FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/93 p. 2
  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Desambra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Desambra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 6 Desambra
  • Herinandron’ny 13 Desambra
  • Herinandron’ny 20 Desambra
  • Herinandron’ny 27 Desambra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
km 12/93 p. 2

Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Desambra

Herinandron’ny 6 Desambra

Hira 205, Hira 169

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana voafantina avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.

20 min: “Ampio ny Hafa Hianatra Momba an’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Manaova fampisehoana ireo fanolorana eo amin’ny fehintsoratra faha-2 (ataon’ny mpitory za-draharaha) sy eo amin’ny fehintsoratra faha-4 (ataon’ny mpitory tanora). Ampirisiho ny rehetra hanasongadina ny boky Lehilahy Niavaka eo amin’ny fanambarana isan-trano sy amin’ny fanambarana tsy ara-potoana rehefa maneho fahalianana ny olona.

15 min: “Manokàna Fotoana ho Amin’ny Asa Fizarana Gazety”. Lahateny, misy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Rehefa mandinika ny fehintsoratra faha-3, dia asehoy hoe amin’ny ahoana ireo lahatsoratra isan-karazany ao ao amin’ireo gazety farany no azo aseho amin’ny karazan’olona samy hafa izay mety hifanena amintsika ao amin’ny faritanintsika.

Herinandron’ny 13 Desambra

Hira 146, Hira 165

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy filazana momba ny toe-bola ary fisaorana noho ireo fanomezana. Manehoa fankasitrahana ny kongregasiona noho ny fanohanana tamim-pahalalahan-tanana tamin’izay zavatra nilaina teo an-toerana sy ny Famoriam-bola ho Amin’ny Fanamboarana Efitrano Fanjakana ary ny asan’ny Fikambanana maneran-tany. Manolora hevitra azo resahina iray na roa izay azo ampiasaina ho toy ny fampidiran-dresaka eny amin’ny asa fanompoana amin’itỳ faran’ny herinandro itỳ.

20 min: “Fanombohana Fampianarana Baiboly Mandritra ny Desambra”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Rehefa mandinika ny fehintsoratra faha-4, dia manaova fampisehoana ny amin’ny fomba hanombohana fampianarana Baiboly rehefa manao fiverenana mitsidika. Ampirisiho ny tsirairay hitarika fampianarana Baiboly iray any an-tokantrano isam-bolana, raha azo atao.

15 min: “Ny Annuaire — Boky Iray Mirakitra Fampaherezana”. Lahateny feno hafanam-po manasongadina ny fampiharana ireo andinin-teny voasoratra. Aoka hisy mpitory vitsivitsy niomana tsara hitantara amin-kafanam-po ny fitantarana zavatra hita teo amin’ny fiainana, ao amin’ny La Tour de Garde 1 Janoary 1990 sy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1987 ary 1 Aprily 1986, eo amin’ny pejy faha-32.

Herinandron’ny 20 Desambra

Hira 189, Hira 61

5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Lazao ireo fandaharana noraisina eo an-toerana ho amin’ny fanaovana fanambarana manokana ny 25 Desambra.

15 min: “Tohino ny Fon’ny Olona miara-mianatra Baiboly Aminao”. Fandinihana amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny miaraka amin’ny fampisehoana. Antitrantero fa tokony hiezaka hampitombo ny fahaiza-mampianatra ny rehetra ao anatin’ny kongregasiona. Aorian’ny fandinihana ny fehintsoratra faha-3, ny mpitory iray dia manao fampisehoana momba ny fomba fiaraha-manjohy hevitra amin’ilay mpianatra Baiboly, amin’ny fampiasana ireo fanontaniana sy ireo andinin-teny eo amin’ny fehintsoratra faha-13 sy faha-14, ao amin’ny toko voalohany amin’ny boky Hiaina Mandrakizay.

10 min: “Mamafaza Be dia Be Nefa Amim-pahaiza-manavaka”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Asongadino ireo fitenenana hifanentana indrindra amin’ny faritaninareo. Tokony hodinihina indray any amin’ny fivoriana ho amin’ny asa fanompoana amin’itỳ faran’ny herinandro itỳ, ireo fanoloran-kevitra ireo.

15 min: Ny Ilana Efitrano Fanjakana. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika ny amin’ny antony ilantsika Efitrano Fanjakana sy izay hotanterahin’izany ary ny fomba hahatratrarana io zava-kendrena io. Lazao fa tombontsoa ny mandray anjara amin’ny fanohanana ara-bola ny fikasana hanorina Efitrano Fanjakana.

Herinandron’ny 27 Desambra

Hira 37, Hira 120

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Teokratika. Manaova fampandrenesana ny amin’ireo fandaharana manokana hanaovana fanambarana ny 1 Janoary. Manaova fampisehoana ny amin’ny fomba hampiasana ny zavatra vita an-tsoratra hasongadina eo an-toerana amin’ny Janoary.

20 min: Inona no Maha-ratsy ny Fanandramana Zava-mahadomelina? Miara-midinika amin’ny loholona iray ny amin’ny fielezan’ny fampiasana zava-mahadomelina any an-tsekoly ny mpitory tanora roa. Milaza izy ireo fa ny tanora sasantsasany dia tsy mahita ny maha-ratsy ny fampiasana indraindray zava-mahadomelina. Miaiky ilay loholona fa niharatsy ny zavatra hatramin’ny nandehanany tany an-tsekoly ka hatramin’izao. Manamafy izy fa tsy voalaza amin’ny fomba voafaritra tsara ao amin’ny Baiboly ny zava-mahadomelina, nefa misy torolalana tsara dia tsara mety ho hita ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, eo amin’ny pejy faha-431–437. Mamaky ireo andinin-teny ireo tanora ary miara-manjohy hevitra amin’izy ireo ny amin’izay voalaza ao amin’ilay boky ilay loholona, eo amim-pandinihana izany. Manome ny fanoloran-keviny manokana ny amin’ny fomba samihafa azony anoherana isam-batan’olona ny faneren’ireo mitovy taona aminy izy ireo.

15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana na lahateny ataon’ny loholona miorina amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aogositra 1993, pejy faha-27-30, mitondra ny lohateny hoe “Ny Fomba Azon’ny Kristiana Anampiana ny Be Taona”.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara