Fampandrenesana
◼ Zavatra vita an-tsoratra atolotra mandritra ny Oktobra: Famandrihana amin’ny Réveillez-vous! na Ny Tilikambo Fiambenana, na fanolorona ireo gazety mandeha mitokana. Novambra: Fanolorana manokana: Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany, amin’ny sarany 500 FMG (250 FMG no haloan’ny mpisava lalana). Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG no haloan’ny mpisava lalana). Janoary: Fanolorana manokana: Ny boky roa mitambatra Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra sy “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao” amin’ny sarany 600 FMG. FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona mbola tsy nanao ny fanafarany an’ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana voalaza etsy ambony dia tokony hanao izany eo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany manaraka.
◼ Ny “Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika Amin’ny 1994” no taratasy fanampiny ao anatin’itỳ Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana itỳ ary tokony hotahirizina mba hojerena mandritra ny 1994.