FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/93 p. 2
  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Novambra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Novambra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 1 Novambra
  • Herinandron’ny 8 Novambra
  • Herinandron’ny 15 Novambra
  • Herinandron’ny 22 Novambra
  • Herinandron’ny 29 Novambra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
km 11/93 p. 2

Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Novambra

Herinandron’ny 1 Novambra

Hira 5, Hira 52

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ary ireo “Zavatra Vita An-tsoratra Vaovao Azo Raisina”. Derao ireo mpitory noho ny fandraisany anjara amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana.

10 min: “Nofy”, boky Fanjohian-kevitra, pejy faha-341-342. Atao toy ny dinidinika miaraka amin’ny mpianatra ny Baiboly. Manontany ilay mpianatra raha fahendrena ny hotarihin’ireo nofintsika. Miaraha mandinika ny loza avy amin’izany, ny fomba mety hahatonga antsika ho latsaka ao anatin’ny fandriky ny fanjohian-kevitr’izao tontolo izao sy ireo demonia. Asehoy ny maha-zava-dehibe ny hotarihin’ireo fotopoto-pitsipika hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

10 min: Zavatra ilaina eo an-toerana na “Fifandraisana Amin’ny Vady — Tsy Vitan’ny Firesahana Fotsiny”. Lahateny miorina amin’ireo lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aogositra 1993, pejy faha-3-8.

15 min: “Ny Hasarobidin’ny Baiboly eo Amin’ny Tontolo Ankehitriny”. Fiaraha-midinika ifanaovan’ny mpiandraikitra ny asa sy mpitory tanora izay maniry ny hanatsara ny fahaizany amin’ny asa fitoriana isan-trano. Rehefa avy mandinika ny fehintsoratra faha-3 ilay mpiandraikitra ny asa, dia mangataka an’ilay mpitory mba hanao ilay fomba fampiseho anipazana hevitra ka ilay mpiandraikitra ny asa no tompon-trano. Rehefa avy mandinika ny fehintsoratra faha-4, dia ataon’ilay mpiandraikitra ny asa amin’ilay mpitory ilay fomba fampiseho anipazana hevitra. Ampirisiho ny kongregasiona mba hanampy ireo olona liana sy ireo mpianatra ny Baiboly hahatakatra ny hasarobidin’ny boky Fahatanoranao.

Herinandron’ny 8 Novambra

Hira 7, Hira 80

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manaova fampisehoana momba ny fanolorana ireo gazety farany, amin’ny fanasongadinana lahatsoratra izay azo ampiasaina amin’ny asa fitoriana amin’izao faran’ny herinandro izao. Sariho ny saina ho amin’ny lahatsoratra hoe “Volana Manokana Iray ho Amin’ny Asa Fitoriana”, ary asao ny rehetra mba samy hihevitra amim-pitandremana tsara ny fahafahana hampitombo ny asa fanompoany amin’ny Desambra, amin’ny maha-mpisava lalana mpanampy na amin’ny fiarahana miasa amin’ny mpisava lalana.

15 min: “Ilay Boky Izay Manome ny Tena Fitarihana”. Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Manaova fampisehoana momba ny fiverenana mitsidika asongadina eo amin’ny fehintsoratra faha-3. Ampirisiho ny rehetra mba samy ho feno faharisihana rehefa miresaka amin’ny olona ny amin’ny hasarobidin’ny zavatra azo ampiharina raketin’ny Baiboly, amin’ny fitoriana isan-trano sy amin’ny fanaovana fiverenana mitsidika.

20 min: “Ry tanora — Ampifalio ny Fon’i Jehovah”. Loholona sy mpitory tanora vita batisa roa na telo miara-mandinika ny fehintsoratra 1-18. Antitrantero ireo soa azon’ireo tanora noho ny ohatra tsara omeny sy ny hasarobidin’ireo lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora hoe (...)”. Jereo ireo andinin-teny raha mamela izany ny fotoana.

Herinandron’ny 15 Novambra

Hira 73, Hira 90

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana, ao anatin’izany ny filazana momba ny toe-bola sy ny fisaorana noho ny fanomezana natao. Derao ny kongregasiona noho ny fanohanana ara-bola natao ho an’ny kongregasiona eo an-toerana sy ho an’ny Famoriam-bolan’ny Fikambanana ho Amin’ny Fanamboarana Efitrano Fanjakana ary ho an’ny asan’ny Fikambanana maneran-tany. Asongadino ireo fandaharana amin’ny asa fanompoana halamina amin’ny fotoan’ny fetin’izao tontolo izao efa mihamanakaiky.

15 min: “Fikarakarana Ireo Zavatra Ara-panahy Ilain’ireo Vaovao”. Fanontaniana sy valiny.

20 min: “Ry Tanora — Ampifalio ny Fon’i Jehovah”. Fandinihana amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ny fehintsoratra faha-19-33 amin’ny takelaka fanampiny. Manadinadìna mpitory tanora iray na roa. Asao izy ireo hanazava hoe tamin’ny ahoana ny kongregasiona no tena fanampiana ho azy ireny teo amin’ny fandrosoany ara-panahy.

Herinandron’ny 22 Novambra

Hira 74, Hira 108

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Vaovao Teokratika. Ampirisiho ny fampiasana ireo gazety farany amin’ny asa fanambarana amin’izao faran’ny herinandro izao.

15 min: “Ampio Ireo Mpianatra ny Baiboly Hiomana ho Amin’ny Fianaran’izy Ireo.” Fanontaniana sy valiny. Vakio ny fehintsoratra raha mamela izany ny fotoana.

20 min: “Manjohy Hevitra avy Amin’ny Soratra Masina ve Ianao?” Fandinihana amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny tarihin’ny rahalahy iray izay mahita fahombiazana amin’ny asa fitoriana isan-trano sy fiverenana mitsidika. Rehefa avy mandinika ny fehintsoratra faha-4 dia manaova fampisehoana ny amin’ny fomba hilazan’ny mpitory iray amin’ny fomba hafa andinin-teny iray na hanononany izany an-kandrina rehefa sahirana ilay tompon-trano. Aorian’ilay fampisehoana dia antitrantero ny hasarobidin’ny fanarahana izany fanoloran-kevitra izany amin’ny fiezahantsika mafy ‘hitory ny teny’ ao amin’ny faritany izay misy olona maro aoka izany sahirana mandrakariva na revo amin’ny raharaha andavanandro. (2 Tim. 4:2). Rehefa avy mandinika ny fehintsoratra faha-6, dia asao ny mpitory iray izay mahita fahombiazana amin’ny boky Fanjohian-kevitra mba hilaza ny fomba ampiasany azy io amin’ny asa fanambarana.

Herinandron’ny 29 Novambra

Hira 83, Hira 94

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampirisiho izay afaka ny ho mpisava lalana mpanampy mandritra ny Desambra.

15 min: “Ny Baiboly — Mpitari-dalana Azo Ampiharina ho An’ny Olona Maoderina”. Lahateny ataon’ny loham-pianakaviana iray mifototra amin’ny lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 May 1993. Asongadino fa ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly dia afaka mampandroso rivo-piainana milamina sy feno fitiavana ao anatin’ny fianakaviana. Asao ny mpanatrika mba hilaza famelabelarana voaomana iray na roa izay mampiseho ny fomba nanampian’ny torohevitra avy amin’ny Tenin’Andriamanitra fianakaviana na olona iray. Mangataha olona iray hitantara fanandraman-javatra tamin’ny fametrahana ny boky Fahatanoranao.

20 min: Fampiasana ny Boky Lehilahy Miavaka mba Hanampiana Ireo Olona Tahaka ny Ondry Amin’ny Desambra. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Manaova fanontaniana toy ny hoe: Inona no fitantarana iray mikasika ny fanompoan’i Jesosy na ny fomba nifandraisany tamin’ny hafa nanaitra anao indrindra? Nahoana no nanaitra anao io fitantarana io? Manao ahoana ny hasarobidin’io zavatra vita an-tsoratra io ho anao? Inona no nianaranao momba an’i Jehovah tamin’ny fianarana azy io? Inona ny (ireo) hevitra nasongadinao rehefa nanolotra azy io? Asaovy manao fampisehoana momba ny fanolorana boky ny mpitory za-draharaha iray ny. Ampirisiho handray anjara amin’ny asa fitoriana ny rehetra amin’ny alahady.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara