Fitarihana Fampianarana Baiboly any An-tokantrano
1 Amin’ny fomba ahoana no itarihana fampianarana Baiboly mandaitra any an-tokantrano? Ohatra fototra inona no ananantsika? Ahoana no azo andinihana ireo andinin-teny ao amin’ilay zavatra ianarana? Iza no tokony hamaky ireo fehintsoratra? Ankoatra ny fomba fototra itarihana ny fampianarana iray, inona koa no mbola ilaina mba hanampiana ilay mpianatra hitondra tena araka ny fahamarinana? Fandrika inona avy no tsy maintsy halavirina?
2 Fomba fitarihana fampianarana iray: Amin’ny ankapobeny, dia manaraka ny modelin’ny Fianarana ny Tilikambo Fiambenana ny fitarihana fampianarana Baiboly iray any an-tokantrano. Voalohany, dia vakina ilay fehintsoratra tokony hodinihina. Avy eo, dia milaza ny fanontaniana voasoratra mifandray amin’izany fehintsoratra izany ny mpitarika ilay fampianarana ary mamela ilay mpianatra hamaly. Raha toa ka misalasala ilay mpianatra, dia tokony ho voaomana ilay mpitarika hanao fanontaniana fitarihana ny saina, izay hahatonga ilay mpianatra hanjohy hevitra momba ilay foto-kevitra dinihina ka ho tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra mety.
3 Diniho ny fomba ifandraisan’ny andinin-teny amin’ny zavatra ianarana ao amin’ilay fehintsoratra. Asehoy amin’ilay mpianatra ny fomba ahafantarana ireo andinin-teny voasoratra, ary miaraha manjohy hevitra aminy momba ny fomba azo ampiharana azy ireo. Raha toa ka voalaza fotsiny fa tsy voasoratra ireo andinin-teny, dia tsara ny mitady izany ao amin’ny Baiboly, raha tsy hoe lava loatra angaha izy ireo. Avy eo, dia avelao ilay mpianatra hamaky azy ireny sy hanazava ny fomba anohanany na anazavany izay ambara ao amin’ilay fehintsoratra.
4 Ampio ilay mpianatra hitondra tena araka ny fahamarinana: Ampirisiho ilay mpianatra hiomana tsara ho amin’ny fianarana. Antitrantero fa tena zava-dehibe ny famakian-teny amin’ny fianarana. Arakaraka ny hamakian’ilay mpianatra zavatra betsaka kokoa sy hisaintsainany izany no hianarany tsara kokoa. Ny mpitarika sasany dia mampamaky an’ilay mpianatra ireo fehintsoratra rehetra mandritra ny fianarana ny Baiboly. Ny hafa mifandimby aminy amin’ny famakiana ny fehintsoratra. Tokony hisy fahaiza-mitsara zavatra, amin’ny fitadidiana ao an-tsaina ny fandrosoan’ilay mpianatra ara-panahy.
5 Ny fandinihana ny zavatra ianarana mba hiorenany ao an-tsaina dia mety hanampy ilay mpianatra hahazo fahalalana fotsiny, nefa moa ve mino izay ianarany izy? Raha tiana ny hitondrany tena araka ny fahamarinana, dia tsy maintsy jereny hoe amin’ny fomba ahoana no mahakasika azy manokana ny zavatra ianarany. Inona no heviny momba izay ianarany? Amin’ny fomba ahoana no ahafahany mampiasa izay nianarany? Mampiasà fanontaniana fampieritreretana mba hanohinana ny fon’ilay mpianatra.
6 Halaviro ireo fandrika: Misy fandrika tokony hialana rehefa mitarika fampianarana Baiboly. Rehefa misy foto-kevitra mipoitra tsy misy ifandraisany amin’ny zavatra dinihina, dia mazàna tsara indrindra ny mandinika azy ireny eo am-pifaranan’ny fianarana na amin’ny fotoana hafa. Zava-dehibe koa ny hanomezan’ilay mpianatra valin-teny amin’ny fiteniny manokana, fa tsy ny hamakiany azy ireny avy ao amin’ilay boky. Izany dia hanampy anao mba hamantatra amin’ny maha-mpitarika raha takatr’ilay mpianatra ny zavatra nianarany na tsia.
7 Nahoana no tsy manao ho tanjona ny hitarika fara fahakeliny fampianarana Baiboly iray? Tsy andraikitra sarotra izany raha miantehitra amin’i Jehovah ianao ka manaraka ny fomba fototra fitarihana ny Fianarana ny Tilikambo Fiambenana. Ny fomba mandaitra indrindra hampianarana ny fahamarinana amin’ny hafa sy hanaovana mpianatra dia ny fitarihana fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Amin’ny fanaovana izany, no hahafahanao koa hahita fifaliana, izay azo amin’ny fandraisana anjara feno amin’ny fanatanterahana ny baikon’i Jesosy ao amin’ny Matio 28:19, 20.