Vaovao Teokratika
Bangladesh: Ireo mpitory 39 namerina filazana asa tamin’ny Jona dia nandany 17 ora tamin’ny antsalany teo amin’ny asa fanompoana. Ireo rahalahy teo an-toerana roa voalohany notendrena ho mpisava lalana manokana dia miara-miasa amin’ny fitambara-mpitory mitokana iray.
Etiopia: Nisy mpitory 3 585 namerina filazana asa tamin’ny Jona, izay tampon’isa vaovao.
Tiorkia: Nampiseho fitomboana 9 isan-jato raha oharina tamin’ny antsalan’ny tamin’ny herintaona ny tampon’isa vaovao teo amin’ny mpitory 1 013 namerina filazana asa tamin’ny Jona.