Fampandrenesana
◼ Zavatra vita an-tsoratra atolotra amin’ny Janoary: Fanolorana manokana: Ny boky roa mitambatra: Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra sy “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao” amin’ny sarany 600 FMG (400 FMG no handraisan’ny mpisava lalana azy ireo). Febroary: Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG no haloan’ny mpisava lalana) ilay be velarana ary amin’ny sarany 1 500 FMG (1 000 FMG no haloan’ny mpisava lalana) ilay kely velarana. Martsa: Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG no haloan’ny mpisava lalana). Aprily sy May: Ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ary koa izay mety ho bokikely rehetra (afa-tsy ny bokikely Sekoly). Azo atolotra ny famandrihana. FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona izay hila an’ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana voalaza ireo dia tokony hanafatra azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany manaraka.
◼ Ireo kongregasiona dia tokony hanao fandaminana mety ho amin’ny Fahatsiarovana, izay hankalazaina ny asabotsy 26 Martsa aorian’ny filentehan’ny masoandro amin’itỳ taona itỳ. Na dia irina aza ny hanaovan’ny kongregasiona tsirairay manokana ny fankalazany ny Fahatsiarovana, dia mety tsy ho azo atao foana izany. Any amin’izay ampiasan’ny kongregasiona maromaro Efitrano Fanjakana iray ihany, dia mety ho tsara indrindra ho an’ny kongregasiona iray na mihoatra ny manao izay hahazoana mampiasa trano hafa amin’io takariva io. Tsy tokony hanomboka diso aoriana loatra ny Fahatsiarovana ka hanahirana ireo olona liana vao haingana ny hanatrika izany. Ankoatra izany, dia tsy tokony hifanakaiky loatra ny fotoana hanaovana ireo fivoriana ka tsy hisy fotoana aloha na aorian’ilay fankalazana, hiarahabana ireo vahiny, hanaovana fandaminana mba hanohizana hanampy ara-panahy ny olona sasany, na hisian’ny fifampaherezana amin’ny ankapobeny eo amin’ireo rehetra manatrika. Rehefa avy nandinika tamin’ny fomba feno ny lafin-javatra rehetra ny loholona, dia tokony hanapa-kevitra izy ireo hoe fandaminana inona avy no hanampy tsara indrindra an’ireo rehetra hanatrika ny Fahatsiarovana, mba handraisan’izy ireo soa feno amin’io fisehoan-javatra io.
◼ Manomboka amin’ny Febroary na fara fahelany ny 6 Martsa, dia ny lahateny ampahibemaso vaovao hoe “Rahoviana no Hifarana ny Fisentoan’ny Zavaboary Olombelona?” no hataon’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany.
◼ Ny lahateny ampahibemaso manokana amin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana 1994 dia hatao maneran-tany ny alahady 10 Aprily. Ny foto-kevitr’ilay lahateny dia hoe: “Mandiso Fanantenana ny Olombelona ve ny Fivavahana?” Hisy planina homena. Ireo kongregasiona hanana ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany na ny fivoriamben’ny fizaran-tany na ny andro fivoriambe manokana amin’io faran’ny herinandro io, dia hanao ny lahateny manokana ny herinandro manaraka. Tsy tokony hisy mihitsy kongregasiona hanao ny lahateny manokana alohan’ny 10 Aprily.