Fanolorana Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny May
1 Ny zava-kendren’ny Ny Tilikambo Fiambenana dia voalaza amin’ny ambangovangony ao amin’ny nomerao tsirairay avy, eo am-piandohan’ny pejy faha-2. Inona no azontsika atao mifanaraka amin’izany zava-kendrena voalaza izany mba hanampiana olona maro araka izay azo atao? Mandritra ny volana May, dia hanao fiezahana manokana isika mba hampirisihana an’ireo rehetra maneho fahalianana amin’ny hafatr’ilay Fanjakana hamaky tsy tapaka Ny Tilikambo Fiambenana.
2 Azonao atao ny milaza toy izao amin’ny olona iray izay milaza fa Kristiana ny tenany:
◼ “Milaza fanontaniana iray amin’ny mpiara-monina aminay izahay ary ankasitrahanay raha mba milaza ny hevitrao momba izany koa ianao. Fantatrao fa i Jesosy dia nampianatra antsika hivavaka ho an’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra ary ho an’ny fanaovana ny Sitrapony etỳ an-tany ho tahaka ny any an-danitra, heverinao ve fa mbola hatao marina tokoa ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany?” Avelao izy hamaly. Avy eo dia tariho amin’ny Isaia 55:10, 11 ny sainy ary mariho amin’ilay tompon-trano ny fomba hahatanterahan’ireo fampanantenan’Andriamanitra rehetra. — rs, pejy faha-11, fampidiran-dresaka faharoa eo ambanin’ny lohateny hoe “Fanjakana”.
3 Raha mampiseho fahalianana ilay tompon-trano, dia afaka manohy toy izao ianao:
◼ “Ny iray amin’ny zava-kendren’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana dia ny hanintona ny saina ho amin’ny fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Mariho ange ity lahatsoratra ity e.” Avy eo dia tariho ny sainy ho amin’ny lahatsoratra voalohany ao amin’ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary: “Mbola hisy hafiriana ny faharetan’Andriamanitra?” Vakio ny fehintsoratra eo ambanin’ny lohateny kely hoe: “Tsy ho ela intsony!”.
4 Tokony ho azonao lazaina avy amin’ny fihetsika nasehon’ilay tompon-trano na avy amin’izay nambarany raha toa ka liana tamin’ny fanazavana nomenao izy. Raha izany no mitranga, dia azonao atolotra ireo gazety farany. Raha efa mifankazatra amin’ireo zavatra vita an-tsoratra entintsika izy ka mampiseho fankasitrahana azy ireny marina, angamba amin’ny filazana hoe: “Mamaky ny gazetinareo foana aho”, dia azonao atao ny manazava ny fomba hahafahany hahazo Ny Tilikambo Fiambenana tsy tapaka amin’ny alalan’ny famandrihana.
5 Raha maniry hiresadresaka lavalava kokoa ianao dia azo itarina io fampisehoana io ihany mba hahatafiditra ny andinin-teny ao amin’ny Apokalypsy 21:3-5, araka izay aseho ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra.
Raha izay no mitranga, rehefa avy namaky ny Isaia 55:10, 11 ianao dia afaka milaza hoe:
◼ “Ny faminaniana kanto iray ny amin’ny hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra etỳ ambonin’ny tany dia ho tanteraka tsy ho ela. Mahakasika ny fiainanao sy ny ahy izany. Henoy ange izay voalaza ao amin’ny Apokalypsy 21:3, 5.” Avy eo, dia azonao vakina ireo andinin-teny ary resaho ireo fitahiana ho tonga eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hazavao ny fomba anambaran’ny Ny Tilikambo Fiambenana ny fitondram-panjakan’Andriamanitra.
Afaka milaza ianao hoe:
◼ “Ny nomeraon’ny 1 Febroary dia manintona ny saina ho amin’ny lahatsoratra hoe “Nahoana Andriamanitra no maneho faharetana aoka izany hatramin’izao?” Hanampy anao io lahatsoratra io hahatakatra fa miahy antsika tokoa ny Mpamorona, na dia be aza ny fahoriana toy ny mosary. Azonao vakina ny fehintsoratra eo ambanin’ny lohateny kely hoe: “Miahy antsika tokoa Andriamanitra!” (pejy faha-3).
6 Ampiasao ho toy ny dingana handrosoana ho amin’ny fianarana Baiboly Ny Tilikambo Fiambenana: Ny zava-kendrentsika dia ny hanampy ny hafa hianatra ny fahamarinana, mba hahafahany ho tonga mpiara-miasa amin’i Jehovah koa ary mba handraisany anjara amin’ny fanambarana ny Fanjakan’i Jehovah. Koa rehefa mahita olona liana àry isika, dia ho tiantsika ny handray fanamarihana an-tsoratra ary hanao fiverenana mitsidika haingana.
7 Raha mbola mizara ny fahamarinana amin’ny hafa isika amin’ny alalan’ny Ny Tilikambo Fiambenana, dia enga anie isika hitady foana ny fitarihan’i Jehovah amin’ny asa tontosaintsika mba hahafahantsika hahita sy hamahana ireo olona maneho ny toetran’ny ondry. — Jaona 21:15-17.