“Halan’ny Firenena Rehetra”
1 Tao anatin’ireo taona faramparany, dia niravoravo isika rehetra nandre tatitra nampientam-po momba ireo fitahiana mahatalanjona azon’ny vahoakan’i Jehovah eran’izao tontolo izao. Ny fanekena ho ara-dalàna ny asa any Malawi taorian’ireo 26 taona nisian’ny fampijaliana nahery vaika dia nanosika antsika ho latsa-dranomasom-pifaliana. Nisento noho ny fanamaivanana isika rehefa nahita ny firodanan’ny Kaominisma tsy mino ny fisian’Andriamanitra tany Eoropa Atsinanana izay niafara tamin’ny fanafahana an’arivony maro ara-bakiteny tamin’ireo rahalahintsika avy tamin’ny ziogam-pangejan’izy io. Niandry tamim-panahiana fatratra isika raha mbola niadian-kevitra ny fahafahantsika manao fanompoam-pivavahana tany Gresy; dibo-kafaliana isika nony injay nahazo fandresena nanakoako tao amin’ny fitsarana avo tany Eoropa. Faly isika nandre tatitra momba ny fanitarana amin’ny ambaratonga lehibe ireo sampan’ny Fikambanana izay nahatonga hety ny famokarana zavatra vita an-tsoratra sesehena ho an’ireo mpikatsaka ny fahamarinana. Tsy afaka ny tsy ho talanjona isika rehefa nandre fa maherin’ny 7 400 no vita batisa tao amin’ny fivoriamben’ny distrika tany Kiev, any Ukraine. Eny, izany fandrosoana manaitra ny saina eo amin’ny asan’ilay Fanjakana izany dia mampitombo ny faharavoantsika!
2 Na dia lehibe aza ny antony mahafaly antsika, dia tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hanjary ho dibo-kafaliana tafahoatra. Ny fitohitohizana tatitra mahafinaritra iray dia nety ho nahatonga antsika hanatsoaka hevitra fa eo an-dalam-paharavana ny fanoherana ny vaovao tsara ary koa fa mahazo fankasitrahana ny vahoakan’i Jehovah eran’izao tontolo izao. Mety hamitaka ny fiheverana toy izany. Na dia nahazo fandresena mahafa-po sasany aza isika ka nahita fahombiazana sasany teo amin’ny fampihenana ireo vato misakana ho an’ny vaovao tsara tany amin’ny tany sasany, dia tsy tokony hohadinointsika fa tsy miova hatrany ny fifandraisana fototra ananantsika amin’izao tontolo izao. Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesosy antsika, dia “tsy naman’izao tontolo izao” isika. Koa satria toy izany isika, dia azontsika antoka fa “halan’ny firenena rehetra”. (Jaona 15:19; Matio 24:9). Raha mbola eo koa itỳ fandehan-javatra itỳ, dia tsy hisy na inona na inona hanova ilay fitsipika fototra hoe “izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina”. — 2 Tim. 3:12.
3 Manaporofo ny fahamarinan’io fampitandremana io ireo pejin’ny tantara. Fony i Jesosy, ilay Mpanorina ny Kristianisma, nanao fanambarana mahatalanjona teo anatrehan’ny mpanapaka nanana hery mitaona sy ireo olom-peheziny, dia niaritra fanisian-dratsy isan’andro izy ary notandindomin’ny famonoana ho faty hatrany. Na dia nanampy olona maro be ho tonga mpianatra aza ireo apostoliny, ka nandray anjara tamin’ny fanoratana ny Soratra Grika Kristiana, ary nampiseho fanomezan’ny fanahy mahagaga, dia nankahalaina sy nentina tamin’ny fomba ratsy toy izany koa izy ireo. Na dia teo aza ny fitondran-tena tsaran’izy ireo sy ny fitiavany ny mpiara-belona taminy, ny Kristiana rehetra dia noheverin’ny ankamaroan’olona ho ‘antokom-pivavahana’ famingavinga izay “ratsy laza eny tontolo eny”. (Asa. 28:22). Na dia ampiasain’i Jehovah amin’ny fomba mahatalanjona hanatanterahana ny sitrapony aza ny kongregasiona kristiana maneran-tany amin’izao andro izao, izy io dia mahita fanoherana sy fanaratsiana mitohy avy amin’izay rehetra mahaforona an’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ. Tsy misy antony tokony hanantenana ny hifaranan’ny fanoherana.
4 Tamin’ny taonjato voalohany, dia nanenjika an’ireo mpianatr’i Jesosy tamin’ny fomba isan-karazany i Satana. Ireo mpanohitra feno fankahalana dia nilaza lainga niharihary izay nampiseho azy ireo tamin’ny fomba diso. (Asa. 14:2). Nisy fandrahonana feno haratsiam-panahy nokendrena mba hampitahorana azy ireo. (Asa. 4:17, 18). Nanandrana nampangina azy ireo ny vahoaka tezitra. (Asa. 19:29-34). Nogadraina tsy nisy antony ara-drariny izy ireo. (Asa. 12:4, 5). Matetika ireo mpanenjika no nampiasa herisetra ara-batana. (Asa. 14:19). Tamin’ny toe-javatra sasany, dia niniana novonoina ho faty ireo tsy nanan-tsiny. (Asa. 7:54-60). Ny apostoly Paoly dia niaritra manokana saika izany endriny rehetra amin’ny fanisian-dratsy izany. (2 Kor. 11:23-27). Mailaka ireo mpanohitra nanararaotra izay mety ho fahafahana niseho mba hanakantsakanana ny asa fitoriana sy hampitondrana fahoriana ireny mpiasa nahatoky ireny.
5 Amin’izao andro izao, dia mampiasa fomba mitovy amin’izany i Satana. Nolazaina ny lainga niharihary, tamin’ny filazalazana antsika amin’ny fomba diso ho antokom-pivavahana na antokom-pinoana madinika diso lalana. Any amin’ny tany sasany, ireo manam-pahefana dia nanambara ny zavatra vita an-tsoratra avoakantsika ho mpanakorontana saim-bahoaka, ary nandrara azy io. Ny fanajantsika ny fahamasinan’ny ra dia nesoina ampahibemaso ary nosedraina. Tamin’ireo taona 1940, ireo vahoaka tezitra nisafoaka noho ny raharaha momba ny fiarahabana saina dia namely ireo rahalahintsika, nampitondra fahavoazana azy ireo, sy nandrava ny fananany. An’arivony maro no nalefa any am-ponja noho ny raharaha momba ny fialanalanana. Tany amin’ireo tany tsy refesi-mandidy, dia nampangaina tamin’ny fomba diso ho mpitaona hanongam-panjakana ireo rahalahintsika, ka izany dia nahatonga an-jatony maro hampijalina tamin-kabibiana sy hovonoina tany am-ponja sy tany amin’ireo toby fitanana. Tsy nisy fiantrana ny fanerena, ka mampiseho mazava fa ankahalaina tsy misy antony ara-drariny isika. — Jereo Prédicateurs, toko faha-29.
6 Inona no tahirizin’ny hoavy? Na dia mety hahazo tombon-dalana aza ny vahoakan’i Jehovah indraindray mba hanalefahana ny fanerena any amin’ny faritra sasany amin’ny tany, dia tsy miova ny tarehin-javatra amin’ny ankapobeny. Manohy ny fahatezerany ny Devoly noho ny fampietrena azy tamin’ny 1914. Fantany fa fohy ny androny. Azo antoka fa hihamahery vaika ny faharomotany arakaraka ny anakekezan’ny fahoriana lehibe. Nirotsaka tanteraka ho amin’ny adiny amin’i Kristy Jesosy, ilay Mpanjaka nandray fiandrianana, izy, ary tapa-kevitra ny hiady hatramin’ny farany. Izy sy ireo demoniany dia tsy afaka maneho ny fahatezerany afa-tsy amin’ny vahoakan’i Jehovah eto an-tany ihany, izay “mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy” amim-pahatokiana. — Apok. 12:12, 17.
7 Koa arakaraka ny hiandrandrantsika ny hoavy àry dia ilaintsika ny mijery ny zavatra araka ny tena izy raha ny amin’izay ampoizina hitranga. Tsy misy antony tokony hieritreretana fa hilavo lefona ny Devoly. Ny fankahalana antsika izay nalefany miandalana eo amin’itỳ tontolo itỳ dia mety hipoaka amin’ny fotoana rehetra sy ny toerana rehetra. Tany amin’ny tany maro dia tsy voaro ny fahalalahantsika mitory raha tsy taorian’ny ezaka mafy naharitra iray. Mety ho tena marefo izany fahalalahantsika izany ary tsy voaro raha tsy noho ny mpanapaka tsara fanahy na lalàna tsy tiam-bahoaka sasany. Mety hisy fitsimbadihan-javatra mampivarahontsana hitranga tampoka, ka hiteraka fisafotofotoana sy fanitsakitsahana ny zon’olombelona amin’ny fomba mihoa-pampana.
8 Ny firoboroboana sy ny fahalalahana ananantsika ankehitriny any amin’ny tany sasany dia mety hifarana tampoka, ka hampizaka ireo rahalahintsika izany fanisian-dratsy efa niaretan’izy ireo tamin’ny lasa izany. Tsy sahintsika ny hamela ny tenantsika hatoritory ao amin’ny toe-tsaina mampiseho tsy firaikana, ka hieritreritra fa resy ireo mpifanandrina amintsika. Mety tsy hiseho amin’ny fomba feno foana ny fankahalan’itỳ tontolo itỳ, nefa mbola mahery vaika ihany izany. Ny zavatra rehetra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia mampiseho fa hihamahery aoka izany ny fanoheran’izao tontolo izao fa tsy hoe hihena, arakaraka ny anakekezan’ny farany. Koa tsy maintsy mitandrina isika, amin’ny fisehoana ho ‘malina tahaka ny bibilava, ary ho tsotra tahaka ny voromahailala’. (Matio 10:16, DIEM). Tokony ho fantatsika fa hanana “ady mafy” hatramin’ny farany isika, ary ny fiaretana no fanalahidin’ny fahatafitantsika velona. — Joda 3, NW; Matio 24:13.
9 Any amin’ny tapany amin’izao tontolo izao izay misy antsika, dia mety hiroborobo tsy misy fanakantsakanana miharihary avy amin’ny mpanohitra, ny asa fitoriana. Izany dia mety hahatonga antsika hisalasala ny amin’ny fisian’ny antony mahatonga fanahiana lehibe. Ilaina anefa ny ho mailo. Mety hiova haingana ny toe-javatra. Afaka manararaotra toe-draharaha sasany, tsy misy fampiomanana, ny mpanohitra ka hampiasa izany hamelezana antsika. Tsy mitsahatra mitady antony hitarainana ireo mpivadi-pinoana. Mety hanakiana antsika ampahibemaso ireo mpitondra fivavahana entim-po, izay mahatsapa ho rahonan’ny asantsika. Ny tetik’asa fanorenana Efitrano Fanjakana eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika dia mety hiteraka fifanoheran-kevitra izay hampisendaotra ny mpiara-monina manontolo. Mety hisy fanambarana mampirehitra fahatezerana hiseho an-tsoratra ka hanao izay haharatsy laza antsika. Mety hinia hampiseho antsika amin’ny fomba diso ireo olona fanta-daza eo an-toerana ka hahatonga ny mpiara-monina hanohitra rehefa mitsidika azy isika. Na dia ireo olo-malalantsika ao an-tokantranontsika aza dia mety hanjary ho sorena sy hanenjika antsika. Koa ilaina ny mitandrina, amin’ny fahafantarana fa tena misy tokoa ny fandrafian’izao tontolo izao ary afaka miseho amin’ny fotoana rehetra izy io.
10 Amin’ny ahoana izany no tokony hahakasika antsika? Izany rehetra izany dia mahakasika mivantana ny fisainantsika sy ny fomba fiheverantsika ny hoavy. Amin’ny fomba ahoana? Moa ve izany mahatonga antsika ho be fanahiana sy hatahotra ny amin’izay mety ho tsy maintsy hiaretantsika? Moa ve isika tokony hampiadana ny asa fitoriantsika satria hoe mety ho voahelingelin’izany ny olona sasany ao amin’ny fiaraha-monina misy antsika? Moa ve misy antony azo ekena tokony hahatsapana ho sendaotra rehefa haratsina tsy ara-drariny isika? Moa ve tsy azo ialana fa hanala amintsika ny fifaliantsika eo am-panompoana an’i Jehovah ny fitondrana antsika amin’ny fomba henjana? Moa ve misy fisalasalana ny amin’ny fiafaran-javatra? Tsia, ary sanatria izany! Nahoana?
11 Tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana fa ny hafatra torintsika dia tsy avy amintsika, fa avy amin’i Jehovah. (Jer. 1:9). Manana adidy isika hitandrina izao fananarana izao: “Miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany (...) any amin’ny tany rehetra”. (Isaia 12:4, 5). Nilefitra tamin’ny fitondrana ratsy ny vahoakany izy noho ny fikasana voafaritra tsara, dia ny ‘mba hanambarana ny anarany any amin’ny tany rehetra’. (Eks. 9:16). Manao asa nandidian’i Jehovah isika, ary izy no ilay manome antsika herim-po hilaza hevitra amim-pahasahiana. (Asa. 4:29-31). Izy io no asa lehibe indrindra sy andraisan-tsoa indrindra ary mahadodona indrindra azo atao amin’izao andro farany ho an’ny fandehan-javatra tranainy izao.
12 Izany fahalalana izany dia manome antsika herim-po mba hifaharana mafy eo amin’ny fanoherana mivantana an’i Satana sy itỳ tontolo itỳ. (1 Pet. 5:8, 9). Ny fahafantarana fa momba antsika i Jehovah, dia mahatonga antsika ‘hahery sy hatanjaka’, ka hanaisotra izay mety ho antony mahatonga tahotra manoloana ireo mpanenjika antsika. (Deot. 31:6; Heb. 13:6). Na dia hiezaka mandrakariva aza isika ny hahay handanjalanja sy hahalala ny antonony ary ho malina rehefa rahonan’ny mpanohitra, dia hataontsika mazava tsara fa tapa-kevitra isika ny ‘hanaiky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona’ rehefa sedraina ny fanompoam-pivavahantsika. (Asa. 5:29). Rehefa misy fahafahana araka ny mety mba hitenenana amim-pahasahiana ho fiarovan-tena, dia hanao izany isika. (1 Pet. 3:15). Kanefa isika tsy handany fotoana hiadiana hevitra amin’ireo mpanohitra mafy hatoka izay faly ny hitsipaka izay lazaintsika fotsiny. Toy izay hanjary hisafoaka na hanandrana hamaly mitovy amin’izany rehefa haratsin’izy ireo isika na ampangainy amin’ny fomba diso, dia aleontsika ‘mamela azy’ ho eo fotsiny. — Matio 15:14.
13 Mahafaly an’i Jehovah ny fiaretantsika mandritra ireo fitsapana. (1 Pet. 2:19). Inona no vidiny tsy maintsy aloantsika mba hahazoana izany fankasitrahana izany? Tokony hiala amin’ny fanompoana tsy ahitana fifaliana ve isika satria ankahalaina sy toherina? Sanatria izany! I Jehovah dia mampanantena ny hamaly soa ny fankatoavantsika amin’ny “fifaliana sy ny fiadanana”. (Rom. 15:13). Na dia teo aza ny fahoriana mangidy, dia nitoetra ho sambatra i Jesosy noho “ny fifaliana napetraka teo anoloany”. (Heb. 12:2). Marina koa izany raha ny amintsika. Koa satria lehibe aoka izany ny valisoa noho ny fiaretantsika, dia voatosika isika ‘hifaly sy hiravoravo’ na dia miaritra fitsapana mahamay aza. (Matio 5:11, 12). Na dia amin’ny fotoam-pahoriana aza, io fifaliana io mihitsy dia antony iray mahatonga fanomezana fiderana sy voninahitra ho an’i Jehovah ho fanohanana ny hafatra momba ilay Fanjakana.
14 Misy isalasalana indray ve ny amin’ny fiafaran-javatra, ka hanome antsika antony hahabe fanahiana na tsy ho tapa-kevitra? Tsia, ny ho fiafaran’ny fifanandrinana eo amin’ny fandaminan’i Jehovah sy ny tontolon’i Satana dia efa notapahina hatramin’ny ela be. (1 Jaona 2:15-17). Na toy inona na toy inona hery sy halehiben’ny fanoherana, dia hanome antsika ny fandresena i Jehovah. (Isaia 54:17; Rom. 8:31, 37). Na dia iharam-pisedrana tanteraka aza isika, dia tsy misy na inona na inona afaka misakana antsika tsy hahazo ny valisoa. Tsy manana antony tokony ‘hanahiana na inona na inona’ isika satria nanome fiadanana antsika i Jehovah ho valin’ny fitalahoantsika. — Fil. 4:6, 7.
15 Noho izany, dia misaotra an’i Jehovah isika isaky ny mandre fitantarana ny amin’ireo rahalahintsika nafahana tamin’ny fanenjehana na nomena fahalalahana hitory any amin’ireo faritra nandrarana azy ireny tamin’ny lasa. Miravoravo isika rehefa misy toe-javatra miova, manokatra fahafahana vaovao ho an’ireo olona tso-po an’arivony maro ho tonga amin’ny fahazoana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Tena velom-pankasitrahana tokoa isika rehefa mifidy ny hanome antsika ny fandresena i Jehovah eo amin’ny fifanandrinana amin’ireo mpanohitra feno fankahalana. Fantatsika fa hitahy sy hampiroborobo ny asantsika izy amin’izay fomba rehetra ilaina, mba hanandratana ny trano fanaovana fanompoam-pivavahana marina aminy sy hanomezana fahafahana hiditra ao ho an’ireo olona “faniry” avy amin’ny firenena rehetra. — Hagay 2:7, NW; Isaia 2:2-4.
16 Etsy an-danin’izany, isika dia mahafantatra amin’ny fomba feno fa i Satana, ilay fahavalontsika, dia tena mahery ary mandeha manohitra antsika amin-kery hatramin’ny farany izy. Mety hiharihary sy ho mora hita ny famelezany, na mety ho an-kolaka sy mamitaka izy ireny. Ny fanenjehana dia mety hipoaka tampoka any amin’ireo toerana izay tsy nahitantsika afa-tsy fiadanana tamin’ny lasa. Mety ho feno hasomparana sy tsy hiantra ireo mpanohitra ratsy fanahy eo amin’ny fikirizany hampahory antsika tsy ara-drariny. Amin’ny fotoana mety, dia hanjary hazava amin’ny olona rehetra toy izany fa “mpiady amin’Andriamanitra” izy, ary handringana azy ireny Andriamanitra. (Asa. 5:38, 39; 2 Tes. 1:6-9). Mandra-pahatongan’izany, na toy inona na toy inona zavatra tsy maintsy iaretantsika, dia tapa-kevitra isika ny hitoetra hifahatra amin’ny fanompoana amim-pahatokiana an’i Jehovah sy amin’ny fitoriana amim-pahatokiana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Isika no olona sambatra indrindra eto ambonin’ny tany, ka mahafantatra fa ‘rehefa voazaha toetra isika, dia handray ny satroboninahitra fiainana’. — Jak. 1:12.