Apetraho ny Fototra Amin’ny Fitsidihanao Voalohany
1 Mihamora kokoa ny fanaovana fiverenana mitsidika mandaitra rehefa mametraka ny fototra mety ho amin’izany mandritra ny fitsidihana voalohany isika. Afaka manampy antsika hanao izany ny boky Fanjohian-kevitra.
2 Ny fomba fampiseho atolotra manaraka dia miorina amin’ny fampidiran-dresaka faharoa eo ambanin’ny lohatenikely hoe “Baiboly/Andriamanitra” eo amin’ny pejy faha-10 amin’ny boky Fanjohian-kevitra.
Aorian’ny fiarahabana mampiseho fisakaizana, dia milazà hoe:
◼ “Hitanay fa mihamaro ny olona amin’izao andro izao misalasala ny amin’ny hoe aiza no mety hahitany valiny azo ampiharina amin’ireo zava-manahirana mihamitombo eo amin’ny fiainana andavanandro. Mitovy hevitra amin’izany ve ianao? [Avelao izy hamaly.] Taloha dia nitodika tany amin’ny Baiboly ny olona mba hahazoana fanampiana. Kanefa ankehitriny dia maro no milaza fa feno fisalasalana ny tenany. Manao ahoana ny fihevitrao momba ny Baiboly?” Raha maneho tsy fahazoana antoka momba ny maha-marina azy io ilay tompon-trano, dia raiso ilay taratasy mivalona hoe Nahoana Ianao no Afaka Mitoky Amin’ny Baiboly ary vakio ny fehintsoratra faharoa sy fahatelo eo amin’ny pejy faha-2. Raha manaiky ilay tompon-trano fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, dia jereo ka vakio ireo andinin-teny voatonona ao amin’ny fehintsoratra faharoa eo amin’ny pejy faha-2 amin’ilay taratasy mivalona. Avy eo dia diniho vetivety miaraka aminy izany.
3 Raha misy olona maro ao amin’ny faritaninao maneho fisalasalana, dia andramo ampifanarahina amin’izay misy eo an-toerana ilay fampidiran-dresaka faharoa eo amin’ny pejy faha-11 amin’ny boky Fanjohian-kevitra mba hanairana ny fahalianan’izy ireo.
Azonao atao ny milaza hoe:
◼ “Rehefa heverina ireo fifandonana rehetra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia olona tso-po maro no mahita fa sarotra ny mino an’Andriamanitra. Na, raha mino azy izy ireo, dia tsy mino fa afaka mandamina ireo zava-manahirana atrehintsika izy. Manao ahoana ny fihevitrao? [Avelao izy hamaly.] Mariho izay lazain’ity taratasy mivalona ity momba ny olombelona sy ny siansa ary ny Baiboly.” Avy eo dia atombohy vakina ny fehintsoratra fahadimy eo amin’ny pejy faha-3 amin’ny taratasy mivalona hoe Nahoana Ianao no Afaka Mitoky Amin’ny Baiboly.
4 Milazà fanontaniana avy ao amin’ilay taratasy mivalona mba hametrahana fototra ho amin’ny fiverenanao mitsidika manaraka: Omano ho toy ny fiandohan’ny fitohitohizana fitsidihana mahomby ilay fitsidihanao voalohany. Aza mihevitra fa hoe mila ny hilaza tsipirian-javatra be dia be ianao; tsy tokony ho henjam-pihetsika aoka izany koa ianao ka hahatonga ilay tompon-trano hihevitra fa tsy manam-piheverana amim-pahatsorana azy ianao. Rehefa avy namaky fehintsoratra roa na telo avy ao amin’ilay taratasy mivalona ianao, dia milazà fanontaniana izay ho azo dinihina amin’ny fitsidihana manaraka.
5 Ohatra, azonao atao ny misarika ny saina ho amin’ny fehintsoratra voalohany eo amin’ny pejy faha-5 ka manontany hoe: “Heverinao ve fa manome porofo ampy ny Baiboly mba hahafahantsika hitoky amin’izay lazainy momba ny hoavy?” Izany dia hanorina hevitra azo resahina amin’ilay fiverenana mitsidika.
6 Raha mihevitra ny tompon-trano tsirairay ho toy ny olona mety ho tonga mpianatra isika, dia hiezaka mafy hampiasa ireo teny famaranana lazaintsika mba hametrahana ny fototra ho an’ny fiverenana mitsidika.