Karakarao Izay Ilain’ny Marenina mba Hanatonany An’Andriamanitra
1 Mitombo isa hatrany ny olona marenina voasarika hanatona an’ilay Mpiandry Tena Tsara, ka nanolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra. (Jaona 10:3, 11) Tsy maintsy mailaka hanamarika sy hanome izay ilain’ny rahalahy sy anabavintsika marenina àry isika eo anivon’ny fiangonana, indrindra fa ny anti-panahy.
2 Karakarao izay ilain’ny marenina: Natao izay handikana ny fivorian’ny fiangonana ho amin’ny tenin’ny tanana, any amin’ireo toerana misy mpandika teny mahay. Tsara raha asaina manatona fiangonana iray afaka mandika ny fivoriana ho amin’ny tenin’ny tanana, ny olona marenina, raha tsy misy mahay an’io teny io eo anivon’ny fiangonanareo. Mazava ho azy fa raha tsy misy fandaharana toy izany eo amin’ny faritra manodidina anareo, dia mety ho azo atao ny manendry mpitory, mba hifandimby hipetraka eo akaikin’ireo marenina. Handray an-tsoratra an’ireo hevi-dehibe velabelarina ireo mpitory, ka ho afaka hamaky izany ireo marenina.
3 Fandaharana ataon’ny fiangonana sy ny faritra: Ny mpiandraikitra ny faritra no handrindra izay fandaharana hatao, mba handikana ny fivoriamben’ny faritra sy fivoriambe manokana, ho amin’ny tenin’ny tanana. Azo fidina mba handrindra izany ny anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana mahay tenin’ny tanana. Azo tendrena mba handika ampahany amin’ilay fandaharan’ny fivoriambe, ny rahalahy sy anabavy fakan-tahaka. Azo atao toy izany koa ny eo anivon’ny fiangonana, mba ho azo antoka fa voakarakara tsara ny zavatra ilain’ireo marenina.
4 Tsara kokoa raha apetraka eo amin’ny toerana ahafahany mahita ny mpandika teny sy ny lampihazo ny marenina. Izany foana no hatao, na any amin’ny fivorian’ny fiangonana, na any amin’ny fivoriambe. Raha vitsy anefa ny marenina manatrika any amin’ny fivorian’ny fiangonana, dia aleo mipetraka ilay mpandika teny. Raha mety dia tokony hangataka soso-kevitra voafaritra tsara amin’ny rahalahy marenina ny anti-panahy, mba handaminana tsara ny toerana hasiana azy ireo. Rahalahy matotra anefa no hanontaniana.
5 Mety hanapa-kevitra ny hanisy fivoriana sasany amin’ny tenin’ny tanana ny anti-panahy, raha feno ireto fepetra ireto: Misy anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana mahay an’io teny io sady vonona hanampy, ary ampy tsara koa ny isan’ny rahalahy sy anabavy marenina. Mety ho ny Fianarana Boky no fivoriana voalohany halamina amin’izany. Raha maniry hanokatra fivoriana hafa amin’ny tenin’ny tanana ny anti-panahy, aorian’izay, dia tokony hampahafantariny ny biraon’ny sampana. Tsara homarihina fa ilay antsoina hoe ‘tenin’ny tanana’ fampiasan’ny Malagasy no fomba tian’ny ankamaroan’ny olon-dehibe marenina hifampiresahana eto Madagasikara.
6 Mitaky ezaka manokana avy amin’ny andaniny sy ny ankilany ny fifampiresahana, eo amin’ny olona mandre sy ny marenina. Tokony hiezaka hifankahalala tsara anefa ny rehetra eo anivon’ny fiangonana, mba hisian’ny tena fifampaherezana. (Heb. 10:24) Izany toe-tsaina tsara asehon’ny rahalahy izany no hahatonga an’ireo vaovao rehetra hahatsiaro ho raisina tsara.