FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/93 p. 3
  • Valin’ireo Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka isika hanaiky an’i Jehovah amin’ny fanolorana ho azy ny tenantsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Dinidinika Farany Miaraka Amin’ireo Hatao Batisa
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Manome Voninahitra An’Andriamanitra ve ny Fiakanjonao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Moa ve ny Akanjoko Mampiharihary Ilay Tena Izaho?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
km 6/93 p. 3

Valin’ireo Fanontanianareo

◼ Inona no hoheverina fa fitafiana mety rehefa miseho hatao batisa ny tena?

Na dia samy hafa araka ny faritra amin’ny tany aza ny fari-pitsipika amin’ny fitafiana, ny torohevitry ny Baiboly mba hiakanjoana amin’ny “fahamaotinana sy ny fahononan-tena” dia mitovy hatrany ho an’ny Kristiana rehetra, na aiza na aiza faritra onenany. (1 Tim. 2:9). Io fotopoto-pitsipika io dia tokony hampiharina eo am-piheverana izay fitafiana mety ho an’ny batisa.

Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Septambra 1985, pejy faha-30, dia manome izao torohevitra izao ho an’ny olona iray hatao batisa: ‘Zava-dehibe alohan’ny zavatra rehetra ny hanehoana fahamaotinana amin’ny fifidianana ny karazan’akanjo fitondra milomano hampiasaina amin’io fotoana io. Zava-dehibe tokoa izany fampahatsiahivana izany, indrindra fa satria amin’izao androntsika izao ireo mpanao lamaody dia toa miezaka hampisongadina ny maha-lahy sy ny maha-vavy sy hampanao ny olona akanjo mila hampitanjaka azy ireo mihitsy. Tokony ho fantatra koa fa ny akanjo fitondra milomano sasany dia toa maotina rehefa maina, nefa hita mazava ho tsy toy izany loatra rehefa lena. Tsy misy olona hatao batisa haniry hampiriorio ny sain’ny hafa na hanafintohina azy amin’ny fisehoan-javatra lehibe toy ny batisa. — Filipiana 1:10.’

Mifanaraka amin’io torohevitra io, ireo izay hatao batisa dia haniry hanao fitafiana maotina, amin’ny fihazonana ao an-tsaina ny maha-zava-dehibe ilay fotoana. Noho izany, ny akanjo fitondra milomano izay zara fa misy takon-kenatra na mipetaka amin’ny vatany tsy amim-pahamaotinana dia tsy ho fitafiana mendrika ny Kristiana iray ka tokony hohalavirina. Toy izany koa fa tsy hety ny hananan’ny olona iray fisehoana misavoritaka na baranahiny. Fanampin’izany, dia tsy hety ny fanaovana T-shirt misy tenin’izao tontolo izao na dokam-barotra.

Rehefa mandinika ireo fanontaniana ho an’ny batisa miaraka amin’ireo milatsaka hatao batisa ireo loholona notendrena hanao izany, dia amin’izay no ho fotoana tsara hiresahana momba ny maha-zava-dehibe ny fanaovana fitafiana mety. Amin’izany fomba izany, dia ho voahazona ny fahamendrehan’ilay fisehoan-javatra, ary hanohy hiseho ho hafa noho izao tontolo izao isika. — Ampitahao amin’ny Jaona 15:19.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara