Fampandrenesana
◼ Zavatra vita an-tsoratra hasongadina amin’ny May: Famandrihana (Sambo) amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! (Anglisy, Frantsay, Malagasy) amin’ny sarany 5 000 FMG ny herintaona (2 500 FMG no haloan’ny mpisava lalana), ary 2 500 FMG ny enim-bolana (1 250 FMG no haloan’ny mpisava lalana), ary rehefa mety ho bokikely (afa-tsy ny bokikely Sekoly). Ho an’ny famandrihana Par Avion, jereo ny taratasy M-203 farany. Jona: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG ho an’ny mpisava lalana). Jolay: Azo ampiasaina ny iray amin’ireto bokikely manaraka ireto: “Indro, Havaoziko ny Zavatra rehetra”, Mifalia Amin’ny Fiainana Eto An-tany Mandrakizay!, Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, na Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?, amin’ny sarany 300 FMG (200 FMG ho an’ny mpisava lalana). Aogositra sy Septambra: Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany, amin’ny sarany 500 FMG (250 FMG ho an’ny mpisava lalana). FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona hila ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana ireo dia tokony hanafatra azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany amin’ny volana manaraka.
◼ Mandritra ny volana May 1993, dia afaka mahazo ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika amin’ny sarany 200 FMG ny olona rehetra manatrika ireo fivoriantsika. Ampiasao amin’ny fomba tsara aza fady io fanolorana io. Aoka samy hanana io boky io ny mpikambana tsirairay amin’ny fianakavianao sy ny olona tsirairay liana ampianao. Mandritra ny volana May 1993 IHANY io fanolorana io.
◼ Ampirisihina ireo rahalahy hanatrika ny Fivoriamben’ny Distrika anendrena ny kongregasiona misy azy, araka izay hita etsy ambany; hanampy anay amin’ny fandaminana amin’ny fomba mety ireo fivoriamben’ny distrika izany. TOAMASINA 19-22 Aogositra: Kongregasiona ao amin’ny: Fizaran-tany 4A, tapany amin’ny 4D sy 4E. ANTSIRANANA 19-22 Aogositra: Fizaran-tany 1A, B, D, E. FIANARANTSOA 26-29 Aogositra: Fizaran-tany 3A sy 3B; 5B sy 5D. ANTSIRABE 26-29 Aogositra: Fizaran-tany 3D; 5A sy 5E. ANTANANARIVO I 2-5 Septambra: Fizaran-tany 2 rehetra; 4B sy tapany amin’ny 4D (Moramanga sy Anosibe An’ala). ANTANANARIVO II 9-12 Septambra: Fizaran-tany 1F; 6 rehetra; 7 rehetra.
◼ Zavatra Vita An-tsoratra Azo Raisina:
Frantsay: Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible (Fanontana mitambatra: A-Z), amin’ny sarany 19 000 FMG (11 400 FMG ho an’ny mpisava lalana). Zavatra hafarana manokana io. Tokony hampiarahina amin’ny fanafarana ny vola.
◼ Fanitsiana: Ao amin’ny boky ho an’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, eo amin’ny pejy faha-63, fehintsoratra faha-18, ny hoe “tampotampoka”, eo amin’ny andalana faha-2 sy faha-4, dia ovana hoe “an-tehaka”.
Eo amin’ny pejy faha-63 amin’io boky io ihany, eo amin’ny fanontaniana famerenana 16-18, dia ovana hoe “fitenenana an-tehaka” ny hoe “fitenenana tampotampoka”.
Ao amin’ny bokikely Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, pejy faha-4, fehintsoratra faha-3, dia ovana hoe “Voie Lactée” ny hoe “Vahindanitra”.
Eo amin’ny pejy faha-6, fehintsoratra faha-13, andalana faha-5 sy 6 amin’io bokikely io ihany, dia ovana hoe “iray alina tapitrisa eo ho eo” ny hoe “an’aliny tapitrisa maro”.