Fanehoana Fankasitrahana ny Avotra
1 Iombonan’ny kolontsaina rehetra ny faniriana haneho fankasitrahana ny namana na havana iray nody mandry. Mety ho mafy indrindra izany faniriana izany rehefa maty mba hamonjy ny ain’olon-kafa ilay olon-tiana. Izay rehetra nomena ny fanantenana ny amin’ny fiainana mandrakizay dia manana antony lehibe indrindra hanehoana fankasitrahana ny avotra, amin’ny fanatrehana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ny 6 Aprily. — 2 Kor. 5:14; 1 Jaona 2:2.
2 Manehoa fankasitrahana ny fitiavan’i Jehovah: Mety tokoa ny hanehoana ny fankasitrahantsika lalina indrindra an’ilay Mpanome lehibe indrindra ho antsika, dia i Jehovah Andriamanitra, izay nanome ny avotra! (1 Jaona 4:9, 10). Ny halalin’ny fitiavan’i Jehovah dia miharihary amin’ilay fanomezana tsy manam-paharoa nataony ho avotra ho antsika, tsy ny iray amin’ireo anjely marina an-tapitrisany maro akory, fa ny Zanany lahy tokana izay tiany indrindra. (Ohab. 8:22, 30). Io Zanany lahy io, Jesosy Kristy, izay mahafantatra tsara indrindra an’i Jehovah, dia nampahatsiahy antsika toy izao: “Fa tia izao tontolo izao aoka izany Andriamanitra, hany ka nomeny ny Zanany lahy tokana, mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy fa hahazo ny fiainana mandrakizay.” — Jaona 3:16, NW.
3 Manehoa fankasitrahana ny fitiavan’i Jesosy Kristy: Toy izany koa, dia mety tokoa ny hanehoantsika fankasitrahana lalina an’i Jesosy Kristy, izay nanome ny ainy ho avotra hisolo ny maro. (Matio 20:28). Miharihary ny fitiavany, tamin’ny fahavononany hanaiky ny sitrapon’i Jehovah momba azy mifandray amin’ny avotra. Hevero ny fomba nandaozany ny toe-piainana nisy tombony nananany niaraka tamin’ny Rainy sy ireo anjely marina an’alinaliny maro, mba ho tonga avotra ho antsika. Na ny zava-tsarotra amin’ny fiaraha-miaina eo anivon’ny olombelona mpanota sy ny fankatoavana azy ireny, na ny fahalalana fa nitaky ny hahafatesany ny fanomezana ny avotra, dia tsy nahasakana azy. Izy kosa dia ‘naka ny endriky ny mpanompo ka tonga ho manam-pitoviana amin’ny olona; (...) nanetry tena izy ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana’. — Fil. 2:5-8.
4 Amin’ny fomba ahoana no anehoantsika fankasitrahana ny avotra?: Tsy maintsy mihoatra noho ny filazana fotsiny hoe misaotra ny fankasitrahana ny avotra asehontsika. Ilaintsika ny mianatra ny amin’ny fandaharan’Andriamanitra momba ny famonjena nataony tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. (Jaona 17:3). Avy eo, dia tsy maintsy maneho finoana ny avotra isika. (Asa. 3:19). Manaraka izany, dia tsy maintsy ho voatosika isika hanome ny tenantsika ho an’i Jehovah Andriamanitra, amin’ny fanoloran-tena sy fanekena hatao batisa. (Matio 16:24). Raha mbola eo am-panaovan-javatra mifanaraka amin’ny fanolorantsika tena isika, dia tokony hanararaotra ny fahafahana rehetra miseho mba hiresahana amin’ny hafa momba ny fandaharana kanto ny amin’ny avotra mba ho famonjena. — Rom. 10:10.
5 Tsy hoe mihoatra noho izay mety ho vitan’ny tsirairay amintsika ny famenoana ireo fepetra ireo. Manome toky antsika toy izao ny Mika 6:8: “Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.” Tamin’ny fomba mitovy amin’izany koa, dia nilaza toy izao tamin’i Jehovah i Davida: “Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao ihany no nanomezanay Anao.” — 1 Tant. 29:14.
6 Mba hahalalina kokoa ny fankasitrahantsika ny fandaharana kanton’i Jehovah, nahoana raha mamaky sy mandinika ireo toko faha-112 ka hatramin’ny faha-126 amin’ny boky Ilay Lehilahy Niavaka alohan’ny datin’ny Fahatsiarovana, amin’ny maha-fianakaviana? Amin’izany fomba izany, isika rehetra dia ho afaka hanomana ny tenantsika ara-tsaina mba haneho fankasitrahana ny avotra, amin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana izay hatao ny 6 Aprily 1993.