FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/94 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
km 2/94 p. 7

Fampandrenesana

◼ Zavatra vita an-tsoratra natao hampiasaina mandritra ny Febroary: Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG no haloan’ny mpisava lalana) ilay be velarana ary amin’ny sarany 1 500 FMG (1 000 FMG no haloan’ny mpisava lalana) ilay kely velarana. Martsa: Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG no haloan’ny mpisava lalana). Aprily sy May: Famandrihana amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous!, ary koa izay mety ho bokikely rehetra (afa-tsy ny bokikely Sekoly). Ny saran’ny famandrihana herintaona amin’ny sambo dia 5 000 FMG (2 500 FMG no haloan’ny mpisava lalana). FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona izay hila an’ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana voalaza ireo dia tokony hanafatra azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany manaraka.

◼ Ny mpitantsoratra sy ny mpiandraikitra ny asa dia tokony hijery indray ny asan’ny mpisava lalana maharitra rehetra. Raha misy mahita fahasahiranana eo amin’ny famenoana ny ora takina, dia tokony handamina ny hisian’ny fanampiana azo omena ireo loholona. Mba hahazoana fanoloran-kevitra, dia jereo indray ireo taratasin’ny Fikambanana tamin’ny 1 Oktobra 1993 sy 1 Oktobra 1992. Ankoatra izany, dia jereo ny fehintsoratra faha-12-20 ao amin’ny pejy faha-4-5 amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Oktobra 1986.

◼ Ny fankalazana ny Fahatsiarovana dia hatao ny asabotsy 26 Martsa 1994. Na dia mety hanomboka aloha kokoa aza ny lahateny, dia tadidio aza fady fa ny fampandalovana ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana dia tsy tokony hanomboka raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro. Jereo ny loharanom-baovao eo an-toerana mba hamaritana ny fotoana hilentehan’ny masoandro ao amin’ny faritra misy anareo. Tsy misy fivoriana hafa tokony hatao amin’io daty io ankoatra ny fivoriana ho amin’ny asa fitoriana. Raha manana fivoriana mahazatra ny kongregasionanareo ny asabotsy, dia mety ho tianareo ny hamindra izany ho amin’ny andro hafa amin’ny herinandro, raha azo ampiasaina ny Efitrano Fanjakana.

◼ Ireo mpitory maniry ny hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny Martsa sy Aprily dia tokony hanao ny fandaharan’izy ireo dieny izao sy hamerina aloha be ny fangatahany. Izany dia hanampy ireo loholona hanao ireo fandaharana ho amin’ny asa fanompoana ilaina sy hanana zavatra vita an-tsoratra ampy eo am-pelatanana.

◼ Fanitsiana: Lohatenin’ny lahateny ampahibemaso manokana ho an’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana 1994: Ny hoe “Mandiso Fanantenana ny Olombelona ve ny Fivavahana?”, dia ovana hoe “Manome Fahafaham-po Amin’izay Ilain’ny Olombelona ny Fivavahana Marina”.

◼ Ao amin’ny boky “Hiaina Mandrakizay”, pejy faha-217, ny lohateny hoe: “Ny Ady Atao ho An’izay Marina” dia ovana hoe “Ny Ady Atao mba Hanaovana Izay Marina”. Ao amin’io pejy io ihany, eo amin’ny fehin. faha-2, andal. faha-4, ny hoe “ho an’izay marina” dia ovana hoe “mba hanaovana izay marina”. Ovay mifanaraka amin’io lohateny io koa, aza fady, ny toko faha-26 ao amin’ny fanoroam-pejy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara