany dia ny fiahiana ireo olona tso-po mila ny fahamarinana, sy ny finoana mafy fa hitondra vokatra mahasoa kokoa ireny gazety ireny raha any an-tokantranony fa tsy hipetraka ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Aza hadinoina ny mametaka ny isan’ny gazety rehetra napetratsika ao amin’ny filazana asa averintsika amin’ny faran’ny volana.