Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Febroary
Herinandron’ny 7 Febroary
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana voafantina avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manasongadìna fanolorana gazety miorina amin’ireo nomerao farany. Jereo indray ireo hevi-dehibe ao amin’ny Valin’ireo Fanontanianareo.
18 min: “Ampitomboy ny Fahalianana Amin’ny Fanjakam-piadanan’Andriamanitra”. Fiaraha-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny mpanatrika. Misy fampisehoana roa. Rehefa avy mandinika ny fehintsoratra faha-2, dia asehoy ny fomba fanolorana taratasy mivalona amin’ny tompon-trano sahirana. Asaivo manao fanontaniana amim-panajana izay hametraka fototra ho an’ny fiverenana mitsidika ilay mpitory. Anaovy fampisehoana ilay fomba fampiseho eo amin’ny fehintsoratra faha-3 izay anehoan’ilay tompon-trano fahalianana sy ampiasan’ilay mpitory bokikely. Eto indray koa, dia tokony hisy fototra hapetraka ho an’ny fiverenana mitsidika.
12 min: Lahateny mifototra amin’ny boky omMG, pejy faha-100-104, manomboka eo amin’ilay lohatenikely hoe “Filazana momba ny fandrosoan’ny fanompoana”. Antitrantero ny tokony hamerenana filazana asa haingana isaky ny faran’ny volana. Amin’izany fomba izany no hiarahantsika miasa amin’ny Fandaminana. Noho izany, dia aoka ny mpitory tsirairay hiezaka mba tsy ho diso aoriana vao hamerina ny filazana asany.
Herinandron’ny 14 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Filazana momba ny toe-bola. Milazà fanehoam-pankasitrahana nataon’ny Fikambanana noho ireo fanomezana nalefa tany, ary derao ny kongregasiona noho ny fanohanana amim-pahatokiana ireo zavatra ilain’ny kongregasiona eo an-toerana. Ampirisiho ny fandraisana anjara amin’ny asa fanompoana amin’ny faran’ny herinandro.
20 min: “Mandrisiha Azy Ireo mba Hitombo, Amin’ny Alalan’ny Fiverenana Mitsidika Misy Heviny”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Manaova fampisehoana momba ny fiverenana mitsidika miorina amin’ilay fomba fampiseho eo amin’ny fehintsoratra faha-3. Asongadino ny ilana fahaiza-manavaka amin’ny tsy firesahana zavatra betsaka loatra mandritra ny fitsidihana, ary antitrantero ny maha-zava-dehibe ny hampipoirana fahalianana amin’ny fitsidihana manaraka.
15 min: “Halan’ny Firenena Rehetra”. Lahateny ataon’ny loholona ampy fanandraman-javatra.
Herinandron’ny 21 Febroary
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Teokratika.
15 min: “Arahabao ny Lahimatoan’i Jehovah!” Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Fandaharana mafana sady feno risi-po ataon’ny loholona, izay ampirisihana ny rehetra hanao lisitr’ireo olona hasainy hanatrika ny Fahatsiarovana sy ny lahateny ampahibemaso mahazatra manaraka an’io. Manaova fampisehoana momba ireo hevitra aroso eo amin’ny fehintsoratra faha-7. Asio mpitory iray manatona olona iray miditra ny Efitrano Fanjakana sady mijerijery manodidina. Fantatr’ilay mpitory fa nampirisihin’ny havana mipetraka any amin’ny tanàna hafa io lehilahy io mba hanatrika. Asain’ilay mpitory ilay lehilahy hiara-mipetraka aminy sy ny fianakaviany mba hahafahan’izy ireo hikambana Baiboly sy fihirana aminy. Milaza amin’ilay lehilahy ilay mpitory fa hamaly izay mety ho fanontaniany rehefa mirava ny fivoriana. Farano ilay fandaharana amin’ny fampahafantarana ny fotoana hankalazan’ny kongregasiona ny Fahatsiarovana.
10 min: Ny Baiboly — Loharanom-pampaherezana Tsara Indrindra ho Antsika. Boky Fanjohian-kevitra, pejy faha-135-139. Lahateny ataon’ny loholona. Maro be amin’ireo ao anatin’ny kongregasiona sy any ivelany no mila fampaherezana. Asehoy ny fomba azon’ny mpitory tsirairay ao amin’ny kongregasiona ampiasana ny Tenin’Andriamanitra mba hampaherezana ny hafa.
15 min: “Fitambaran-trano Vaovaon’ny Sampana ho an’i Madagasikara”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny.
Herinandron’ny 28 Febroary
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Asongadino ny zavatra vita an-tsoratra hatolotra amin’ny Martsa.
15 min: “Manome ka Mandray Fitahiana Ireo Mpisava Lalana”. Lahateny miorina amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Janoary 1994.
15 min: “Tohano Amin’ny Fomba Feno ny Fandaharana Momba ny Fivoriana Ampahibemaso Ataon’ny Kongregasionanareo”. Lahateny, nefa mety hisy fanontaniana iray na roa hatao amin’ny mpanatrika. Hazavao hoe ahoana no anaovana izay hahatsapan’ireo olona liana sambany vao manatrika Fivoriana Ampahibemaso fa raisina tsara izy. Asio fanazavana iray voaomana avy amin’ny mpitory izay mamelabelatra ny fomba nandraisany soa avy amin’ny fanatrehana tsy tapaka ny Fivoriana Ampahibemaso.
10 min: “Mitandrema Amin’ny Hatsaram-panahy Diso Toerana”. Lahateny.