Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Jona: Ny boky “Ho tonga anie ny Fanjakanao” amin’ny sarany 300 FMG. Jolay: Na iza na iza amin’ireto bokikely ireto: Mifalia amin’ny fiainana eto an-tany mandrakizay!, “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra”, Tokony hino ny Trinite ve ianao?, Ny anaran’Andriamanitra izay haharitra mandrakizay, na Le gouvernement qui établira le Paradis. Aogositra: Ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany amin’ny sarany 2 400 FMG sy 1 200 FMG. Septambra: Ny Bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly amin’ny sarany 2 400 FMG. FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona mbola tsy nanafatra ireo zavatra hapetraka eo amin’ny asa fanompoana voalaza etsy ambony dia tokony hanao izany amin’ny “Taratasy fanafarana zavatra vita an-tsoratra” (S-AB-14) halefany manaraka.
◼ Tokony hanamarina ny toe-bolan’ny kongregasiona ny mpiandraikitra prezidà na olon-kafa notendreny amin’ny 1 Jona na haingana araka izay farany azo atao aorian’io. Manaova fampandrenesana amin’ny kongregasiona raha vao vita izany.
◼ Koa satria haharitra telo andro ny fivoriambe amin’ity taona ity, dia tsy ilaina hofoanana ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona ny herinandron’ny fivoriambe.
◼ Zava-dehibe ny hanaovan’ny mpitory tsirairay sy ireo antokona fianakaviana fandaharana voafaritra tsara mba handraisana anjara tsy tapaka amin’ny asa fanompoana mandritra ny fotoana hisian’ny fivoriambe sy ireo volana hialan-tsasatra. Raha tsy ao amin’ny kongregasionanao ianao amin’ny fiafaran’ny volana, dia ataovy azo antoka fa ho tonga ara-potoana any amin’ny mpitantsoratra ao amin’ny kongregasiona ny filazana asanao, mba hanisany azy miaraka amin’ny filazana asan’ny kongregasiona amin’izany volana izany.
◼ Zavatra vita an-tsoratra ao amin’ny tahiry:
Sinoa: Ilay lehilahy niavaka (...); Ny fanahin’ireo maty. Malagasy: Mifohaza! N°4/1990, 2/1991, 3/1991, 4/1991, 1/1992, 2/1992; Ny Tilikambo Fiambenana 15/04/1992; Trakitra (T-15) Fiainam-piadanana ao amin’izao tontolo izao vaovao; Volumes reliés Ny Tilikambo Fiambenana taona 1985 ka hatramin’ny taona 1991. Frantsay: Louons Jéhovah par nos chants (kely sy lehibe velarana); Volumes reliés Réveillez-Vous! taona 1982 ka hatramin’ny taona 1986; Volumes reliés La Tour de Garde taona taona 1968 ka hatramin’ny taona 1974, taona 1982 ka hatramin’ny taona 1989.