Ampio Ireo Mpianatra ny Baiboly Hiomana ho Amin’ny Fianaran’izy Ireo
1 Ireo mpianatra ny Baiboly izay miomana ho amin’ny fianarany isan-kerinandro dia mampiseho fahalianana amim-pahatsorana amin’ilay fianarana ary mazàna manao fandrosoana haingana kokoa noho ireo izay tsy manomana. Indraindray dia tsy manomana ny mpianatra iray, angamba satria tsy fantany ny fomba anaovana izany. Mety hilaina ny hampianarana azy ny fomba fanomanana. Amin’ny fomba ahoana no azo anaovana izany?
2 Hatrany am-piandohana mihitsy, dia makà fotoana kely mba hahazoana antoka fa takatr’ilay mpianatra hoe mahafaoka fianarana ny fanomanana. Olona maro, na dia mahay mamaky teny aza, no tsy nampianarina ny fomba fianarana. Manolotra fanipazan-kevitra mahasoa maro izay azonao ampitaina amin’ilay mpianatra araka izay ilaina ny pejy faha-33-43 ao amin’ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika.
3 Asehoy an’ilay mpianatra ny hasarobidin’ny fianarana: Ho azonao aseho an’ilay mpianatra ny boky fianaranao ahitana ireo teny na fitambaran-teny fototra izay voaisy marika na voatsipika eo ambaniny. Aoka ho hitany hoe amin’ny fomba ahoana ny fanopaza-maso amin’ireo faritra voaisy marika no hampahatsiaro azy ireo hevitra, ka ho afaka hilaza ny heviny amin’ny fomba fiteniny manokana izy. Amin’izay dia tsy halaim-panahy izy hamaky ireo tapany manontolo avy amin’ilay boky rehefa mamaly ireo fanontaniana. Ny fampiofanana mety amin’izay ambaratonga izay dia hanampy azy hanome valin-teny misy heviny any aoriana, any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona. Ireo valin-teniny dia hanome taratry ny fankasitrahana ilay zavatra dinihina ary hampiseho ny halalin’ny fahazoany hevitra.
4 Ampianaro hampiasa ny Baiboly izy: Ilay mpianatra dia mila ny mianatra ny fomba hahitana ireo andinin-teny voatondro ao amin’ilay boky ianarana. Rehefa afaka manao izany amim-pahombiazana izy dia hahatsapa amin’ny fomba feno kokoa fa tena mpianatra ny Baiboly izy. Na dia mety hila ny hampiasa ny lisitr’ireo boky ao amin’ny Baiboly hita eo amim-piandohan’ny Baiboly aza ilay mpianatra amin’ny voalohany, dia tokony hampirisihina izy hifankazatra amin’ny filaharan’ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly. Rehefa mitady izy ka mahita ary mamaky andinin-teny iray, dia ampio izy mba hamantatra ny tapany izay manohana ny hevitra dinihina ao amin’ny fehintsoratra fa tsy ho variana amin’ny tapany izay tsy mifandray mivantana amin’ny fianarana atao izao.
5 Rehefa mandroso ilay mpianatra, dia ampirisiho hamaky ny Baiboly hatrany amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Antitrantero fa ny Baiboly manontolo no Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry ary ny Kristiana marina dia tsy maintsy mamahan-tena ara-panahy amin’ny alalan’izy io. — Matio 4:4; 2 Tim. 3:16, 17.
6 Ampahafantaro ny boky misy fakàn-teny teokratika hafa: Rehefa ampy ny fandrosoan’ilay mpianatra dia afaka manomboka mampiasa boky misy fakàn-teny teokratika hafa izy. Amim-pahaiza-manavaka, dia ampirisiho izy mba hikaroka fanazavana amboniny ao amin’ny zavatra vita an-tsoratra avoakan’ny Fikambanana mba hifankazarany amin’izany rehefa manatrika ireo fivorian’ny kongregasiona izy. Rehefa manomboka manorina ny tahirim-bokiny teokratika izy, dia asehoy azy ny fomba fampiasana ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina sy ny Index.
7 Raha ampianarintsika an’ireo mpianatra ny Baiboly ny fomba fanomanana ny fianarany Baiboly, dia hampiofana azy ireny isika mba hanohy handroso ao amin’ny fahamarinana amin’ny maha-mpianatra ny Baiboly mahay na dia aorian’ny fahavitan’ny fianarany Baiboly manokana any an-tokantrano aza.