FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/93 p. 3
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
km 2/93 p. 3

Fampandrenesana

◼ Zavatra vita an-tsoratra atolotra amin’ny Febroary: Ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG ho an’ny mpisava lalana) ilay be velarana, ary 1 500 FMG (1 000 FMG ho an’ny mpisava lalana) ilay kely velarana. Martsa: Ny boky Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG ho an’ny mpisava lalana). Aprily sy May: Famandrihana. Ny famandrihana amin’ny fiteny malagasy sy anglisy amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny fanontana ny Awake! amin’ny fiteny anglisy dia ho azo raisina amin’ny sambo izao. Ny vidin’ny famandrihana herintaona ho an’ny mpitory dia 5 000 FMG, ary 2 500 FMG ho an’ny mpisava lalana. Ny famandrihana enim-bolana dia 2 500 FMG ho an’ny mpitory ary 1 250 FMG ho an’ny mpisava lalana. Tsy miova ny vidin’ny famandrihana par avion amin’ny fiteny frantsay; tsy misy intsony ny famandrihana par avion amin’ny fiteny malagasy. Ampio an’ireo vidiny vaovao ireo aza fady, ny Lisitr’ireo Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-15-MG).

FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona hila ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana voatonona eo ambony ireo, dia tokony hangataka azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany amin’ny volana manaraka.

◼ Tokony handinika indray ny asan’ireo mpisava lalana maharitra rehetra ny mpitantsoratra sy ny mpiandraikitra prezidà. Raha misy aminy manana fahasahiranana mba hanatratrarana ny ora takina, dia tokony hanao fandaharana ireo loholona mba hanomezana fanampiana azy. Raha mila fanoloran-kevitra, dia jereo indray ireo taratasin’ny Fikambanana (S-201) tamin’ny 1 Oktobra 1992, sy tamin’ny 1 Oktobra 1991. Jereo koa ireo fehintsoratra faha-12-20 amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Oktobra 1986, ao amin’ny pejy faha-4-5.

◼ Ny fankalazana ny Fahatsiarovana dia hatao ny talata 6 Aprily 1993. Na dia azo atomboka aloha kokoa aza ny lahateny, dia tadidio, aza fady, fa tsy tokony hatomboka raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro ny fampandalovana ny mofo sy ny divain’ny Fahatsiarovana. Hamarino any amin’izay miandraikitra izany eo an-toerana ny fotoana ilentehan’ny masoandro ao amin’ny faritra misy anareo. Tsy tokony hisy fivoriana hafa hatao amin’io daty io afa-tsy ny fivoriana ho amin’ny asa fanompoana. Raha manana fivoriana ara-dalàna ny kongregasionanareo ny talata, dia angamba haniry hamindra azy ireny ho amin’ny fotoana hafa amin’ny herinandro ianareo, raha toa ka azo ampiasaina ny Efitrano Fanjakana. Raha ny Fivoriana Momba ny Asa no voakasika, dia angamba ho azo atao ny hampiditra ao anatin’ny Fivoriana Momba ny Asa hafa izay anjara mihatra indrindra amin’ny kongregasionanareo ao anatin’ny fandaharana amin’io herinandro io. Ireo kongregasiona manana ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia tokony handamina indray ireo fivoriana fanaony ara-dalàna ny talata hariva.

◼ Tokony hanao fiomanana dieny izao ireo mpitory maniry hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny Martsa sy Aprily ary hamerina aloha be ny fangatahany. Izany dia hanampy ireo loholona mba hanao ireo fandaminana ilaina ho amin’ny asa fanompoana ary mba hananana zavatra vita an-tsoratra ampy eo am-pelatanana.

◼ Manomboka amin’ny 1993, dia tsy hanao “Volume relié” amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteny malagasy intsony ny fikambanana. Ny farany hisy dia ho an’ny taona 1992. Mampirisika ny rehetra izahay mba hanangona ny nomerao tsirairay amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ary hampiasa ny reliure à tringles, izay azo hafarana atỳ amin’ny sampana. Ireo “Volumes reliés” amin’ny fiteny hafa, toy ny fiteny frantsay sy anglisy dia hisy hatrany.

◼ Fanitsiana: Tao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Janoary 1993, eo amin’ny Fampandrenesana, dia diso ny vidiny nomenay ho an’ireo “Volumes reliés” amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! Ny vidiny marina dia 6 000 Fmg, ho an’ny mpitory sy ny mpisava lalana. Miala tsiny indrindra izahay amin’izany fahadisoana izany.

◼ Tianay ny mampahafantatra anareo ny ora fiasana vaovao eto amin’ny Betela: Alatsinainy ka hatramin’ny zoma: 7.45-12.00 ary 12.45-16.30; asabotsy: 7.45-11.45. Hankasitrahanay indrindra raha afaka mitsidika ny Betela, na maka zavatra vita an-tsoratra, na miantso an-telefaonina ny Betela, mandritra ireo ora fiasana ara-dalàna ireo, ireo rahalahy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara