FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/94 p. 2
  • Valin’ireo Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Valin’ireo Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Fanohanana ny Asan’ilay Fanjakana eo An-toerana sy Eran-tany
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Aoka Isika Hikojakoja Tsara Hatrany ny Toeram-pivavahantsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Fandaharana Momba ny Toeram-pivavahana
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
km 2/94 p. 2

Valin’ireo Fanontanianareo

◼ Fomba fanaovan-javatra inona no tokony harahina rehefa mandroso tolo-kevitra holanina amin’ny kongregasiona?

Takina ny hisian’ny tolo-kevitra holanina rehefa misy fanapahan-kevitra tsy maintsy atao momba ireo raharaha lehibe toy ny fividianana tany, fanamboarana na fanorenana Efitrano Fanjakana, fandefasana fanomezana manokana any amin’ny Fikambanana, na fisahanana ny fandanian’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Tsara indrindra mazàna ny hanolorana tolo-kevitra holanina mba heken’ny rehetra, isaky ny misy volan’ny kongregasiona ampiasaina.

Ho toy ny toe-javatra maningana, ny kongregasiona dia mety hanapa-kevitra indray mandeha fa hanao fanomezana voafaritra tsara isam-bolana ho an’ny Fikambanana, ho fanampin’izay efa omen’ny tsirairay ho fanohanana ny asa fitoriana maneran-tany. Ankoatra izany, ny fandaniana mahazatra momba ny Efitrano Fanjakana, toy ny kojakoja sy ny fitaovam-panadiovana, dia tsy mitaky tolo-kevitra holanina.

Rehefa miharihary fa misy zavatra ilaina, dia tokony handinika ilay raharaha amin’ny an-tsipiriany ny fitambaran-doholona. Raha mifanara-kevitra ny maro an’isa fa misy zavatra ilaina hatao, ny iray amin’ireo loholona, angamba anisan’ny Komitin’asan’ny Kongregasiona, dia tokony hanomana tolo-kevitra holanina vita an-tsoratra mba haroso amin’ny Fivoriana Momba ny Asa.

Ilay loholona mitari-draharaha dia tokony hanazava amin’ny fomba fohy, nefa mazava, ilay zavatra ilaina sy izay aroson’ny fitambaran-doholona hikarakarana ilay izy. Avy eo ny kongregasiona dia omena fahafahana hanao fanontaniana momba ilay izy. Raha sarotra ilay raharaha, dia mety ho tsara indrindra ny hanemorana ny fandaniana ilay tolo-kevitra ho amin’ny Fivoriana Momba ny Asa manaraka, mba hanomezana ho an’ny rehetra fotoana hieritreretana izany. Ny tena fandaniana hevitra dia atao amin’ny alalan’ny tsangan-tanana.

Ny fandaniana tolo-kevitra dia voafetra ho an’ireo mpikambana vita fanoloran-tena sy vita batisa ao amin’ny kongregasiona, raha tsy hoe misy fitakiana araka ny lalàna angaha milaza zavatra hafa noho izany, toy ny mety hitranga rehefa raharaha momba ny fanorenana fikambanana na fampindramana Efitrano Fanjakana no tafiditra. Tsy hety ny handraisan’ny Vavolombelona avy any amin’ny kongregasiona hafa anjara amin’izany.

Rehefa nekena ilay tolo-kevitra, dia tokony hasiana daty sy sonia ary hapetraka ao amin’ny tahirin-taratasin’ny kongregasiona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara