“Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy”
1 Nanome baiko ny mpanara-dia azy mba hankalaza ny andro fitsingerenan’ny fahafatesany i Jesosy. (Lioka 22:19, NW). Ho fahatsiarovana ny sorona lehibe nataon’i Jesosy ho an’ny taranak’olombelona io fankalazana io. Amin’ity taona ity, ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany dia hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ny zoma 17 Aprily aorian’ny filentehan’ny masoandro.
2 Fiomanan’ny tena manokana: Ahoana no ahafahantsika miomana ho amin’ny fankalazana mety io fotoana lehibe io? Ny fomba iray dia ny fieritreretana, ampiarahina amin’ny vavaka, momba ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany. Tonga Mpanavotra ny taranak’olombelona izy tamin’ny nanomezany ho sorona ny ain’olombelona tanteraka nananany. (Matio 20:28). Mba hanampiana ny tsirairay hankasitraka io fandaharana io, dia manoro hevitra ny handinihana ireo toko faha-112 ka hatramin’ny faha-116 amin’ny boky Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany, izahay.
3 Ny famakiana Baiboly fanaontsika alohan’ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity, araka ny asehon’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1992, dia voaforona andinin-teny voafantina avy ao amin’ny bokin’i Marka ao amin’ny Baiboly. Hatao mandritra ny enina andro, manomboka ny alahady 12 Aprily ka hatramin’ny zoma 17 Aprily, io famakiana Baiboly manokana io. Ho tiantsika rehetra ny haka fotoana ampy mba hisaintsainana momba ireny fisehoan-javatra mahavelom-pisainana ireny.
4 Fiomanana lalina ataon’ireo loholona: Ataovy azo antoka fa ao ireo taratasy fanasana amin’ny Fahatsiarovana. Misy toerana hipetrahana ampy ho an’ireo rehetra antenaina fa hanatrika ve? Any amin’izay hisian’ny kongregasiona mihoatra ny iray hampiasa ny efitrano Fanjakana, dia ilaina ny fanaovana fandaharana milamina mba hananan’ny kongregasiona tsirairay avy fotoana ampy hankalazany ny Fahatsiarovana. Ireo voatendry ho mpikarakara ny mpanatrika dia tokony hampahafantarina ny amin’ny andraikiny. Ho tian’izy ireo ny hanao ny dingana voalohany mba handray ireo olona tonga manatrika voalohany. Tokony hofidina ny mpandahateny mahay tsara izay hampiseho ilay fanazavana amin’ny fomba mazava sy araka ny Soratra masina. Manendre loholona na mpikarakara momba ny asa mandray andraikitra mba hampandalo ireo marika. Tokony hatao izay hisian’ny mofo tsy misy masirasira sy divay mena tsy misy fangarony. Mba hahazoana fampahatsiahivana fanampiny, dia mariho izay voalazan’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 May 1985, pejy faha-17.
5 Amin’ny fanaovana fiomanana lalina mialoha, isika dia hampiseho fa mankasitraka amin’ny fomba feno ny hevitr’io fotoana manokana io ary koa fa maniry ny hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ho fanarahana ny baikon’i Jesosy. — 1 Kor. 11:23-26.
[Efajoro, pejy 3]
1. Moa ve ny rehetra, anisan’izany ny mpandahateny, nampahafantarina ny amin’ny fotoana sy toerana marina hanaovana ilay fankalazana? Manana fitaterana ve ny mpandahateny?
2. Nisy fandaharana voafaritra tsara natao ve mba hahazoana ireo marika?
3. Nisy fandaharana natao ve mba hisian’ny olona iray hitondra lamban-databatra madio ary ireo vera sy lovia ilaina?
4. Fandaharana inona avy no natao mba hanadiovana ilay efitrano alohan’ny Fahatsiarovana ary hanaovana fanadiovana kely vetivety aoriana raha misy kongregasiona hafa iray hampiasa ilay efitrano amin’io takariva io ihany?
5. Efa voatendry ve ireo ho mpikarakara ny mpanatrika sy ireo ho mpanolotra ireo marika? Efa nalamina ve ny hisian’ny fivoriana miaraka amin’izy ireo alohan’ny Fahatsiarovana mba hiresahana momba ny andraikiny? Rahoviana izany? Fanaovan-javatra inona no harahina mba hahazoana antoka fa hatolotra amin’ny fomba mandaitra tsara ireo marika?
6. Vita ve ireo fandaharana natao mba hanampiana ireo rahalahy sy anabavy be taona sy kilemaina? Nisy fandaharana natao ve mba hanolorana ireo marika amin’izay voahosotra rehetra mety ho voatery hijanona ao am-pandriana ka tsy afaka ny ho any amin’ny Efitrano Fanjakana?