FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/92 p. 3
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 3/92 p. 3

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Martsa: Ny boky Les jeunes s’interrogent amin’ny sarany 1 200 FMG, na ny boky Ny fahatanoranao amin’ny sarany 800 FMG. Aprily sy May: Gazety roa ampiarahina amin’ny bokikely iray, na inona izany na inona, afa-tsy ny bokikely Ny sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny sarany 540 FMG. Jona: Ny boky “Ho tonga anie ny Fanjakanao”, amin’ny sarany 300 FMG. (Handray azy io amin’ny sarany 200 FMG ireo mpitory maharitra.)

◼ Ny mpiandrakitra prezidà na ny olona iray notendreny dia tokony hanao ny fanamarinana ny toe-bolan’ny kongregasiona amin’ny voalohan’ny volana Martsa, na haingana araka izay azo atao aorian’izay. Rehefa vita izany, dia anaovy fampandrenesana momba ny toe-bola ny kongregasiona.

◼ Ny vidin’ireo “classeurs” fametrahana Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! izao dia 1 500 FMG.

◼ Fanitsiana: S-AB-14 (TARATASY FANAFARANA ZAVATRA VITA AN-TSORATRA): Eo amin’ny faran’ny pejy faha-3, dia milaza toy izao ilay Faritra voafefy: “Mba hikarakarana ara-dalàna ny taratasy fanafaranareo dia ilainay ny mahazo fanazavana izay angatahina ao amin’ny TARATASY FANAFARANA (S-AB-16). Fenoy tanteraka izany taratasy fanafarana rehetra izany aza fady, raha tsy izany, izahay dia tsy hikarakara ireo fanafarana natao ato amin’ity TARATASY FANAFARANA ZAVATRA VITA AN-TSORATRA ity.” Diso io filazana io, ka izao no tokony hovakina eo: “Mba hikarakarana ara-dalàna ny fanafaranareo ‘taratasy fanasana’, dia ilainay ny mahazo ny fanazavana angatahina eo amin’ny taratasy FANAFARANA TARATASY FANASANA (S-AB-16). Io taratasy io no fenoy tanteraka, aza fady, rehefa manafatra ireo ‘taratasy fanasana’ rehetra ianareo, satria tsy hovalianay ireo fanafarana ‘taratasy fanasana’ hataonareo amin’ity TARATASY FANAFARANA ZAVATRA VITA AN-TSORATRA (S-AB-14) ity.” Miala tsiny indrindra izahay noho io fahadisoana io sy izay fahasahiranana rehetra naterak’izany ho an’ireo rahalahy mikarakara ireo fanafarana zavatra vita an-tsoratra. Aza misalasala mandefa ireo fanafaranareo zavatra vita an-tsoratra atỳ amin’ny Betela. Eo am-pikarakarana ireo “taratasy fanasana” (S-AB-16) izahay izao ary handefa azy ireo avy hatrany any amin’ny kongregasiona rehetra raha vao vita pirinty izy ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara