Fampiasana Isan-trano Ireo Gazetintsika
1 Ny zava-kendren’ny Mifohaza! dia ambara mazava toy izao eo amin’ny pejy faha-4 amin’ny nomerao tsirairay: “Itỳ gazety itỳ dia mampitombo fatokiana ny fampanantenan’ny Mpamorona tontolo vaovao hanjakan’ny fiadanana sy filaminana alohan’ny hahataperan’ny taranaka nahita ireo zava-niseho tamin’ny 1914.” Azo antoka fa mendrika ny hozaraina amin’ny fomba miitatra araka izay azo atao eo amin’ny fanompoantsika isan-trano ny gazety toy izany!
2 Fomba iray tsara dia tsara hanairana ny fahalianan’ny olona mety tsy hirona loatra amin’ny zavatra ara-panahy ny Mifohaza! Rehefa mamaky ny nomerao tsirairay ianao, dia tadiavo ireo hevitra mety ho azo zaraina amin’ny hafa. Manisy fanamarihana amin’ny gazetiny manokana ny mpitory sasany ary alohan’ny hampisehoany an’izany nomerao izany eny amin’ny asa fanompoana, dia mandinika indray ireo fanamarihana nataony izy ireo mba hananany hevitra voafaritra tsara ao an-tsaina hozaraina amin’ny tompon-trano.
3 Angamba isika hifidy ny hanomboka ny fampisehoantsika amin’ny fanaovana fanazavana mety momba ny foto-kevitra iray dinihina ao amin’ny nomeraon’ny Mifohaza! izay ampiasaintsika.
Raha toa ka mampiseho fahalianana ilay tompon-trano, dia afaka mampiditra ilay gazety isika, angamba amin’ny filazana toy izao:
◼ “Itỳ lahatsoratra ao amin’ny Mifohaza! itỳ dia mamakafaka amin’ny an-tsipiriany bebe kokoa momba an’ilay foto-kevitra.” Avy eo dia vakio ny fehezanteny iray na roa nofidina mialoha, ka tohizo toy izao: “Koa satria ianao toa liana amin’io foto-kevitra io, ho tianao ve ny hamaky an’itỳ lahatsoratra itỳ ary koa ireo lahatsoratra hafa tonga amin’ny fotoana mety indrindra, ao amin’itỳ nomeraon’ny Mifohaza! itỳ? Raha izany, dia ho faly aho hametraka azy aminao miaraka amin’itỳ gazety namany Ny Tilikambo Fiambenana itỳ, amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo ariary zato.”
4 Raha milaza mazava ny fahalianany amin’ny zavatra ara-panahy ilay tompon-trano, dia ho azontsika atao ny hampiseho aminy andinin-teny toy izay hita ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5 miresaka momba ny andro farany. Aorian’izany, mba hanairana ny fahalianany amin’ireo gazetintsika, dia afaka mamaky mivantana aminy ao amin’ny pejy faha-2 amin’ny nomerao farany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana isika, eo amin’ny tapany manomboka amin’ny hoe: “Ny zava-kendren’ny Ny Tilikambo Fiambenana”. Aorian’izany, dia tolory ireo nomerao farany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! izy.
5 Rehefa mandeha isan-trano isika, dia aoka hotadidintsika fa manana roa amin’ireo fitaovana tsara indrindra eo amin’izao tontolo izao mba hanampiana ny olona hanao fandrosoana ara-panahy isika, dia Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Enga anie isika hiezaka mafy mba hanaitra ny fahalianan’ny tompon-trano amin’ireo gazety ireo sy hametraka azy ireny amin’ny fotoana rehetra.