Fampisehoana Tsotra Sady Mandaitra
1 I Jesosy dia nitory ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny fomba tsotra sy tsy niolakolaka. Fantany fa ireo olona tahaka ny ondry dia ho nanao zavatra tamim-pankasitrahana rehefa nandre ny fahamarinana. Fantany koa fa tsy mitovy ny olona amin’ny fisainany sy ny zavatra mahaliana azy, ary amin’ny fahaizany manjohy hevitra. Nifanaraka tamin’izany, dia nampiasa fampidiran-dresaka samihafa tsotra izy, sy fanontaniana ary fanoharana mba hitanana ny sain’ireo mpihaino azy ary mba hanohinana ny fony. Afaka manahaka ny ohatra navelany isika ary afaka mampiasa amin’ny fomba tsara, fampisehoana tsotra sady mandaitra.
2 Fampiasana ny boky Fanjohian-kevitra amin’ny fomba mandaitra: Ny fampi- diran-dresaka voalohany eo ambanin’ny lohatenikely hoe “Asa/Fonenana” eo amin’ny pejy faha-10 amin’ny boky Fanjohian-kevitra dia amin’ny ilana azy indrindra sy mora aseho.
Ho azonao atao ny hilaza hoe:
◼ “Niresaka tamin’ireo manodidina anao izahay momba ny hoe inona no azo atao mba hahazoana antoka fa hisy asa sy fonenana ho an’ny rehetra. Heverinao ve fa ara-dalàna ny hanantenana ireo fitondram-panjakan’olombelona hanatanteraka izany? (...) Nefa misy persona iray izay mahafantatra ny fomba handaminana ireo zava-manahirana ireo; izy io dia ny Mpamorona ny olombelona.” Vakio ny Isaia 65:21-23. Avy eo, dia ho azonao atao ny hanontany ilay tompon-trano hoe ahoana no fiheverany izany.
3 Ny fampidiran-dresaka eo ambanin’ny lohatenikely hoe “Tsy Rariny/Fijaliana” eo amin’ny pejy faha-14 dia manintona olona maro amin’izao andro izao.
Ho azonao atao ny hanontany hoe:
◼ “Efa mba nanontany tena ve ianao hoe: Moa ve Andriamanitra tena miahy ny amin’ny tsy rariny sy ny fijaliana hitan’ny olombelona?” Avelao ilay tompon-trano hamaly ary avy eo dia vakio ny Mpitoriteny 4:1 sy ny Salamo 72:12-14. Raha mety ny hampisehoana ny boky Hiaina Mandrakizay, dia avadiho ho eo amin’ny sary ao amin’ny pejy faha-150-153 ary asehoy amin’ny fomba fohy ny hoe amin’ny ahoana ny toe-piainana maneran-tany amin’izao andro izao no fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Avy eo, dia avadiho ho eo amin’ny pejy faha-161-162 mba hampisehoana izay efa nambaran’Andriamanitra mialoha ambonin’izany ho fitahiana ny olona. Anontanio ilay tompon-trano hoe lafiny inona no manintona azy indrindra.
4 Aorian’ny firesahana fohy amin’ilay tompon-trano, dia mety hanapa-kevitra ianao fa hety kokoa ny hitarihana ny sainy ho amin’ny lahatsoratra iray ao amin’ny iray amin’ireo gazetintsika, na ao amin’ny bokikely iray, na ao amin’ny taratasy mivalona, noho ny ao amin’ny boky Hiaina Mandrakizay.
Ohatra, rehefa avy nampiasa ny fampidiran-dresaka teo amin’ny fehintsoratra faha-2 amin’ity lahatsoratra ity ianao, dia ho azonao atao ny hilaza toy izao:
◼ “Ity bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? ity dia manazava tsara izay nampanantenain’Andriamanitra fa hatao mba hiahiana ny amin’izay zavatra ilaintsika isan’andro ary mampiseho izy ity hoe amin’ny ahoana isika no afaka mandray soa.” Avadiho ho eo amin’ny pejy faha-26 sy faha-27 ilay bokikely, ary tariho ho amin’ny fehintsoratra faha-21 ny saina.
5 Na rehefa avy nampiasa ny fampidiran-dresaka eo amin’ny fehintsoratra faha-3, dia ho azo atao ny hanasongadina ilay taratasy mivalona hoe Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity?
Ho azonao atao ny hilaza hoe:
◼ “Be dia be ny alahelo sy ny fahoriana eo amin’izao tontolo izao amin’izao andro izao. Ity taratasy mivalona ity dia mampiseho fa ny ady, ny mosary ary ny zava-manahirana ara-pahasalamana dia efa nambara mialoha ao amin’ny Baiboly. Nefa nampanantena koa Andriamanitra fa hahatonga fiovana mahagaga ho an’ny olombelona.” Vakio ny fehintsoratra farany eo amin’ny pejy faha-5 amin’ilay taratasy mivalona.
6 Azo antoka fa hanintona ireo olona tahaka ny ondry ny fiheverana amim-pahatsorana asehontsika, ampian’ny fampisehoana tsotra sady mandaitra izay manohina ny fo. — Jaona 10:16.