Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Janoary
Herinandron’ny 3 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Asongadino fohy ireo hevitra voafaritra tsara ao amin’ireo gazety farany, izay hanintona ny olona ao amin’ny faritany eo an-toerana.
20 min: “Mety Hisy ve ny Tena Fiarovana?” Aseho toy ny lahateny, miorina amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1993, pejy faha-4–7.
15 min: “Fanampiana ny Hafa Hahatakatra ny Maha-sarobidy Ireo Zavatra Vita An-tsoratra Avoakantsika”. Fiaraha-mandinika ny lahatsoratra amin’ny kongregasiona. Manaova fampisehoana fohy aorian’ny fehintsoratra faha-3 sy faha-4. Ampahafantaro ny mpitory ireo boky tranainy 192 pejy ananan’ny kongregasiona ao amin’ny tahiry.
Herinandron’ny 10 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana voafantina avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
15 min: Voaomana mba Hiatrika ny Toe-javatra Ara-pitsaboana Misedra ny Finoana ve Ianao? Lahateny mandrisika ataon’ny loholona mahay iray, mba hanampiana ireo rahalahy hahatakatra ny fiarovana entin’ny karatra Filazana Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra. Tamin’ireo Fivoriamben’ny Distrika sasany “Fampianarana Araka An’Andriamanitra”, dia maherin’ny 50 isan-jaton’ireo karatra nampiasaina mba hahazoana boky vaovao no tsy voaisy sonia, tsy voamarin’ny vavolombelona, na lany andro. Zarao amin’ireo mpitory vita batisa ihany ny karatra vaovao, avy eo dia diniho ny taratasy tamin’ny 15 Oktobra 1991 manome toromarika ny amin’ny famenoana ireo karatra. Toroy hevitra ireo rahalahy mba TSY hameno ireo karatra amin’io fotoana io, fa hitondra izany any an-tranony, ka handinika ao amin’ny vavaka ny zavatra ilainy ary avy eo vao hameno izany. Nefa AZA ASIANA SONIA ny karatra amin’izay fotoana izay. Ento ny karatra nofenoina amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona manaraka, izay hahafahan’ireo loholona hanampy mba hahazoana antoka fa voaisy sonia sy voamarin’ny vavolombelona ary voaisy daty ireo karatra. Hampiasa lisitra misy ny anaran’ireo rehetra ao amin’ny antokon’olona misy azy ny mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona mba hahazoana antoka fa voaisa izy ireo. (Azo ampiana ireo ray aman-dreny vita batisa mba hameno ny Karatra Famantarana ho an’ny zanany.) Izay rehetra tsy nanatrika ny fianarana ny boky dia mbola azon’ny mpitarika fianarana/loholona ampiana amin’ny Fivoriana Momba ny Asa manaraka mandra-pahafeno sy mandra-panisy sonia amin’ny fomba mety ny karatr’ireo mpitory vita batisa rehetra. Tokony hanana ny anaran’ireo olona izay mety ho mbola tavela ireo loholona ka hiezaka hameno haingana araka izay azo atao ny karatra rehetra.
20 min: “Fiverenana mba Hampitombo ny Fankasitrahana”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Raha mampiasa zavatra vita an-tsoratra tranainy kokoa ireo mpitory, dia manaova fampisehoana ny amin’ny fomba mety hanaovana fiverenana mitsidika amin’olona nandray iray tamin’ireny boky ireny.
Herinandron’ny 17 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy filazana momba ny toe-bola. Ampidiro amin’izany ny fisaorana noho ireo fanomezana. Manehoa fankasitrahana noho ny fanohanan’ireo mpitory ara-bola ny asan’ny Fikambanana ary koa ny an’ny kongregasiona. Ampahatsiahivo izay rehetra mbola tsy nameno ny karany Filazana Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra mba hanao izany amin’io fotoana io amin’ny fanatonana ny mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona misy azy na ny iray amin’ireo loholona hafa.
20 min: “Fiasana Faritany Voasa Matetika”. Fandinihana amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny tarihin’ny mpiandraikitra ny asa. Any amin’ny kongregasiona manana faritany voasa matetika, dia manaova fampisehoana ny iray amin’ireo fampidiran-dresaka ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra voalaza ao amin’ny fehintsoratra faha-4 sy faha-5, ary koa fampidiran-dresaka mifanentana hafa na nalaina avy ao amin’ny fehintsoratra faha-6 sy faha-7 na nomanina manokana ho an’ny faritany eo an-toerana. Any amin’ny kongregasiona izay manana faritany tsy voasa matetika, dia tokony hasongadina ao amin’ny fampisehoana ireo fampidiran-dresaka hafa mifanentana avy ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra. Tokony ho vita famerenana tsara ireo fampisehoana.
15 min: Inona no Hoavin’ny Tany? Miorina amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy faha-383–388. (5 min.) Lahateny mahafoaka ireo hevitra eo ambanin’ireo lohatenikely eo amin’ny pejy faha-384, ary dinihina hatreo amin’ny antsaky ny pejy faha-385 ny fanazavana. (7 min.) Miara-mandinika ny fanazavana eo amin’ny pejy faha-385–387 ny mpitory vaovao iray sy ny mpitory matotra sady za-draharaha iray. Ny havan’ilay mpitory vaovao eo amin’izao tontolo izao dia manohana fa milaza ny Baiboly hoe ho potika ny tany. Mangataka ny fanampian’ny mpitory za-draharaha kokoa ilay mpitory vaovao mba hahazoana ny hevitr’ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly momba ny tany. (3 min.) Ho famaranana, dia diniho ny fanontaniana eo amin’ny pejy faha-388 hoe “Iza no homen’Andriamanitra tombontsoa hiaina mandrakizay eo an-tany?” Ampirisiho ny rehetra hiezaka mafy mba hahazo ny tombontsoa feno fitahiana toy izany.
Herinandron’ny 24 Janoary
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampirisiho ny rehetra handray anjara amin’ny asa fanompoana amin’itỳ herinandro itỳ. Lazao amin’ny kongregasiona ireo fandaharana ho amin’ny asa fanompoana.
10 min: Valin’ireo Fanontanianareo. Lahateny, misy fandraisana anjara sasany avy amin’ny mpanatrika. Ampio ny rehetra hahatakatra hoe fotoana toy inona no azo isaina eo amin’ny filazana asa.
15 min: Fandinihana izay zavatra ilaina eo an-toerana.
15 min: Ny Asa Vitan’ny Kongregasiona. Miara-mandinika indray ny asa vitan’ny kongregasiona tamin’ireo efa-bolana lasa ny mpiandraikitra ny asa sy ny loholona hafa iray. Ampahatelon’ny taom-piasana no efa lasa (Septambra–Desambra). Inona no zava-bitan’ny kongregasiona? Manaova teny fiderana amim-pahatsorana amin’ireo lafiny izay nanaovan’ny kongregasiona zavatra tsara. Lazao koa ireo lafiny izay ho azon’ny kongregasiona hihatsarana, ary manolòra fanipazan-kevitra azo ampiharina. Ampidiro amin’izany ny zavatra hita teny am-pitoriana iray na roa fohy sy mampahery hatramin’ireo efa-bolana voalohany amin’ny taom-piasana. Farano amin’ny fanamarihana manorina sy mampandroso. Avy tamin’ny fanatanterahana ny fanompoany ny fifalian’i Jesosy. Hahita fifaliana lehibe koa isika rehefa be atao hatrany amin’ny asa nankinin’i Jehovah tamintsika. — Jaona 4:34; 1 Kor. 15:58.
Herinandron’ny 31 Janoary
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampirisiho ny rehetra hanomboka mialoha amin’ny asa fanompoana, amin’ny fandraisana anjara amin’itỳ faran’ny herinandro itỳ. Azo atao ny manolotra fanipazan-kevitra mahasoa amin’ny fampisehoana ireo gazety farany.
10 min: Asehoy Isan-trano ny Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Lahateny fohy feno hafanam-po ny amin’ny maha-sarobidy ilay boky amin’ny fanampiana ny olona hahafantatra sy hanompo an’i Jehovah. Manaova fampisehoana ny amin’ny fomba ho azon’ny mpitory ampiasana ireo fanoloran-kevitra ao amin’itỳ Fanompoantsika Ilay Fanjakana itỳ, mba hiomanana hampiasa io boky io eny amin’ny asa fanompoana.
20 min: “Ny Fanatrehana Fivoriana — Andraikitra Lehibe Iray”. Fandinihana amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Mifandray amin’ny fehintsoratra faha-2, dia manadinadìna mpitory vitsivitsy izay nandresy ireo vato misakana mba hanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana.
10 min: Lahateny ataon’ny loholona iray miorina amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1993, pejy faha-22–25 hoe: “Manàna Fiheverana Mety ny Amin’ny Famindram-pon’Andriamanitra”.