Ny Fanatrehana Fivoriana — Andraikitra Lehibe Iray
1 Zava-dehibe tokoa aminao ve ny fanatrehana fivoriana? Izany dia fanontaniana iray tokony hodinihina, sa tsy izany? Tsy isalasalana fa ny ankamaroantsika dia mahatsapa fa mankasitraka ireo fivoriana isika. Kanefa, ireo filazana dia manondro fa nihena tato ho ato ny fanatrehana fivoriana any amin’ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona sasantsasany. Inona no mety ho antony? Moa ve ny sasany amintsika mamela ny asa tsy ilaina ivelan’ny fivavahana, ny havizanana, ny entimody, ny tsy metimety kely ara-batana, na ny andro ratsiratsy hanakantsakana antsika amin’ny adidy ananantsika dia ny hanatrika tsy tapaka ireo fivoriana? (Deot. 31:12). Koa satria izy io fepetra iray takina araka ny Soratra Masina, ny tsirairay avy amintsika dia tokony handinika amim-pahatsorana ny fanontaniana hoe: Zava-dehibe tokoa amiko ve ny fanatrehana fivoriana?
2 Ny sasany amin’ireo rahalahintsika dia manao dia an-tongotra mandritra ny ora maromaro amin’ny lalana feno vovoka ary miampita ony feno voay mba hanatrehana ireo fivoriana. Ao anatin’ny kongregasionanao manokana dia mety hisy olo-mahatoky izay ‘tsy mahafoy na oviana na oviana’ ny fivoriana na dia eo aza ny zava-manahirana lehibe ara-pahasalamana, ny kilema ara-batana, ny hamafin’ny asa mitambesatra any amin’ny toeram-piasana, na ny zavatra tsy maintsy atao any an-tsekoly mitaky fotoana. (Lioka 2:37, NW). Nahoana izy ireo no manao fiezahana mba hanatrika ireo fivoriana? Satria fantatr’izy ireo fa tsy afaka mandresy amin’ny heriny manokana ireo zava-manahirana eo amin’itỳ tontolo feno fanerena itỳ izy ireo. Tsy maintsy miantehitra amin’ny hery izay omen’Andriamanitra izy ireo. — 2 Kor. 12:9, 10.
3 Isika amin’izao andro izao dia manaraka ny ohatra naorin’ireo Kristiana voalohany, izay nihaona tsy tapaka mba hivavaka sy mba hizara ireo zavatra hita teny amin’ny fitoriana ary mba hianatra ny Tenin’Andriamanitra. (Asa. 4:23-30; 11:4-18; Kol. 4:16). Mandray fampianarana momba ny faminaniana sy ny foto-pampianarana ao amin’ny Baiboly isika, ary koa momba ny fitondran-tena araka an’Andriamanitra sy ireo fari-pitondran-tena kristiana, miaraka amin’ny fananarana tonga amin’ny fotoana mety mba hanatsarana ny fiainantsika dieny izao, amin’ny fampiharana amim-pitandremana ireo fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina. (1 Tim. 4:8). Ankoatra izany, dia ampahatsiahivina ny amin’ny fanantenantsika isika fa hifarana indray andro any ny zava-manahirana sy ny fahoriana. Tena zava-dehibe ny hihazonana izany fanantenana izany ho velona. — Heb. 6:19.
4 Zava-dehibe tokoa amin’ny fianakavianao ve ny fanatrehana fivoriana? Moa ve izany tahaka ny tapany amin’ny fandaharam-potoananao toy ny fisakafoana na toy ny asa ivelan’ny fivavahana? Amin’ireo fivoriana atao amin’ny takariva, mahita ny tenanao mieritreritra ve ianao na handeha na tsia, sa ao amin’ny tokantranonao dia zavatra tsy azo avela ny fiarahana tsy tapaka amin’ireo rahalahy? Mpitory maro no mahatsiaro ny ohatr’ireo ray aman-dreniny nanolo-tena rehefa nihalehibe izy ireo. “Zavatra iray mikasika an’i Dada”, hoy ny fitadidian’ny loholona iray amim-pitiavana, “dia ny hoe nataony foana izay hahazoana antoka fa nandeha tany am-pivoriana ny fianakaviana. Raha nisy narary, dia ny iray taminay no niara-nijanona taminy tao an-trano, fa ny sisa kosa dia nandeha tany am-pivoriana!”
5 Ao amin’ireo nomeraon’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana hanaraka, dia hodinihintsika ny maha-sarobidy ny fivoriana tsirairay atao ao anatin’ny kongregasiona, mba hanampiana antsika hanorina fankasitrahana an’ireny fandaharana ara-panahy ireny. Raha azo atao ny tsy hahatapatapaka anao kokoa amin’ny ny fanatrehana fivoriana, dia azonay antoka fa ireo lahatsoratra ireo dia hanampy anao hahatsapa izay afoinao. Ho voafaoka amin’izany ireo fampahatsiahivana mahasoa ho an’ireo izay mitarika fivoriana, ary koa ireo fanoloran-kevitra izay azontsika rehetra ampiharina rehefa miomana sy mandray anjara amin’izy ireny isika. Nahoana raha maka toerana amin’ny maha-fianakaviana ary mandinika amim-pahatsorana ny ohatra omenareo amin’ny fanatrehana fivoriana? Avy eo, dia manaova ireo fanitsiana ilaina amin’ny fandaharam-potoananareo. Ny fanatrehana fivoriana tsy tapaka dia tapany tena lehibe amin’ny fampianarana teokratika azontsika ka tokony horaisina ho tena zava-dehibe tokoa.