Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Janoary
Herinandron’ny 4 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
20 min: Lahateny miorina amin’ny boky Voalamina, pejy 119-123 sy pejy 97-99, momba ny hoe “Maniry ny ho Tonga Mpitory ve Ianao?”
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana, na lahateny mitondra ny lohateny hoe “Mihazòna Fomba Fihevitra Tsara Momba ny Fialam-boly”, miorina amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 8 Novambra 1992, pejy 3-10.
Herinandron’ny 11 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
20 min: “Torio ny Lalan’Andriamanitra Momba ny Fiadanana sy ny Tsy Fananana Ahiahy”. Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Ampirisiho ireo mpitory mba hampiasa taratasy mivalona eny amin’ny asa fanompoana. Aorian’ny fandinihana ny fehintsoratra faha-3, dia asao ny mpitory niomana tsara hanao fampisehoana momba ny fomba azo anombohana fampianarana na amin’ny fitsidihana voalohany na amin’ny fiverenena mitsidika, amin’ny fampiasana ny taratasy mivalona Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity? Mpitory: “Manao ahoana, Tompoko. Miresaka amin’ny olona momba ny hatsaran’ny fiainana izahay anio. Moa ve ianao, Tompoko, afa-po amin’izay hitanao fa mitranga amin’ny fiainan’ny olona amin’izao andro izao?” Tompon-trano: “Tsy dia mahafa-po ahy loatra ilay izy.” Mpitory: “Heverinao ve fa hihatsara ny tarehin-javatra?” Tompon-trano: “Tsy fantatro.” Manolotra taratasy mivalona ilay mpitory ary manao hoe: “Misy mihevitra fa izay mitranga dia fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly ary koa fa efa akaiky ny faran’izao tontolo izao. Ahoana kosa ny fihevitrao?” Tompon-trano: “Tsy fantatro. Angamba mety ho marina izany.” Avy eo, ilay mpitory dia miresaka momba ilay taratasy mivalona ary manazava fa ny faran’izao tontolo izao dia tsy midika hoe faran’ny lanitra sy ny tany ara-bakiteny akory. Manao fandaharana ilay mpitory mba hiverenana hitsidika azy mba handinihana ny porofo ara-baiboly fa efa akaiky ny faran’ity fandehan-javatra ity.
15 min: Fisorohana Zava-manahirana Momba ny Fampidiran-dra — Fotoana Tokony Hanavaozana ny Toromarika Ara-pitsaboana Antsika. Asain’ilay loholona manao ity anjara ity zaraina amin’ny mpitory vita batisa rehetra ireo karatra vaovao. Avy eo izy dia mandinika amim-pitandremana ny taratasy tamin’ny 15 Oktobra 1991, izay manazava ny fomba fampiasana ireo karatra ireo. Mandritra ny fanomanana, dia jereo tsara indray ny taratasin’ny Fikambanana tamin’ny 1 Janoary 1990. Ireo izay manao sonia ho vavolombelona dia tokony hahita ny tompon’ilay karatra manao sonia azy io. Ampirisiho ny rehetra mba hameno ireo karatra vaovao alohan’ny handaozany ny Efitrano Fanjakana. Tsy tokony hiala ao an-tranony tsy mitondra ny karany Filazana Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra na oviana na oviana ireo mpitory vita batisa. Ireo ankizy tsy ampy taona ka tsy vita batisa manana ray na reny Vavolombelon’i Jehovah dia tokony hanana Karatra Famantarana foana eny aminy. Ny fanamarinana iray natao tamin’ny fivorian’ny kongregasiona iray dia nampiseho fa ny mpitory 1 tamin’ny mpitory 5 dia tsy nanana ny karany teny aminy, ary tsy nisy ankizy na dia iray aza nanana ny Karany Famantarana teny aminy. Ho famaranana, dia vakio ary ampiharo ny Ohabolana 22:3.
Herinandron’ny 18 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Vaovao Teokratika. Vakio ny filazana momba ny toe-bola sy ny fisaorana avy amin’ny Fikambanana noho ny fanomezana nalefa tany. Anaovy teny fiderana ny kongregasiona noho ny fanohanany amim-pahatokiana ara-bola ny kongregasiona eo an-toerana ary koa ny asan’ny Fikambanana maneran-tany.
20 min: “Fampiasana Fitaovana Tena Lehibe Amim-pahendrena”. Aorian’ny fampidiran-dresaka ataon’ny mpitari-draharaha, dia hisy fampisehoana roa miorina amin’ny fanazavana voasoritra ao amin’ny fehintsoratra faha-2 sy faha-4. Amin’ny fifaranan’ilay fampisehoana voalohany, dia mandray gazety roa ilay tompon-trano. Mampanantena ny hiverina ilay mpitory mba hamaliana ilay fanontaniana hoe: Nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy? Amin’ny fifaranan’ny fampisehoana faharoa, dia atomboka ny fampianarana Baiboly iray amin’ny alalan’ny taratasy mivalona iray mifanentana. Ampirisiho ny rehetra mba hampiresaka ireo tompon-trano momba ny foto-kevitra araka ny Soratra Masina iray rehefa eny amin’ny asa fanompoana amin’izao faran’ny herinandro izao.
15 min: Ny Antony Ifadian’ny Kristiana ny Ra. Lahateny ataon’ny loholona iray miorina amin’ny hevitry ny teny sy ireo lohatenikely telo voalohany ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 356-357.
Herinandron’ny 25 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho ireo hevi-dehibe ao amin’ny lahatsoratra hoe “Tombontsoam-panompoana Tsara dia Tsara”. Raha mamela hanao izany ny fotoana, dia manadinadìna mpitory iray izay nahavita nanorina lalana fizarana gazety. Ahoana no nanombohany izany? Ahoana no nanampian’izany azy hanolokolo ny fahalianan’ny olona, na hahita mazava tsara ny halalin’ny fahalianan’ilay tompon-trano?
15 min: “Afaka Manompo an’i Jehovah Amin’ny Maha-mpisava Lalana ve Ianao?” Fiaraha-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny mpanatrika. Manadinadìna tanora iray izay mpisava lalana maharitra na mpitory iray nanao ny asan’ny mpisava lalana fony tanora. Asongadino ny fomba azon’ny ray aman-dreny na ny hafa ampirisihana ny tanora hanatratra ny zava-kendreny mba ho mpisava lalana. Asao amim-pitiavana ny rehetra mba hihevitra amim-pitandremana ireo fahafahana hirotsaka hanao ny fanompoana manontolo andro. Manaova fandaharana dieny izao mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily.
20 min: “Kolokoloy ny Fahalianana Amin’ny Fanaovana Fiverenana Mitsidika Mandaitra”. Lahateny fohy arahina fampisehoana miorina amin’izay voasoritra eo amin’ny fehintsoratra faha-3. Raha mamela hanao izany ny fotoana, dia azo atao ny mamerina ny lafin-javatra fototra sasany tamin’ilay fampisehoana, toy ny fampidiran-dresaka na ny teny fampitohizana mampiditra ilay andinin-teny.