FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/93 p. 3
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
km 1/93 p. 3

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Janoary: Ny boky Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra, amin’ny sarany 500 FMG (250 FMG ho an’ny mpisava lalana). Febroary: Ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG ho an’ny mpisava lalana) ilay be velarana, ary 1 500 FMG (1 000 FMG ho an’ny mpisava lalana) ilay kely velarana. Martsa: Ny boky Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG ho an’ny mpisava lalana). Aprily sy May: Famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, amin’ny sarany 16 300 FMG (13 000 FMG ho an’ny mpisava lalana) amin’ny fiteny malagasy sy frantsay. Ny saran’ny famandrihana amin’ny fiteny hafa dia hita ao amin’ny taratasy tamin’ny 7 Oktobra 1992, izay hatao eo amin’ny Peta-drindrina Fanaovana Fanambarana ao amin’ny kongregasiona. FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona hila ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana voatonona eo ambony ireo dia tokony hangataka azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany amin’ny volana manaraka.

◼ Ny lahateny manokana hatao amin’ny vanin-taonan’ny Fahatsiarovana amin’ny 1993 dia hatao maneran-tany ny alahady faha-28 Martsa. Ny foto-kevitr’ilay lahateny dia hoe “ ‘Ireo Asan’Andriamanitra’ — Ahoana no Fiheveranao Azy Ireo?” Hisy planina ho amin’izy io. Ireo kongregasiona mahazo ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, manana fivoriamben’ny fizaran-tany na andro fivoriambe manokana amin’io faran’ny herinandro io dia hanao io lahateny manokana io amin’ny faran’ny herinandro manaraka. Tsy tokony hisy kongregasiona hanao io lahateny manokana io alohan’ny 28 Martsa.

◼ Manomboka amin’ny 1 Janoary 1993, dia hisy Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteny litoaniana hivoaka indray mandeha isam-bolana, ka tafakatra ho 112 ny isan’ny fiteny ivoahan’io gazety io. Amin’ny Janoary koa dia hanjary hivoaka indroa isam-bolana ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteny telugu.

◼ Tahiry ao amin’ny Sampana: “Volumes reliés”: Frantsay: La Tour de Garde taona 1969 ka hatramin’ny 1974, 1983 ka hatramin’ny 1985, 1989 ary 1990; Réveillez-vous! taona 1982 ka hatramin’ny 1985, 1989 ary 1990 (4 800 FMG ho an’ny rehetra). Malagasy: Ny Tilikambo Fiambenana taona 1985 ka hatramin’ny 1990 (4 800 FMG ho an’ny rehetra). FANAMARIHANA: Ireo “Volumes reliés” dia zavatra hafarana manokana ka tsy maintsy aloa avy hatrany ny sarany.

◼ Azo atao ny manao famandrihana herintaona amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! amin’ny audiocassettes, amin’ny fiteny anglisy sy frantsay, ka ny amin’ny fiteny anglisy dia 56 000 FMG ho an’ny mpitory ary 50 000 FMG ho an’ny mpisava lalana, ary ny amin’ny fiteny frantsay dia 59 500 FMG ho an’ny mpitory ary 53 500 FMG ho an’ny mpisava lalana. Tsy misy ny famandrihana enim-bolana amin’ny audiocassettes.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara