Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Oktobra
Herinandron’ny 4 Oktobra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manolora hevitra ny amin’ireo fomba azo ampiasana ireo gazety farany ao amin’ny faritany eo an-toerana. Antitrantero ny maha-zava-dehibe ny hiverenana mitsidika any amin’izay rehetra nametrahana gazety amin’ny fikendrena ny hanao lalana fizarana gazety. Rehefa hita fa liana amim-pahatsorana ny tompon-trano, dia azo atolotra ny famandrihana.
15 min: “Manaja ny Toerana Fanaovanao Fanompoam-pivavahana ve Ianao?” Lahateny ataon’ny loholona iray miorina amin’ny lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 1993. Ampiharo amin’ny toe-javatra misy eo an-toerana ny fanazavana. Raha misy zava-manahirana manokana tokony hitarihana ny saina, dia manomeza torohevitra mifanentana amim-pahaiza-mandanjalanja.
20 min: Hatsarao ny Fitorianao Isan-trano Mandritra ny Oktobra. Miara-mandinika amin’ny mpanatrika ny maha-zava-dehibe ny fitoriana isan-trano ny Mpiandraikitra ny asa na rahalahy mahay iray hafa. Manome fahafahana hanao fampisehoana samihafa ny zavatra vita an-tsoratra misy foto-kevitra samihafa atolotra amin’ny Oktobra. Manaova fampisehoana: 1) Manombo-dresaka izay hitarika ho amin’ny lahatsoratra iray ao amin’ny gazety farany amin’ny Mifohaza! na Ny Tilikambo Fiambenana ny mpitory iray. Miankina amin’ny fahalianana asehon’ilay tompon-trano, dia mety hanolotra ireo gazety farany indrindra ilay mpitory na hanome taratasy mivalona an’ilay olona. 2) Mampiasa taratasy mivalona iray mba hanombohana resadresaka tsy ara-potoana ny mpitory iray ary manolotra ireo gazety farany amin’ilay olona liana izy avy eo. 3) Ny mpitory iray manao fitsidihana ny lalana fizarany gazety, dia manapa-kevitra ny hanolotra famandrihana. Ny fahafahana miovaova toy izany dia tokony hampirisika ny mpitory rehetra hanatsara ny fitoriany isan-trano mandritra ny Oktobra. Tsy isalasalana fa hanompo amin’ny maha-mpisava lalana mpanampy ny sasany ao amin’ny kongregasiona amin’itỳ volana itỳ. Mety ho mbola tsy diso aoriana loatra ny hamenoana fangatahana, ho an’ny hafa izay afaka manao izany.
Herinandron’ny 11 Oktobra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Filazana momba ny toe-bola. Vakio ny fisaorana noho ny fanomezana, ary manehoa fankasitrahana ny kongregasiona noho ny fanohanana amim-pahalalahan-tanana ny asa maneran-tany amin’ny ara-bola ary koa noho ny fiahiana ny amin’izay nilain’ny kongregasiona teo an-toerana. Diniho fohy ireo fandaharana ho amin’ny asa fanompoana mandritra ny herinandro, ary manehoa fankasitrahana noho ny fanohanana amim-pahazotoana nasehon’ny mpitory.
15 min: “Fampiasana Isan-trano Ireo Gazetintsika”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Manana antony tsara tokony hahabe risi-po isika amin’ny fampisehoana ireo gazety amin’ny olona mihaona amintsika eny amin’ny asa fanompoana sy amin’ireo izay anaovantsika fanambarana tsy ara-potoana. Na dia misy daty aza ireo gazety ka ireo nomerao farany indrindra no tokony haseho amin’ny andro fampielezana gazety, dia mila ny tsy misalasala isika manolotra ireo gazety tranainy kokoa rehefa mamela izany ny toe-javatra. Aoka ho azo antoka fa madio sy tsy misy simba ny gazety hatolotrao. Manao ilay fampisehoana voalaza eo amin’ny fehintsoratra faha-4 ny mpitory mahay iray.
20 min: “Mampihatra Fitaomana Mahery ny Fampianarana Araka An’Andriamanitra”. Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Vakio ireo fehintsoratra sy ireo andinin-teny voalaza araka ny hamelan’ny fotoana izany. Aoka hisy hanome fanazavana fohy, ahitana ny fankasitrahany manokana noho ireo soa azo tamin’ny fanatrehana ny fivoriamben’ny distrika sy tamin’ny fampiasana ireo zavatra vita an-tsoratra navoaka tamin’ny fivoriambe.
Herinandron’ny 18 Oktobra
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Teokratika.
15 min: “Fanehoana Tsy Fanavakavahana eo Amin’ny Fanompoantsika”. Fanontaniana sy valiny. Antitrantero ireo lafiny amin’io foto-kevitra io izay mahakasika indrindra ny faritany eo an-toerana.
15 min: “Manomeza Fiheverana ny Fahalianana Hita”. Lahateny iray misy fanontaniana sasantsasany atao amin’ny mpanatrika. Manaova fampisehoana ny amin’ny fomba nampitomboan’ireo mpitory ny fahalianana teo amin’ny faritany teo an-toerana, na misy mpitory mitantara ny zavatra hitany vao haingana teny am-pitoriana izay mampiseho ny maha-zava-dehibe ny hiverenana mitsidika ireo izay nandray gazety Mifohaza! sy Ny Tilikambo Fiambenana mandeha mitokana.
10 min: Zavatra ilaina eo an-toerana na lahateny mandrisika momba ny hoe “Ny Kristiana Voalohany sy Izao Tontolo Izao”, miorina amin’ny lahatsoratra voalohany ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1993. Antitrantero ny ilana hanahafantsika amin’izao andro izao ny ohatr’ireo Kristiana voalohany.
Herinandron’ny 25 Oktobra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampidiro ao anatin’izany ireo fandaharana ho amin’ny asa fanompoana mandritra ny herinandro, ary tariho ny saina ho amin’ireo hevitra ao amin’ny gazety farany izay azon’ny mpitory ampiasaina amin’ireo andro manaraka. Raha mamela hanao izany ny fotoana, dia manaova fampisehoana fohy iray na roa, izay hifanentana amin’ny faritany eo an-toerana. Manaova fampahatsiahivana ny amin’ny ilana hiverenana mitsidika ireo rehetra nampiseho fahalianana.
15 min: Aoka Ianao ho Voaomana mba Hampionona Ireo Mana-manjo (miorina amin’ny pejy faha-108-111 amin’ny boky Fanjohian-kevitra). (3 min.) Manao fanamarihana ilay rahalahy mitarika itỳ anjara itỳ fa tsy hoe lavin’ny Vavolombelon’i Jehovah avokoa akory ireo fanao rehetra mifandray amin’ny fahafatesana. (5 min.) Manaova fampisehoana ny amin’ny fomba hanazavan’ny Vavolombelona iray amin’ny mpiara-miasa aminy ny antony tsy hanarahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanao mahazatra sasany amin’ny fisaonana ny maty, amin’ny fanorenana ny fiaraha-midinika amin’ny boky Fanjohian-kevitra pejy faha-108-109. (7 min.) Miaraha mandinika amin’ny mpanatrika ny tapany eo ambanin’ny hoe “Raha misy milaza aminao hoe:” eo amin’ny pejy faha-110-111.
20 min: “Fitarihana Fampianarana Baiboly any An-tokantrano”. Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Manaova fampisehoana naverina tsara ahitana mpitory manampy mpianatra iray hahatakatra hoe amin’ny ahoana ireo andinin-teny voalaza no manohana ny fanazavana ao amin’ny fehintsoratra dinihina. Mampiasa fanontaniana fanampiny ilay mpitory mba hanampiana ilay mpianatra hitondra tena araka ny fahamarinana ao amin’io fampisehoana io ihany koa. Tapany voafantina amin’ny boky Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana na Hiaina Mandrakizay ampiasaina.