Ry Tanora — Ampifalio ny Fon’i Jehovah
1 Rehefa mampiasa ny hery sy ny tanjaky ny fahatanorana amin’ny fomba mety ny olona iray, dia mety ho tena mahafinaritra tokoa ny fiainana. Nanoratra toy izao i Solomona Mpanjaka hendry: “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao”. (Mpit. 11:9). Ianareo tanora dia ampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra ny amin’ny zavatra ataonareo.
2 Ny fomba itondranareo ny fiainanareo dia zava-dehibe, tsy ho anareo ihany fa, ho an’ireo ray aman-dreninareo koa. Milaza toy izao ny Ohabolana 10:1: “Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.” Fa ny mbola zava-dehibe kokoa, dia misy fiantraikany amin’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona anareo ny fomba fitondranareo ny fiainanareo. Izany no antony ampirisihan’ny Ohabolana 27:11 an’ireo tanora toy izao koa: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” Amin’ny fomba ahoana no ahafahanareo tanora mampifaly ny fon’i Jehovah amin’izao andro izao? Azo atao amin’ny fomba maromaro izany.
3 Amin’ny alalan’ny ohatra mety: Ianareo tanora dia miatrika ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” voalaza mialoha ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (2 Tim. 3:1, NW). Mety hiharan’ny fanerena avy amin’ny mpiara-mianatra tsy mpino koa ianareo, ary avy amin’ny mpampianatra mihitsy aza, izay mety haneso ireo fomba fihevitrareo mifototra amin’ny Baiboly. Ny mpampianatra iray, ohatra, dia nampiseho ny tsangan-kevitry ny fivoarana miandalana ho zava-misy ary ny Baiboly ho angano. Niaro tamim-pahatokiana ny Baiboly anefa ny mpitory tanora iray tao amin’ilay kilasy. Ho vokany, dia natomboka ny fampianarana Baiboly maromaro. Ireo liana sasany dia nanomboka nanatrika fivoriana. Ny finoana asehonareo ry rahalahy sy anabavy tanora dia manameloka ny tontolo tsy tia an’Andriamanitra ary manintona an’ireo olona tso-po ho amin’ny fahamarinana. — Ampitahao amin’ny Hebreo 11:7.
4 Afaka ny hampahery an’ireo mitovy taona aminareo ve ianareo ao amin’ny kongregasiona, hany ka tsy hanaiky ho resin’izay zava-dratsy izy ireo? Amin’ny fanomezana ohatra tsara any an-tsekoly sy any an-trano ary any amin’ny kongregasiona, dia afaka manatanjaka ny finoan’ireo mpitory tanora hafa ianareo. (Rom. 1:12). Ampifalio ny fon’i Jehovah amin’ny fanomezana ohatra ho an’ny hafa.
5 Amin’ny alalan’ny fitafy sy ny fihaingo: Ny anabavy tanora iray dia novazivazìna sy noesoina noho ny fitafiny tsotra ary nopetahana anarana hoe “tsy laitra ahodina”. Tsy nahamenatra azy izany ka hoe mba handeha hanaraka ny fari-pitsipika ratsin’izao tontolo izao. Nohazavainy kosa fa Vavolombelon’i Jehovah izy ary ny fari-pitsipika ambonin’ny Vavolombelona no arahiny. Moa ve ianareo manana fahatanjahan-tsaina toy izany? Sa avelanareo ny tontolon’i Satana hamolavola anareo hanaraka ny fomba fisainany sy ny fitondran-tenany? Endre ny fifaliana mahita fa maro aminareo tanora no manaraka ireo fampianaran’i Jehovah sy mandà ireo fomba fanao sy lamaody sy sampy ary fampianarana baranahin’izao tontolo izao. Raha ny marina, araka ny nianarantsika tamin’ny fivoriamben’ny distrika nataontsika vao haingana, dia tsy maintsy ekentsika fa ireny zavatra izay miforona eo amin’izao tontolo izao ireny dia ananan’ireo demonia fahefana! — 1 Tim. 4:1.
6 Amin’ny alalan’ny fifidianana fialam-boly sy fanarian-dia: Mila ny mitadidy ireo ray aman-dreny fa ilaina ny manampy ireo zanany hifidy amim-pahendrena ny karazana fialam-boly sy fanarian-dia mety. Ny rahalahy iray dia niresaka tamim-pankasitrahana ny amin’ny fianakaviana tsara dia tsara iray izay nanjary tiany aoka izany. Tamin’ny fananana fironan’ny saina ho amin’ny zavatra ara-panahy, ireo ray aman-dreny dia nanome fitarihana izay nampiharina tamin’ny fialam-bolin’ny fianakaviana koa. Nanao izao fanamarihana izao ilay rahalahy: “Midera ny fiarahan’izy ireo manao zavatra aho. Tsy vitan’ny hoe manampy fotsiny an’ireo ankizy hiomana ho amin’ny fanompoana ireo ray aman-dreny fa, rehefa tonga ny fotoana fialam-boly, dia mahita fifaliana amin’ny fandehanana mitsangantsangana ry zareo, na amin’ny fitsidihana tranom-bakoka, na amin’ny fijanonana fotsiny ao an-trano sady milalao na mamolavola tetik’asa. Ny fifankatiavany sy ny fitiavany ny hafa dia mahatonga anao hatoky fa handeha amin’ny fahamarinana izy ireo amin’ny hoavy, na inona na inona hitranga.”
7 Mazava ho azy fa misy fotoana izay tsy ahafahan’ny fianakaviana manontolo miaraka amin’ny fanarian-dia sy ny fialam-boly. Ianareo tanora dia mila ny mahafantatra an’izany sy ny maha-zava-dehibe ny fifidianana ny fomba handanianareo ny sasany amin’ny fotoana hialanareo voly. Tapa-kevitra ny hamitaka maro araka izay azo atao i Satana. Ny tanora sy ny tsy ampy fanandraman-javatra indrindra no mora andairan’ireo asany feno hafetsen-dratsy sy fitaomany mamitaka. (2 Kor. 11:3; Efes. 6:11, NW). Araka izany, i Satana amin’izao andro izao dia mampiasa karazana fomba maro hitaomana anareo hivily lalana sy hanaraka fiainana feno fitadiavana fahafinaretana amim-pitiavan-tena sy tsy fahamarinana.
8 Ny fahitalavitra dia mpanangoly mahay izay manindrahindra fomba fiaina tia fatratra zavatra ara-nofo sy maloto ara-pitondran-tena. Manasongadina tsy tapaka ny herisetra ary ny amin’ny lahy sy ny vavy mibaribary ireo sarimihetsika sy vidéo. Nanjary nikororosy fahana sy vetaveta tsikelikely ny mozika tiam-bahoaka. Mety hiseho ho tsy mampidi-doza ireo fanangolena ampiasain’i Satana, kanefa izy ireny dia namandrika tanora kristiana an’arivony maro hanaraka fiheverana sy fitondran-tena tsy mety. Mba hanoherana an’ireny fanerena ireny dia tsy maintsy miezaka mikatsaka ny fahamarinana ianareo. (2 Tim. 2:22). Raha misy fanitsiana ilaina atao eo amin’ny fomba fisainanareo na eo amin’ny fitondran-tenanareo mahakasika ny fialam-boly sy ny fanarian-dia, dia amin’ny fomba ahoana no azo anaovana izany? Manome ny valiny ny mpanao salamo manao hoe: “Tamin’ny foko rehetra no nitadiavako Anao; aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho.” — Sal. 119:10.
9 Fahita ny fanaovana ho andriamanitra ireo olo-malaza amin’ny fanatanjahan-tena sy ny fialam-boly. Hanampy anareo hanalavitra ny fanaovana olona tsy tanteraka ho andriamanitra ny fahatahorana an’i Jehovah. Na dia ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy aza dia ataon’ny maro ho andriamanitra amin’izao andro izao. Afaka mitandrin-tena amin’izany fironana izany ianareo amin’ny fanalavirana ny sary na boky vetaveta sy ny mozika manimba. Momba ny mozika, dia nanao izao fanamarihana izao Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aprily 1993: “Fanomezan’Andriamanitra ny mozika. Ho an’ny maro anefa, izy io dia nanjary zavatra maharevo iray tsy mahasoa. (...) Ataovy ho tarigetranareo ny hitana ny mozika amin’ny toerana tokony hisy azy ary aoka ny asan’i Jehovah no ho zavatra ahinareo lehibe indrindra. Aoka ianareo hahay hifantina sy hitandrina eo amin’ny mozika fidinareo. Amin’izay ianareo dia ho afaka hampiasa amin’ny fomba tsara — fa tsy amin’ny fomba ratsy — io fanomezan’Andriamanitra io.”
10 Mambole rikoriko tanteraka ny amin’izay ratsy. (Sal. 97:10). Rehefa alaim-panahy hanao ratsy ianareo, dia eritrereto ny fomba fijerin’i Jehovah an’ilay zavatra, ary hevero ireo vokany: fananana anaka tsy nirina, aretina azo avy amin’ny firaisana, fikorontanana ara-pihetseham-po, famoizana ny hajan’ny tena, ary famoizana ireo tombontsoa ao amin’ny kongregasiona. Fadio ny mitolo-tena hijery fampisehoana ao amin’ny fahitalavitra, sarimihetsika, vidéo, na hihaino hira na resadresaka izay mampirisika ny faharatsiana. Halaviro ny fifaneraserana amin’ireo izay antsoin’ny Baiboly hoe “adala”. (Ohab. 13:19). Mahaiza mifantina; fidio ho namana akaiky ireo izay tia an’i Jehovah sy ny fari-pitsipiny marina ao amin’ny kongregasiona.
11 Eny, ireo tanora izay maniry marina tokoa hampifaly ny fon’i Jehovah dia hanaraka ny torohevitra tsara hita ao amin’ny Efesiana 5:15, 16 manao hoe: “Tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.” Inona no hanampy anareo ‘hitandrina tsara’ eo amin’ny fandrosoanareo amin’izao andro farany izao?
12 Fiahiana ireo zavatra ilaina ara-panahy: Nanazava toy izao i Jesosy ao amin’ny Matio 5:3 (NW): “Sambatra izay mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy”. Ianareo koa dia afaka ny ho sambatra amin’ny fahatsapana fa mila zavatra ara-panahy ianareo. Ny fanomezana fahafaham-po an’izany zavatra ilaina izany dia mahafaoka ny fandraisana anjara amin-jotom-po amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, satria izany dia mampiorina ny finoantsika an’ireo zavatra ianarantsika. — Rom. 10:17.
13 Avy amin’ny fanandraman-javatra hitanareo manokana dia fantatrareo fa tsy mora foana akory ny mandray anjara tsy tapaka amin’ny asa fanompoana. Ny mety ho mahatonga izany indrindra dia ny tsy fahampian’ny fatokian-tena. Araka izany, dia ilaina ny fahatapahan-kevitra hentitra avy aminareo. Amin’ny fandraisanareo anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana, dia hanatsara ny fahaizanareo manao fanambarana ianareo ary hampitombo fatokiana ny fahaizanareo mitory.
14 Manaova fandaharana mba hiasa miaraka amin’ireo mpitory ampy fanandraman-javatra kokoa ao amin’ny kongregasiona, toy ireo mpisava lalana maharitra sy ireo loholona. Henoy amim-pitandremana tsara ny fomba fampisehoany ny hafatra sy ny fomba famaliany ireo fanoherana hita eny am-baravarana. Ampiasao tsara ny boky Fanjohian-kevitra sy ireo fanoloran-kevitra omena ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Vetivety dia hahazo fifaliana bebe kokoa mihitsy aza ianareo avy amin’ny fanompoana satria manome izay anananareo rehetra ho an’i Jehovah. — Asa. 20:35.
15 Ny sasany dia afaka nandray soa tamin’ny fahafahana hanao fanambarana tany an-tsekoly ary nahomby tokoa tamin’ny fanaovana mpianatra. (Matio 28:19, 20). Hoy ny tanora kristiana iray: “Nandritra ireo fe-potoana tsy nianarana dia nanana fahafahana maro hanaovana fanambarana aho, indrindra amin’ny fotoanan’ny fety. Rehefa namelako zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly teo ambonin’ny latabatro izay ahafahan’ny hafa mahita izany, dia nanatona ahy ireo mpianatra liana maro.” Tamin’ny farany, dia nisy mpianatra maromaro ary ny mpampianatra mihitsy aza nanomboka nanatrika ireo fivoriana kristiana. Raha ny marina, ilay mpampianatra dia nandroso ka tonga Vavolombelona vita fanoloran-tena. Mifaly indrindra i Jehovah rehefa mitondra fiderana ho an’ny anarany ireo mpivavaka aminy tanora tahaka anao.
16 Ny fomba hafa iray hanomezana fahafaham-po ny zavatra ilainao ara-panahy dia amin’ny alalan’ny fianarana manokana. Mba hampifaliana ny fon’i Jehovah dia tsy maintsy mandray fahalalana ny aminy isika, sy ny fikasany ary ireo fepetra takiny amintsika. Moa ve ianao manokana fotoana ho amin’ny fianarana manokana? Moa ve ianao mianatra tsy tapaka, toy ny hakanao fotoana hihinanana tsy tapaka? (Jaona 17:3). Moa ve ianao manana fandaharam-potoana manokana mba hamakiana ny Baiboly ho fanampin’ny fiezahanao hanaraka ny fandaharana famakiana Baiboly amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika? Moa ve ianao manomana tsara ireo fivoriana rehetra? Moa ve ianao mamaky tsy tapaka ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!? Ary indrindra, moa ve ianao maka fotoana hamakiana ny tsirairay avy amin’ny fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora hoe (...)” sady mikaroka amim-pitandremana ny andinin-teny tsirairay? Ary aza hadinoina ny boky hoe Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra, izay nomanin’ny Fikambanana manokana ho amin’ireo zavatra ilainareo ara-panahy. Ireo tanora sy ray aman-dreny kristiana manerana izao tontolo izao dia nanoratra mba hilaza ny fomba nanampian’io boky io azy ireo hanatona an’i Jehovah akaiky kokoa.
17 Rehefa mamaky ny Baiboly sy ireo fitaovana teokratika fanampiana amin’ny fianarana Baiboly ianao, dia milaza aminao momba an’i Jehovah sy ny fiheviny ary ny fikasany izy ireny. Hevero hoe amin’ny fomba ahoana izany fanazavana izany no mety hahasoa anao. Ampifandraiso amin’izay efa novakinao teo aloha izay vakinao izao. Izany dia mahafaoka fisaintsainana. Ny fisaintsainana dia mamela an’ilay fanazavana hahatratra ny fo ka hanosika anao hanao zavatra. — Sal. 77:12.
18 Faly isika mahita ireo tanora izay mahatsapa ny filany zavatra ara-panahy ka manatrika ireo fivorian’ny kongregasiona. Ianareo ry tanora kristiana dia afaka mampahery ny hafa amin’ny fanomezana tsy tapaka valin-teny misy heviny mandritra ireo fivoriana. Ataovy ho zava-kendrenareo ny hanome valin-teny iray fara faharatsiny isaky ny fivoriana. Mambole fifandraisana mafana amin’ny olona avy amin’ny antokon-taona rehetra ao amin’ny kongregasiona, amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifaneraserana mampandroso aloha sy aorian’ireo fivoriana. (Heb. 10:24, 25). Nanazava ny rahalahy tanora iray fa ny ray aman-dreniny dia nampirisika azy hifampiresaka amin’ny rahalahy na anabavy be taona kokoa, iray fara fahakeliny, isaky ny fivoriana. Ankehitriny dia tsapany ny hasarobidin’ny fanandraman-javatra azony tamin’ny fifaneraserana tamin’ireo mpikambana be taona kokoa ao amin’ny kongregasiona.
19 Miezaha hanatratra zava-kendrena ara-panahy: Mampalahelo fa ny fiainan’ny tanora maro dia tsy misy zava-kendrena sy fitarihana. Kanefa, tsy tsara ve ny mahatsapa ny fihetseham-po avy amin’ny famerana tanjona teokratika ary avy eo dia manatratra izany amim-pahombiazana? Ireny tanjona ireny, kendrena amin’ny alalan’ny fahazavan’ny fampianarana avy amin’Andriamanitra, dia hanome fahafaham-po manokana dieny ankehitriny ary hitondra ho any amin’ny famonjena mandrakizay amin’ny farany. — Mpit. 12:1, 13.
20 Rehefa mametra zava-kendrena dia ataovy antom-bavaka izany. Miresaha amin’ny ray aman-dreninao sy amin’ny loholona. Diniho ny tenanao sy ny fahaizanao, ary mamera zava-kendrena azonao tratrarina mifanaraka amin’izay azonao tanterahina fa tsy ampitahaina amin’ny an’ny hafa. Samy hafa ny maha-izy ny tsirairay — ara-batana, ara-tsaina, ara-pihetseham-po, ary ara-panahy. Noho izany, dia aza manantena ny hahavita ny zava-drehetra vitan’ny hafa.
21 Inona avy ireo zava-kendrena sasantsasany azonao tratrarina? Raha mbola tsy mpitory na mbola tsy vita batisa ianao, nahoana no tsy manao an’izany ho zava-kendrenao? Raha mpitory ianao, dia azonao atao ho zava-kendrena ny mametra ora sasany amin’ny fanompoana isan-kerinandro. Miezaha mba ho tonga mpampianatra mahay amin’ny fiverenana mitsidika, ary ataovy ho zava-kendrena ny hitarika fampianarana Baiboly iray. Raha tanora vita batisa mankany an-tsekoly ianao, nahoana no tsy ataonao ho zava-kendrena ny ho mpisava lalana mpanampy mandritra ireo fotoam-pialan-tsasatra? Misy ‘be no efaina amin’ny asan’ny Tompo’. — 1 Kor. 15:58.
22 Zava-dehibe ny fanohanana avy amin’ny ray aman-dreny: Tsy tokony hahatsiaro tena ho irery velively ireo tanora ao amin’ny kongregasiona amin’ny fiezahany amim-pahatapahan-kevitra hahazo ny fiainana. I Jehovah dia manome, amin’ny alalan’ny fandaminany, torohevitra mba hanohana ireo tanora amin’ny fanaovana fanapahan-kevitra isan’andro sy amin’ny fandresena ireo vato misakana eo amin’ny fiainana. Ireo ray aman-dreny vita fanoloran-tena, mazava ho azy, no manana andraikitra voalohany indrindra hanampy ireo zanany mba hanao fanapahan-kevitra mety. Ao amin’ny 1 Korintiana 11:3, ny Baiboly dia manondro ny lehilahy manambady ho ny loham-pianakaviana. Noho izany, ao amin’ny tokantrano kristiana iray, ny raim-pianakaviana dia mitarika ny fampianarana ny ankizy ny didin’Andriamanitra, ampian’ny vadiny izay miara-miasa aminy akaiky. (Efes. 6:4). Izany dia atao amin’ny alalan’ny fampiofanana amim-pitandremana tsara izay manomboka amin’ny fahazazana. Koa satria mitombo avo telo heny ny haben’ny atidohan’ny zaza iray mandritra ny taona voalohany amin’ny fiainany, dia tsy tokony hohamaivanin’ny ray aman-dreny velively ny fahafahan’ny zanany kely hianatra. (2 Tim. 3:15, NW). Rehefa mihamitombo ny ankizy, ireo ray aman-dreny dia mila ny mampianatra tsikelikely azy ireny ho tia an’i Jehovah sy hamboly fifandraisana tsara aminy.
23 Tamin’ny fivoriamben’ny distrika “Fampianarana araka an’Andriamanitra”, dia nisy lahateny iray natao izay nitondra ny lohateny hoe “Miezaha Mafy ho Famonjena ny Ankohonanao”. Nisy hevitra maro samy hafa nampitaina mba hanampiana ireo ray aman-dreny hahita ireo fomba azo ampiharina izay hahafahany manampy ireo zanany. Ny ohatra tsara omen’ny ray aman-dreny no fomba tsara indrindra hanombohana. Izany dia hanampy bebe kokoa ny zanakareo amin’ny lafiny ara-panahy mihoatra noho ny fotoana be dia be lany amin’ny fitenenana amin’izy ireny izay tokony na tsy tokony hataony. Ny fanomezan’ny ray aman-dreny ohatra mety dia mahafaoka fampisehoana ny vokatry ny fanahy ao an-trano, amin’ny vadinareo sy amin’ny zanakareo. (Gal. 5:22, 23). Maro no nahita tamin’ny alalan’ny fanandraman-javatra fa ny fanahin’Andriamanitra dia fitaomana mahery ho amin’ny tsara. Izy io dia afaka hanampy anareo hamolavola ny saina sy fon’ireo zanakareo.
24 Voalaza tao amin’ilay fivoriambe koa ny ilan’ny ray aman-dreny hanome ohatra tsara eo amin’ny fahazarana mianatra manokana sy amin’ny fanatrehana ireo fivoriana ary amin’ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana. Raha toa ianareo ka miresaka amin-kafanam-po ny amin’ny fahamarinana ao an-trano sy mitana ny loha laharana amim-jotom-po amin’ny fanompoana ary manorina raha ny amin’ny fianarana manokana, dia hahazo fampirisihana hanana fahalianana amim-pahatsorana amin’ny raharaha ara-panahy ireo zanakareo.
25 Rehefa omanina amim-pieritreretana tsara ny fianaran’ny fianakaviana Baiboly tsy tapaka sy misy heviny, dia mety hahaliana sy hahafinaritra izany, fotoana hanamafisana indray ny firaisam-pianakaviana. Makà fotoana mba hanohinana ny fon’ny zanakareo. (Ohab. 23:15). Na dia mampiasa izany fotoana izany aza ny fianakaviana maro mba hanomanana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana fanao isan-kerinandro, dia mety hampahery indraindray ny handinihana zavatra ilain’ny fianakaviana manokana. Ny fanaovana fanontaniana ny amin’ny fomba fihevitra sy ny fihainoana an’ireo valin-tenin’ny mpikambana tsirairay amin’ny fianakaviana dia hanome fahazavana sady hamelombelona. Tena zava-tsarotra ho an’ny loham-pianakaviana ny fitarihana fampianarana iray izay hahitan’ny mpikambana tsirairay amin’ny fianakaviana soa. Kanefa endre ny valisoa rehefa mandroso ara-panahy ny rehetra! Amin’ny fampandraisana anjara ny tsirairay dia hanjaka ny toe-tsaina falifaly.
26 Ny fampiofanana mampiseho fitiavana sy fahaizana manokana omenareo dia zava-dehibe amin’ny famonjena ny ain’ireo zanakareo. (Ohab. 22:6). Amin’ny fitadidiana izany dia mora ny mahatakatra fa izany no mety ho fampianarana lehibe indrindra amin’izay ataonareo. Aza mihevitra mihitsy hoe irery ianareo amin’izany asa manokana sy lehibe izany. Mianara ny miantehitra mafy amin’i Jehovah mba hahazoana fitarihana eo amin’ny fanatontosana ireo andraikitrareo ara-pianakaviana. Tsy izay ihany anefa. Misy olon-kafa izay afaka ny hanohana be dia be koa.
27 Izay azon’ny hafa atao mba hanampiana ireo tanora: Ireo loholona dia afaka mampiditra an’ireo tanora, miaraka amin’ireo ray aman-dreniny, amin’ny fanadiovana ny Efitrano Fanjakana. Ampirisiho ireo ankizy amin’ireo fivorian’ny kongregasiona. Ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa mahazo anjara amin’ny Fivoriana Momba ny Asa dia tokony hijery ireo tanana atsangan’ireo ankizy rehefa misy ny fizarana ho amin’ny fandraisan’ny mpanatrika anjara. Mitadiava fahafahana hampiasa ireo tanora fakan-tahaka amin’ireo fampisehoana miaraka amin’ny ray aman-dreniny. Ny sasany dia mety hadinadinina ka hanome valin-teny fohy, angamba teny iray na roa monja.
28 Aza heverina ho mandeha ho azy ny fiezahan’izy ireny. Hita ho tena zava-tsarobidy ho an’ny kongregasiona ireo tanora. Tamin’ny alalan’ny fitondran-tenany tsara dia tsara, dia maro no ‘mampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika’. (Tit. 2:6-10). Aoka ianareo hahatsapa ny ilana ny hiderana an’ireo tanora izay mandray anjara na dia amin’ny fomba kely aza. Izany dia hampirisika azy ireny hiomana sy hanana ny faniriana hanao an’izany indray amin’ny hoavy. Ny fiahiana toy izany an’ireo tanora dia tsy hay tombanana; tsy voavidim-bola izany. Impiry ianareo, amin’ny maha-loholona sy mpikarakara momba ny asa, no nanatona ireo mpikambana tanora ao amin’ny kongregasiona mba hidera azy ireny noho ny lahateny iray na noho ny fampisehoana iray tao amim-pivoriana?
29 Ry mpisava lalana, inona no azonareo atao mba hanampiana ireo tanora? Nahoana no tsy mandinika indray ny fandaharam-potoananareo mba hijerena ny fomba hampidirana ireo ankizy mpianatra ao anatin’ny fandaharanareo amin’ny tolakandro sy amin’ny faran’ny herinandro? Moa ve ianareo miresaka amin’ny fomba manorina ny amin’ny safidinareo dia ny fanompoana manontolo andro? Asehonareo amin’ny toetry ny endrikareo sy amin’ny fihetsikareo ve fa mahita fifaliana amin’ny fanompoanareo ianareo? Moa ve ianareo manoro hevitra tsy amim-pisalasalana ny hafa, indrindra ireo tanora, mba hanao izany? Rehefa mitory isan-trano, moa ve ny fiteninareo mampandroso sy manorina? Raha izany no izy, amin’ny maha-mpisava lalana anao, dia mandray anjara amin’izany asa fampiofanana tena lehibe izany koa ianao.
30 Ny rehetra ao amin’ny kongregasiona dia tokony hahafantatra sy harisika amin’izany asa lehibe fampiofanana ireo tanora izany. Afaka manao fandaharana voafaritra tsara ve ianao mba hiara-miasa amin’izy ireny eny amim-pitoriana? Moa ve ianao afaka manao fanazarana fomba fampiseho hafatra iray miaraka amin’izy ireny amin’ny fiomanana ho amin’ny asa fitoriana isan-trano? Moa ve ianao mailaka hanararaotra ireo fahafahana mba hampirisihana fanaovana asa ara-panahy amin’ny ho avy rehefa miara-miasa amin’ny fanompoana? Ny mpitory tsirairay dia tokony hahafantatra fa na dia ny fanamarihana kely iray aza dia mety hiteraka fisainana mampandroso ho amin’ny tanjona ara-panahy maharitra, ho tombontsoan’ilay tanora mandrakizay.
31 Afaka manampy ny tenany ireo tanora: Ry tanora, mampirisika ny tsirairay avy aminareo izahay mba hanohy hanaraka ireo fampianaran’i Jehovah sy handa izay atolotr’izao tontolo izao. Zahao toetra hatrany ny tenanareo amin’ny fandinihana ny fitondran-tenanareo sy ny fihetseham-ponareo anaty. Manao ahoana ny fihetsikareo manoloana an’i Jehovah sy izay antenainy aminareo amin’ny fiainana andavanandro? Moa ve ianareo manao ady mafy mba hanoherana ny fitaoman’ireo hevitr’i Satana? (1 Tim. 6:12). Koa satria ny olombelona, indrindra fa ny tanora, maniry ara-dalàna ny fankasitrahan’ireo mitovy taona aminy, hitanareo ve ny tenanareo fa alaim-panahy hanaraka ny besinimaro amin’ny fanaovan-dratsy? (Eks. 23:2). Takatry ny apostoly Paoly fa misy fanerena lehibe mba hanarahana ireo fomban’izao tontolo izao. — Rom. 7:21-23.
32 Mila herim-po ny fanoherana ny fitaoman’izao tontolo izao sy ny fananana fomba fiaina hafa noho ny an’ireo mitovy taona amin’ny tena eo amin’izao tontolo izao ary ny fanarahana ny fampianaran’Andriamanitra. Ireo olona fahiny dia nanao toy izany tamim-pahombiazana. Diniho ny herim-pon’i Noa. Nanameloka ny tontolo manontolo tamin’ny alalan’ny finoany sy tamin’ny fisarahana tamin’ireo mpanao ratsy tamin’ny androny izy. (Heb. 11:7). Miadia mafy satria mendrika ny hatao izany ezaka izany. Aza manahaka ireo olona kanosa sy tsy manana hazondamosina ary saro-tahotra izay manaraka ny vahoakan’i Satana. Mifanohitra amin’izany, dia tadiavo ny fifaneraserana amin’ireo izay mahita sitraka eo imason’i Jehovah. (Fil. 3:17). Ataovy manodidina anao ireo namana izay hiray dia aminao hiditra any amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra. (Fil. 1:27). Tadidio fa tokana monja ny lalana izay mitarika ho any amin’ny fiainana mandrakizay. — Matio 7:13, 14.
33 Raha mahatsapa fifaliana isika amin’ny fahitana ireo tanora mitondra fiderana sy fanajana ho an’Andriamanitsika, dia endre ny fifaliana tsy maintsy hoentin’izany ho Azy! Tsy misy isalasalana fa mahita fifaliana i Jehovah amin’ny fahitana ireo tanora mandray anjara feno amin’ny fanambarana ireo fikasany lehibe. Izy ireny dia “lova” avy aminy, ary ny hahazoan’izy ireny izay tsara indrindra ihany no iriny. (Sal. 127:3-5; 128:3-6). Tamin’ny fampisehoana taratra ny fiahian’ny Rainy, i Kristy Jesosy dia nahita fifaliana be dia be tamin’ny fiarahana tamin’ireo ankizy kely, ary naka fotoana izy mba hampaherezana azy ireny tamin’ny fanompoam-pivavahany tamin’i Jehovah. Nampiseho firaiketam-po maneho fitiavana tamin’izy ireny izy. (Marka 9:36, 37; 10:13-16). Moa ve isika mihevitra an’ireo tanorantsika tahaka ny ataon’i Jehovah sy i Kristy Jesosy? Fantatr’ireo tanora ao amin’ireo kongregasiona misy antsika ve hoe ahoana no fiheveran’i Jehovah sy ireo anjely ny fahatokian’izy ireny sy ny ohatra tsara omeny? Tokony hoderaina sy hampirisihina izy ireny mba hampifaly an’i Jehovah amin’ny fanatratrarana zava-kendrena ara-panahy. Ry tanora, miezaha manatratra zava-kendrena izay hitondra fitahiana ho anareo dieny izao sy amin’ny hoavy!