Ny Annuaire — Boky Iray Mirakitra Fampaherezana
1 Ireo tatitra sy ireo fitantarana zava-nitranga teo amin’ny fiainana momba an’ireo asa mahatalanjona notanterahin’i Jehovah dia namelombelona foana an’ireo mpanompon’Andriamanitra. (Joba 38:4, 7; Ohab. 25:25; Lioka 7:22; Asa. 15:31). Izany no mahatonga ilay boky hoe Annuaire des Témoins de Jéhovah ho boky iray mirakitra fampaherezana.
2 Ny Annuaire tsirairay dia manolotra tatitra manorina momba ireo asa sy ireo zava-bitan’ny Vavolombelon’i Jehovah manerana an’izao tontolo izao. Ireo fitantarana zava-nitranga teo amin’ny fiainana manatanjaka finoana dia manamafy fa mitarika sy miaro ary mitahy ny olony i Jehovah. Ny Annuaire dia miresaka ny amin’ireo lehilahy sy vehivavy manana herin-tsaina, izay nandao ny havana aman-tsakaiza sy ny tanindrazana mba hitondra ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly any amin’ny kontinenta rehetra sy any amin’ny ankamaroan’ireo nosin-dranomasina.
3 Ny Annuaire dia nanosika mpamaky maro hampitombo ny fanompoana ataony ho an’Andriamanitra. Nanoratra toy izao ny mpamaky iray: Tsy afaka mamaky azy io haingana araka ny ilako izany aho. Izay novakiko hatramin’izao anefa dia tena mampahery. Mahatsapa aho fa afaka manao bebe kokoa amin’ny fitoriana ny vaovao tsara rehefa hitako izay ataon’ny hafa ao anatin’ny fanerena.”
4 Isan-taona, hatramin’ny 1927, dia hita ho boky iray tena mirakitra tatitra sy fitantarana zava-nitranga teo amin’ny fiainana mandrisika ny Annuaire des Témoins de Jéhovah. Mandray soa feno amin’io loharanom-pampaherezana tsy manam-paharoa io ve ianao? Mba hanaovana izany, dia ataovy azo antoka fa mamaky ny Annuaire ianao raha vantany vao maharay azy io. Avy eo, mandritra ny taona, dia diniho indray ireo tapany voafaritra tsara aminy mba hahazoana ny fampaherezana ilainao sy ny fianakavianao.