FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/92 p. 3
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 8/92 p. 3

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Aogositra: Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, amin’ny sarany 2 400 FMG ilay lehibe velarana, ary 1 200 FMG ilay kely velarana. (Handray azy amin’ny sarany 1 600 FMG sy 600 FMG ireo mpisava lalana.) Septambra: Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, amin’ny sarany 3 000 FMG. (Handray azy amin’ny sarany 2 000 FMG ireo mpisava lalana.) Oktobra: Famandrihana amin’ny Réveillez-vous! na amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana na amin’ireo gazety roa miaraka. Tsy misy fandaharana hanaovana famandrihana amin’ireo gazety tsy mivoaka afa-tsy inefatra isan-taona. Tsy hekena ireo famandrihana ho an’ny taona maromaro. Novambra: Ny Fahatanoranao (malagasy na frantsay) amin’ny sarany 1 000 FMG. (Handray azy amin’ny sarany 750 FMG ireo mpisava lalana.) Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany (malagasy na frantsay), amin’ny sarany 3 000 FMG. (Handray azy amin’ny sarany 2 000 FMG ireo mpisava lalana.) FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona mbola tsy nanafatra ireo zavatra hatolotra eo amin’ny asa fanompoana ireo dia tokony hanao izany amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) manaraka.

◼ Haharay taratasy Filazana ny Isan’ny Zavatra Vita An-tsoratra telo avy ny kongregasiona tsirairay, ary tokony hanao fanisana marina ireo zavatra vita an-tsoratra ampiasaina eo amin’ny fitoriana. Fenoy tanteraka aza fady ireny taratasy ireny, ary alefaso atỳ amin’ny sampana ny originale, fara fahelany ny 6 Septambra 1992. Hazòny ao amin’ny tahirin-taratasinareo ny copie carbone iray. Ilay taratasy fahatelo dia halefanay mba hampiasainareo ho fanandramana amin’ny voalohany.

◼ Manomboka amin’ny herinandron’ny 26 Oktobra 1992, dia ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra teto An-tany no hianarana any amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona.

◼ Fanitsiana: Ampidiro ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana manokanareo aza fady izao fanitsiana izao: wMG 1/3/92, p. 29, § 13, andal. 22: ny hoe “fotoam-pivavahana fahatsiarovana” dia ovana hoe “fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana”.

Mariho aza fady ireto fanitsiana ny teny sy fitenenana ampiasaintsika ireto:

- “Fitambara-mpitantana” fa tsy “Kolejy Foibe” intsony

- “Fitambaran-doholona” fa tsy “Kolejin’ny Loholona” intsony

- “Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana” fa tsy “fivavahana lazaina fa kristiana” intsony

- “Mpikarakara ny mpanatrika” fa tsy “Filaminana” na “Mpampandroso olona” intsony

- “Mpisava lalana” fa tsy “Mpitory maharitra” intsony

- “Mpisava lalana manokana” fa tsy “Mpitory maharitra manokana” intsony

- “Mpisava lalana maharitra” fa tsy “Mpitory maharitra mandavantaona” intsony

- “Mpisava lalana mpanampy” fa tsy “Mpitory maharitra mpanampy” intsony

◼ Zavatra vita an-tsoratra vaovao eto amin’ny sampana:

Frantsay: Comment s’assurer une vie de famille heureuse; De Kurukshetra à Harmaguédon et à votre survie; Ecoutez le grand Enseignant; La paix et la sécurité véritables: comment est-ce possible?; La Révélation: le grand dénouement est proche!; Le temps de la vraie soumission à Dieu; Sécurité universelle sous le Règne du “Prince de paix”; T-13; T-14; T-15; T-16. Malagasy: T-13; T-14; T-15; T-16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara