Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 11 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Vaovao Farany.
15 min: “Aza mba Ketraka Amin’ny Fanaovan-tsoa”. Lahateny mampahery miorina amin’ny Soratra Masina ataon’ny anti-panahy iray.
20 min: “Aoka Ianao Hanohina ny Fon’ny Olona Ampianarinao”.a Mampidira fanoloran-kevitra azo ampiharina ny amin’ny fomba hanampiana ireo vaovao mba hampitombo ao am-pony ny finoana sy fitiavana an’i Jehovah sy i Jesosy. Ampiasao ny hevi-dehibe ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1999, pejy 14, fehintsoratra 18-20.
Herinandron’ny 18 Jona
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
10 min: Famaliana Fanoherana Mety ho Hita. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Diniho ny “Fanamarihana” ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 15. Mifidiana fanoherana sasany hita eny amin’ny faritaninareo, manomboka eo amin’ny pejy 16-20. Asao ny mpanatrika hilaza izay valin-teny mandaitra amin’izany sy ny antony.
30 min: “Vonona Hanompo ve Ianao?” Lahateny mampahery elanelanin’ny valin-teny avy amin’ny mpanatrika mba hamaliana ireo fanontaniana nomanina eo amin’ny fehintsoratra 13 sy 18-24. Ampirisiho ny ray aman-dreny mba hanampy ny zanany hihevitra ny fanompoana ao amin’ny Betela ho anton’asa. Ampirisiho ny fianakaviana mba hiara-mianatra ity takelaka fanampiny ity amin’ny fianaram-pianakaviany.
Herinandron’ny 25 Jona
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Resaho ny zavatra atolotra amin’ny Jolay sy Aogositra. Asio fampisehoana voaomana tsara ny amin’ny fomba hanolorana ilay bokikely vaovao eny amin’ny fanompoana.
15 min: “Atombohy sy Farano Ara-potoana ny Fivoriana”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Vakio ny fehintsoratra rehetra.
15 min: Ampiasao Amin’ny Fomba Tsara ny Diary 2001. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Resaho ny “Tontalibeny 2000”, eo amin’ny pejy 31. Diniho ny “Taratasy Avy Amin’ny Fitambara-mpitantana”, eo amin’ny pejy 3-5. Manasà mpanatrika sasany mba hilaza tatitra na fitantarana iray, avy ao amin’ilay Diary vaovao, izay nampahery azy ireo sy nanatanjaka indrindra ny finoany. Ampirisiho ny fianakaviana mba hiara-mamaky ny Diary manontolo, toy ny ataon’ny fianakavian’ny Betela maneran-tany mandritra ny taona. Mangataha fanoloran-kevitra ny amin’ny fomba hampiasana ny Diary mba hanampiana ny mpianatra ny Baiboly hahatakatra tsara kokoa ny fandaminan’i Jehovah sy ny maha tombontsoa ny ho anisan’izy io.
Herinandron’ny 2 Jolay
13 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Jona. Diniho ilay faritra voafefy hoe “Tsy Misy ny Diary 2000 ve ny Fitahirizam-bokinao?” Milazà fitantarana fohy sasany avy amin’io Diary io mba hampisehoana ny hasarobidin’ny zavatra raketiny. Ampirisiho mba hanafatra io Diary io izay rehetra tsy manana azy io ao amin’ny fitahirizam-bokiny.
15 min: Ry Tanora—Manehoa Fahendrena eo Amin’ny Fifidianana ny Asa Ataonao. Ity no voalohany amin’ny anjara telo amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana izay handinihana ireo toro lalana araka ny Soratra Masina mifandray amin’ny fianarana fanampiny. Misy tanora kristianina mikatsaka asa hahafahany hisondrotra, ka manaraka fianarana ambony, nefa dia misy voka-dratsy eo amin’ny fahasalamany ara-panahy izany. Resadresaka ifanaovan’ny ray aman-dreny sy ny zanany zatovolahy na zatovovavy ity anjara ity. Eo amin’ny tokony hilana hanaovana fanapahan-kevitra lehibe momba ny tanjony amin’ny hoavy ilay tanora. Na dia mety haniry hikatsaka tombontsoa ara-bola sy laza aza ny sasany dia mandinika ny Baiboly ilay fianakaviana mba hahitana izay lazainy. (Jereo ny Manontany ny Tanora, pejy 174-175; Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1997, pejy 21, ary ny 1 Septambra 1999, pejy 19-21, fehintsoratra 1-3 sy 5-6.) Manaiky ilay tanora fa fahendrena ny mikatsaka zavatra eo amin’ny fiainana izay hanampy azy hanatratra zava-kendrena ara-panahy mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana.
17 min: “Tsy Fanavakavahana eo Amin’ny Fanompoantsika”.b Fanontaniana sy valiny. Asongadino ao amin’io foto-kevitra io ireo lafin-javatra mampanahy indrindra eo amin’ny faritany eo an-toerana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.