Fitambaran-trano Vaovaon’ny Sampana ho an’i Madagasikara
1 Faly izahay manome anareo vaovao momba ny tetik’asan’ny Fikambanana hanorenana Fitambaran-trano Vaovaon’ny Sampana ho an’i Madagasikara, eto Antananarivo.
2 Tamin’ny 1991 ny Fikambanana dia nividy sombin-tany tsara dia tsara iray tao Mandrosoa, Ivato. Io tany io dia faritra iray mahatratra 16 500 m2 eo ho eo. Avy eo, tamin’ny 1992, dia nanomboka nanao ny tamboho nanodidina an’ilay tany izahay. Rehefa nodinihina indray ny haben’ilay tany, dia hita fa nilaina ny hisian’ny tany fanampiny. Noho izany, tamin’ny 1993, dia nividy sombin-tany telo hafa izahay. Manana tany sahabo ho 27 000 m2 isika izao amin’ny fitambarany. Nanomboka tamin’ny taona lasa isika dia nahazo fitsidihana maromaro nataon’ireo solontenan’ny Fikambanana mba hanao planina momba ny asa fanorenana hataontsika.
3 Asa inona no tokony hatao amin’ireo volana ho avy? Dieny izao izahay dia efa rafitra manorina birao sy trano hitahirizana ireo fitaovam-panorenana ary trano fiasana. Tsy ho ela izahay dia hanomboka hanao fefy manodidina ireo tany vao azo. Ny hatao manaraka ao amin’ilay tetik’asa, dia ny fanorenana trano fonenana misy efitrano fatoriana 16 ho an’ireo mpiasa. Mbola vao fanombohana ilay tetik’asa fotsiny izay.
4 Ilay Fitambaran-trano vaovaon’ny Sampana dia hisy trano fiasana hahitana efitrano fisakafoana lehibe iray sy lakozia ary fanasan-damba. Ao amin’ny rihana voalohany amin’ilay trano dia hisy birao sy sampan-draharahan’ny fandikan-teny.
5 Eo akaikin’ilay trano fiasana, dia hisy trano fonenana hanana rihana tokana, hahitana efitrano fatoriana 24. Hisy trano hafa iray ho an’ny sampan-draharahan’ny fandefasana entana sy ny fanaovam-pirinty. Hisy koa Efitrano Fanjakana tsara tarehy iray izay hahazaka tsara olona 250.
6 Hisy zaridaina sy zava-maitso hafa manodidina an’ilay fitambaran-trano, ary ilay toerana dia ho voninahitra sy fiderana ho an’i Jehovah avokoa.
7 Ny fomba fanorenana: Ny fomba fanorenana dia ho samy hafa be amin’izay fahita eto Madagasikara. Antsoina hoe “Tilt Up” ilay fomba fanorenana. Ireo rindrin-trano dia ho vita manontolo amin’ny rihibato misy tsỳ (béton armé), izay hapetraka hifanongoa amin’ny tany. Avy eo ireo takela-drindrina ireo dia hampiakarina amin’ny grue matanja-be iray ary hapetraka amin’izay toerana tiana hasiana azy sy hakambana amin’ny takela-drindrina hafa. (Vakio aza fady ny Mifohaza! No. 2/92.) Koa satria teknika vaovao izany, dia misy rahalahy ampy fahaizana avy any ampita nasaina ho atỳ amintsika. Dieny izao isika dia efa manana Mpiasa Iraisam-pirenena valo eny amin’ny toeram-panorenana ary mbola misy maro kokoa ho tonga amin’ireo volana ho avy. Tena manampy sy mampahery ny maha-eto azy ireo.
8 Inona no azonao atao? Koa satria tetik’asa teokratika izy io, dia irin’ny Fikambanana ny tsy hampiasa afa-tsy rahalahy sy anabavy ihany amin’ny fanaovana ny asa fanorenana. Koa izao àry no fanontaniana: Moa ve ianao vonona ny hampiasaina amin’io tetik’asa io? — Heb. 13:16.
9 Faly izahay mandray ireo rahalahy eto an-toerana hiasa eny amin’ny toeram-panorenana. Mila charpentiers, maçons, plombiers, électriciens, sy olona mahay mécanique, izahay. Afaka manao fangatahana koa ny hafa izay tsy manana an’ireo fahaizana ireo. Ny rehetra izay manao fangatahana dia tokony ho rahalahy sy anabavy vita batisa, 19 taona no ho miakatra, ary manana toe-pahasalamana tsara sady olona araka ny fanahy. Izay rehetra maniry izany, dia afaka mangataka taratasy hofenoina atỳ amin’ny Fikambanana. Afaka mangataka ireo mpisava lalana. Ireo izay mody isan’andro dia mahazo saran-dalana amin’ny aotobisy sy vola fanampiana amin’ny Betela isam-bolana.
10 Ankoatra ireo izay miasa isan’andro miaraka amin’ireo Mpiasa Iraisam-pirenena, dia manasa ireo kongregasiona izahay isaky ny faran’ny herinandro. Amin’io fandaharana io, izay rehetra 16 taona no ho miakatra, na mpitory vita batisa na tsy vita batisa, dia asaina mba hiasa amin’ny fanorenana. Miala tsiny izahay fa tsy nanisy fandaharana ho an’ny fitaizana ankizy eny amin’ny toeram-panorenana. Noho izany, dia tsy mamela olona latsaka ny 16 taona ho tonga izahay. Efa nisy fanohanana tena tsara dia tsara avy tamin’ireo kongregasiona eto Antananarivo. Ny sasany nanontany hoe “Rahoviana ny anjaranay?” Toe-tsaina tsara izany ary amin’ny fotoana mety izahay dia hampahafantatra anareo hoe rahoviana ny anjaranareo.
11 Mampahery ny mahita rahalahy sy anabavy maro be nangataka hanao fanorenana. Mandray hatrany ireo mpiasa izahay arakaraka ny ilana izany. Mety ho azon’ny sasany aminareo atao ny hiasa mandritra ny tapa-bolana na mihoatra an’izany amin’ny fotoam-pialan-tsasatra. Raha toy izany ny aminao, dia afaka mandefa mialoha ny fangatahanao amin’ny alalan’ny kongregasiona misy anao ianao, ka hosoratanao ao ireo andro mampahalalaka anao.
12 Deraina ireo kongregasiona eto Antananarivo noho ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny fanomezana mpiambina amin’ny alina. Fantatray fa tsy raharaha mora akory izany ho an’ireo rahalahy, nefa dia ankasitrahanay be dia be ny asanareo.
13 Tsy misy isalasalana fa maro aminareo no maniry handray anjara misimisy kokoa amin’ny tetik’asa fanorenana, saingy tsy mamela anareo hanao izany angamba ny toerana misy anareo amin’izao fotoana izao. Na dia izany aza, dia misy fomba iray hafa ho fanohanana amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo mba hanampiana eo amin’ny fandaniana.
14 Nisy nilana ny fanampiana tamin’ny alalan’ny fananana ara-nofo betsaka koa mba hanorenana ny tabernakely tamin’ny andron’i Mosesy. Toy izany koa tamin’ilay tempoly naorina teo ambany fitarihan’i Solomona. Kanefa i Jehovah dia nanosika ny fon’ny olona hanome izay rehetra nilaina. (Eks. 35:4-6, 21, 22; 36:3-6; 1 Tant. 29:3-9). Amin’izao androntsika izao, ny isam-batan’olona sy ny kongregasiona ary ny isam-pizaran-tany, dia samy manana ny tombontsoa hanao fanomezana ho amin’io tetik’asa io, izay tsy isalasalana fa ho fandraisana anjara lehibe amin’ny fanitarana ny asan’ilay Fanjakana eto amin’itỳ nosy itỳ.
15 Raha afaka manao fanomezana ianao, dia aza fady mba alefaso amin’ny Ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, Antananarivo 101, izany. Mariho hoe “Ho An’ny Fanorenana ny Sampana” ilay izy, aza fady.
16 Na afaka manolo-tena an-tsitrapo hiasa eny amin’ny toeram-panorenana ianao na tsia, na afaka mandray anjara ara-bola ianao na tsia, isika rehetra dia afaka mivavaka mba hahombiazan’io tetik’asa fanorenana io hatramin’ny farany, ka mba hiitatra manerana itỳ nosy itỳ ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Enga anie i Jehovah Andriamanitra, ilay Raintsika any an-danitra, hanambina antsika rehetra raha mbola eo am-piezahana mafy isika amin’io tetik’asa tsara dia tsara ho fanorenana ny Fitambaran-tranon’ny Sampana eto Madagasikara io.