Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Novambra: Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra Avy Amin’izany (frantsay na malagasy), amin’ny sarany 1 000 FMG (750 FMG ho an’ny mpisava lalana). Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG ho an’ny mpisava lalana). Janoary: Ny boky Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra, amin’ny sarany 500 FMG (250 FMG ho an’ny mpisava lalana). Febroary: Ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG ho an’ny mpisava lalana) ilay be velarana, ary 1 500 FMG (1 000 FMG ho an’ny mpisava lalana) ilay kely velarana. FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona mila ireo zavatra hilaina eo amin’ny asa fanompoana voatonona eo ambony ireo dia tokony hangataka azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) manaraka.
◼ Zavatra vita an-tsoratra vaovao ao amin’ny sampana:
Frantsay: T-19; Malagasy: Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao?, Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, Mihirà Fiderana ho an’i Jehovah (be velarana), T-19, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
◼ Fanitsiana: Aza hadinoina aza fady ny mampiditra ao amin’ny bokinareo manokana ireto fanitsiana manaraka ireto:
uwMG p. 69: fanontaniana famerenana farany: ovana hoe “fiadiana avy amin’Andriamanitra” ny hoe “fiadanana omen’Andriamanitra”.
p. 77 §15: Ampidiro eo aorian’ny fehezanteny faharoa izao fehezanteny manaraka izao: Efa nampiasa ny tahotra ny fahafatesana alohan’ny fotoana hatramin’ny ela i Satana mba hihazonana ny olona ao amin’ny fanandevozana.
p. 92 and. 5: Ampidiro eo aorian’ny hoe “zavatra hafa hatao ianao.’” ireto fehezanteny roa manaraka ireto: Tsy nilaza koa izy hoe: ‘Raha mbola miresaka momba ilay Fanjakana indraindray koa ianareo, dia efa manao izay rehetra ilaina hataonareo’. Tsy nilaza ihany koa izy hoe: ‘Manomboha mikatsaka ireo tombontsoan’ilay Fanjakana amin-jotom-po; fa raha toa ka ela vao tonga ny Fandehan-javatra Vaovao, dia aza mitsahatra manao zavatra eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, saingy manaraha fiainana mitovy kokoa amin’ny an’ny olon-kafa’.