Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Jona
Herinandron’ny 1 Jona
Hira 45, Hira 18 (vaovao)
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana.
15 min: Valin’ireo fanontanianareo.
15 min: Ny Firaketana ara-pitsaboana nohatsaraina. Asain’ny mpitantsoratra hizarana ny Toromarika ara-pitsaboana nohatsaraina avy ireo mpikambana vita batisa ao amin’ny kongregasiona, ary avy eo izy dia handinika amin’ny fomba lalina ny taratasy tamin’ny 15 Oktobra 1991 momba ny firaketana ara-pitsaboana ho an’ireo mpitory vita batisa sy ny Karatra Famantarana ho an’ireo zanaka Vavolombelon’i Jehovah tsy ampy taona tsy vita batisa. Hamafiso fa samy tokony hanatrika ny fametrahan’ilay tompon-karatra sy ilay vavolombelona iray hafa sonia eo amin’ilay firaketana ny tsirairay avy amin’izy ireo ary avy eo dia hanisy sonia izany koa ny tenany. Miaraha manjohy hevitra amin’ny mpanatrika ny amin’ny antony tokony hanarahana ireo toromarika amim-pitandremana mba hiarovan’ireny karatra ireny antsika amin’ny fomba mandaitra.
10 min: Fanazavana hotarihin’ny mpiandraikitra ny asa. Aoka isika hanohy hanely ireo gazety tranainy. Azon’ny mpiandraikitra ny asa atao ny mampahatsiahy ny isan’ireo gazety tranainy isaky ny sokajiny (ny isan’ny gazety apetraka amin’ny sarany 10 FMG sy 20 FMG) mbola misy ao amin’ny kongregasiona. Hiezaka ny kongregasiona tsirairay mba tsy hisy gazety tranainy intsony ao amin’ny tahiry amin’ny faran’ny Aogositra 1992. Ampatsiahivina eto indray ny saran’ireo gazety:
- Ny gazety rehetra alohan’ny taona 1990 (nomerao rehetra amin’ny wMG sy wF hatramin’ny 15 Desambra 1989 sy ireo nomeraon’ny gF hatramin’ny 22 Desambra 1989) dia 10 FMG ho an’ny mpitory maharitra sy ny mpitory tsotra. Azo apetraka 10 FMG amin’ny olona eny ivelany.
- Ny gazety rehetra manomboka ny Janoary 1990 ka hatramin’ny Jolay 1991 (wMG na wF manomboka amin’ny 1 Janoary 1990 ka hatramin’ny 15 Jolay 1991; gF manomboka ny 8 Janoary 1990 ka hatramin’ny 22 Jolay 1991; gMG manomboka ny N°1—1990 [8 Janoary 1990] ka hatramin’ny N°3—1991) dia 20 FMG ho an’ny mpitory maharitra sy ny mpitory tsotra. Azo apetraka 20 FMG amin’ny olona eny ivelany. Ny saran’ireo gazety manomboka ny Aogositra 1991 (wMG na wF manomboka ny 1 Aogositra 1991; gF manomboka ny 8 Aogositra 1991; gMG manomboka ny N°4—1991) dia tsy miova fa mijanona ho 150 FMG ho an’ny mpitory tsotra ary 75 FMG ho an’ireo mpitory maharitra. Momba ny gazety tranainy dia tsy misy fihenam-bidy ho an’ireo mpitory maharitra. Azo atao ny mametraka ary mandray sarany araka izay voalaza etsy ambony, azo atao koa ny manome ireo gazety tranainy maimaimpoana. Aoka hitohy hatrany ny fiezahana efa nataontsika!
Herinandron’ny 8 Jona
Hira 14, Hira 32
10 min: Fampandrenesana. Ampiomany mialoha ny mpitory maharitra mandavantaona na mpanampy roa mba hanao fanazavana ny amin’ny fampidiran-dresaka hitany ho nandaitra rehefa niasa ny faritany teo an-toerana izy ireo.
20 min: Ampiasao amin’ny fomba feno ny boky Fanjohian-kevitra. Ny fomba famaliana ireo fanoherana (rsMG pp. 15-24). Manaova lahateny fohy ho fampidiran-dresaka. Rehefa avy eo dia hisy mpitory za-draharaha hanao fampisehoana. Mifidiana fanoherana iray avy, hita eo ambanin’ny lohateny kely hoe “Tsy mahaliana ahy izany” sy ny hoe “Manana ny fivavahako aho” ary ny hoe “Sahirana aho”, izay hita fa mifanentana amin’ny faritany nofidina.
15 min: “Ny vavaka ataon’iza no mahazo valiny?” — Lahateny, miorina amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Janoary 1992 pejy faha-4 ka hatramin’ny faha-6.
Herinandron’ny 15 Jona
Hira 25, Hira 104
10 min: Fampandrenesana. Lazao ireo lafin-javatra nisongadina tamin’ny filazana asa tamin’ny Martsa. Asehoy izay anjara noraisin’ny kongregasiona teo an-toerana tamin’ny filazana asa tamin’ny Martsa. Omeo ny filazana momba ny toe-bola. Anaovy teny fiderana ny kongregasiona noho ny asa vita teo amin’ny fanompoana sy noho ny fanohanana ara-bola feno fahalalahan-tanana nataony.
20 min: “Handray anjara amin’ny fanaovana fanambarana tsy ara-potoana ve ianao amin’izao fotoam-pialan-tsasatra izao?” Diniho ary asehoy ireo hevitra ao amin’ilay lahatsoratra. Antitrantero fa Vavolombelon’i Jehovah isika amin’ny fotoana rehetra, koa irintsika ny hitady fahafahana mba hanaovana fanambarana. Omano mialoha ny fitantarana fanandraman-javatra fohy roa, momba ny vokatra tsara azo noho ny fanambarana tsy ara-potoana nataon’ireo mpitory na momba ny nahatongavan’ny olona iray ao amin’ny kongregasiona ho liana tamin’ny fahamarinana noho ny fanambarana tsy ara-potoana.
15 min: Fanolorana ny boky “Ho tonga anie ny Fanjakanao”. Fampisehoana. Aorian’ny fiarahabana, dia azo atao ny mampitodika ny sain’ilay olona amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo fantatry ny maro hoe “Rainay izay any an-danitra (...)” [Azo jerena ny Matio 6:10]. Amin’ny fahatongavan’ilay Fanjakana, dia handray soa betsaka ny olombelona. Asehoy ny Apokalypsy 21:3, 4. Aorian’izay dia tariho ny sain’ilay olona iresahana ho amin’ny boky “Ho tonga anie ny Fanjakanao” amin’ny fanokafana ny boky ao amin’ny pejy faha-21, fehintsoratra faha-2. Rehefa avy nandray ilay boky ilay tompon-trano, dia azonao atao ny milaza hoe: “Fantatray fa handray soa be dia be ianao amin’ny famakiana ny fanazavana raketiny.” Avy eo dia manolora fampianarana baiboly maimaimpoana.
Herinandron’ny 22 Jona
Hira 24, Hira 72
5 min: Fampandrenesana. Vaovao teokratika. Rehefa mandinika ireo vaovao tsirairay, dia ampitahao amin’ireo tarehimarika nomena momba io sampana io tamin’ny taom-piasana 1986, hita ao amin’ny Diary 1987, io filazana asa farany io.
20 min: “Ny asan’ny mpitory maharitra — Fomba iray anehoana fitiavana”. Fanontaniana sy valiny. Aorian’ny fandinihana ny fehintsoratra faha-3 sy faha-4, dia adinadino ny mpitory maharitra mandavantaona telo (na mpitory tsotra manao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy tsy tapaka na amin’ny fomba ara-potoana), ka raha azo atao, dia ataovy ho anisan’izany ny mpitory maharitra mandavantaona tanora iray izay nanao ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona raha vao nahavita ny fianarany. Anontanio hoe tamin’ny fomba ahoana no nandaminan’izy ireo ny raharahany mba hahafahany hanao ny asan’ny mpitory maharitra, inona no nanosika azy ireo hanao izany, zavatra inona avy no tsy maintsy nafoiny teo amin’ny lafiny ara-nofo, ary fitahiana inona avy no noraisiny eo am-panompoana amin’ny maha-mpitory maharitra mandavantaona izy ireo.
20 min: “Aoka isika hiverina hitsidika ireo olona amin’ny fikendrena ny hanomboka fampianarana Baiboly”. Fiaraha-midinika sy fampisehoana. Manaova fampisehoana momba ilay fiaraha-midinika ara-baiboly atolotra eo amin’ny fehintsoratra faha-2. Ampiasao ny fehintsoratra faha-6 ka hatramin’ny faha-8 eo amin’ny pejy faha-23 amin’ny boky “Ho tonga anie ny Fanjakanao”, ho toy ny fototra hanombohana fampianarana Baiboly.
Herinandron’ny 29 Jona
Hira 13 (vaovao), Hira 105
10 min: Fampandrenesana. Manaova fampisehoana fohy roa mampiseho ny fomba hahazoana manao resadresaka ara-baiboly rehefa manolotra ireo gazety eo amin’ny fanompoana amin’izao faran’ny herinandro izao.
15 min: “Fandimbasana ny apostoly”. Ny mpiandraikitra ny asa dia miaraka amin’ny mpitory maharitra iray miverina mitsidika olona iray izay nanontany toy izao: “Moa ve tsy ny papa no mpandimby ny apostoly Petera?” Aoreno amin’ny boky Fanjohian-kevitra, eo amin’ny pejy faha-186 ka hatreo amin’ny lohateny voalohany eo amin’ny pejy faha-188, ilay fiaraha-midinika.
20 min: Fandinihana izay zavatra ilaina eo an-toerana. Azo atao ny mandinika indray ireo hevitra naseho tamin’ny fandaharan’ny andro fivoriambe manokana farany izay azo ampiharina eo an-toerana.