Valin’ny Fanontanianareo
◼ Mety ve ny mamokatra indray ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary manaparitaka izany?
Namokatra boky sy gazety be dia be manazava saika ny lafiny rehetra amin’ny fahalalana ara-baiboly ny fandaminan’i Jehovah, hatramin’ny taona maro. Mety halahelo ny olona nianatra ny fahamarinana vao haingana, satria tsy afaka mandray soa avy amin’ireo boky taloha tsy ataon’ny fikambanana pirinty intsony. Nisahirana mafy ny sasany mba hahazoana azy ireny, fa ny hafa kosa nanao izay hamokarana azy tamin’ny fomba isan-karazany. Ohatra, tamin’ny fanaovana pirinty na tamin’ny alalan’ny ordinatera. Natao mba hahazoam-bola izany, indraindray.
Mahafantatra ny sakafo ara-panahy ilaintsika ny “mpanompo” mahatoky, ary manome izany “amin’ny fotoana mety.” (Matio 24:45) Rehefa nisy boky nilaina hatonta indray, dia nanao fandaharana ho amin’izany ny fikambanana. Natao pirinty ho an’ny rehetra indray, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana vita boky (1960-1985). Mety hampisy olana anefa, raha misy olona manapa-kevitra samirery hamokatra sy hanaparitaka boky toy ireny.
Miteraka olana lehibe mantsy ilay izy rehefa vokarina sy aparitaka mba hahazoam-bola. Hoy ny Fanontanian’ny Mpamaky tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, Septambra 1977 (frantsay): “Aleo tsy hararaotina hivarotana boky na hanaovana dokam-barotra ireo fivoriana ataon’ny vahoakan’i Jehovah any amin’ny Efitrano Fanjakana, na any amin’ny Fianarana ny Boky, na any amin’ireo fivoriambe. Amin’izay isika dia hifantoka tanteraka amin’ny fampianaran’Andriamanitra, ary hametraka ny raharaham-barotra amin’ny toerana sahaza azy.” Tokony hitandrina isika, araka izany, mba tsy ho matimatin-karena, ka hanao varotra ny Tenin’Andriamanitra na ireo boky manazava azy io.