FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/01 p. 1-7
  • Tsy Fanavakavahana eo Amin’ny Fanompoantsika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Fanavakavahana eo Amin’ny Fanompoantsika
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 6/01 p. 1-7

Tsy Fanavakavahana eo Amin’ny Fanompoantsika

1 “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”, hoy i Petera, fa “izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany”. (Asa. 10:34, 35) Tontosaina mifanaraka tanteraka amin’izany fahamarinana mazava izany ny fanompoantsika ankehitriny. Zava-dehibe àry ny hanaovantsika ny ezaka rehetra mba handresena izay fefy manakantsakana antsika tsy hahatratra ny olona amin’ny vaovao tsara.

2 Rehefa mitory isan-trano any amin’ny faritra sasany isika, dia tsy mahalana no mahita olona tsy miteny na tsy mahazo ny fiteny ampiasaintsika ao amin’ny kongregasionantsika. Tsy mandray soa avy amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana torintsika ny olona sasany noho ny tsy fahaizany ilay fiteny. Anisan’ireny olona ireny, ny marenina, izay mampita hevitra amin’ny alalan’ny baikon’ny moana. Inona no azo atao mba handresena ny tsy fahaizana ilay fiteny, izay misakana antsika tsy hahatratra ireny olona ireny amin’ny vaovao tsara, amin’ny fomba mandaitra?

3 Tamin’ny faran’ny taona, dia nandefa Taratasy Fitsidihana S-43-MG ho an’ny kongregasiona rehetra, ny Fikambanana. Ny zava-kendren’io taratasy io dia ny hahazoana antoka fa ny olona mipetraka ao amin’ny faritanin’ny kongregasiona, nefa tsy mahay ny fiteniny, anisan’izany ny olona mampiasa baikon’ny moana, dia homena fahafahana handre ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny fiteniny.

4 Tokony hameno mazava tsara ny iray amin’ireny taratasy ireny ianao, rehefa mahita olona marenina na tsy mahazo ny fiteny ampiasain’ny kongregasiona, ao amin’ny faritany. Tokony hatao izany na dia tsy liana amin’ny fahamarinana aza ilay olona. Mety ho tsy azonao atao foana ny hahazo ny anaran’ilay olona, nefa tokony hosoratanao ny adiresiny sy ny fiteniny. Azo atao ny mandatsaka ilay taratasy ao anatin’ny boaty ho amin’ny tatitra momba ny fanompoana eny amin’ny saha, ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Hanangona ireny taratasy ireny ny mpitan-tsoratra, hanamarina sy hijery raha mazava tsara izy ireny, ary handefa azy ireny any amin’ny kongregasiona na antokon’olona akaiky indrindra, izay mikarakara ny olona miteny amin’ilay fiteny nosoratana.

5 Raha tsy misy mihitsy kongregasiona na antokon’olona afaka ny hitory amin’ilay fiteny ilaina, ao amin’ilay faritra manontolo, dia mety hisy mpitory ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana izay mahay ilay fiteny ka hikarakara ilay fitsidihana. Raha tsy mahita olona mahay ilay fiteny mihitsy na dia efa niresaka tamin’ny mpiandraikitra ny tanàna aza, dia tokony hanao izay rehetra azony atao ny rahalahy eo an-toerana mba hanaovana ilay fitoriana. Hita ho tena nanampy ilay bokikely hoe Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! tao anatin’ny tarehin-javatra toy izany.

6 Tokony ho mailaka hampiasa ilay taratasy fitsidihana araka izay ilana izany, ny mpitory tsirairay. Raha tsy manana taratasy S-43-MG ny kongregasiona, dia azo soratana eo amin’ny ravin-taratasy kely ilay fanazavana ilaina ary averina araka ny voalaza tetsy ambony. Rehefa miezaka amim-pahatsorana hanatratra ny olona rehetra amin’ny vaovao tsara isika, na inona na inona fiteniny, dia hanome taratry ny fitiavan’i Jehovah Andriamanitsika, “izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina”.—1 Tim. 2:4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara