Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Iza no tokony hahazo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana?
Natao mba hanomezana fanampiana sy fampirisihana ho an’ireo izay mandray anjara amin’ny asa fanompoana Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Noho izany, dia tsy zaraina amin’ny rehetra izy io. Ny mpitory rehetra, vita batisa sy tsy vita batisa, dia tokony hahazo iray. Tokony hahazo izany koa ireo izay manatrika tsy tapaka ny Fivoriana Momba ny Asa ka mandroso ho amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa fanompoana. Aoka mba hisy iray hatokana ho an’ny fitahirizam-bokin’ny Efitrano Fanjakana. Tsy tokony homena Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ireo olona voaroaka.
Hitan’ny kongregasiona sasantsasany ho mahasoa ny manao lisitr’ireo olona rehetra mahafeno fepetra hahazo izany ary avy eo dia mizara ilay lisitra araka ireo antokon’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona. Io lisitra io dia azon’ireo mpitarika ny fianarana ny boky ampiasaina mba hanamora ny fizarana, angamba aza amin’ny fanoratana amin’ny milina na amin’ny fanoratana mazava eo amin’ny Fanompoantsika ny anaran’ny olona tsirairay. Tokony hikarakara tsara ka hampiasa izany amin’ny fanomanana ny Fivoriana Momba ny Asa sy amin’ny asa fanompoana izay olona mahazo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Maro no mahita fa manampy ny fampirimana Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ao amin’ny fitahirizam-bokiny teokratika manokana mba hahafahana hijery izany any aoriana.